Levitika

Toko faha-7

24 Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively. 25 Fa na zovy na zovy mihinana saboram-biby izay aterina amin'ny Tompo hatao sorona amin'ny afo, dia hofongorana amin'ny fireneny. 26 Aza mihinana ràm-borona, na ràm-biby efa-tongotra, na aiza na aiza hitoeranareo. 27 Izay mihinan-drà, na ràn'inona na ràn'inona, dia hofongorana amin'ny fireneny. 28 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

29 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Izay hanatitra sorom-pihavanana ho an'ny Tompo dia hitondra amin'ny Tompo fanatitra navahana amin'io sorom-pihavanana io. 30 Hitondra ao an-tànany izay tsy maintsy haterina atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo, izy, dia hitondra ny sabora mbamin'ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan'ny Tompo; 31 ny sabora hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely; ary ny tratrany dia ho an'i Aarona mbamin'ny zanany. 32 Omeo ny mpisorona koa ny feny ankavanana, ho fanatitra nalaina avy amin'ny sorom-pihavananareo. 33 Ny feny ankavanana dia ho anjaran'izay iray amin'ireo zanak'i Aarona hanolotra ny rà aman-tsaboran'ny sorom-pihavanana. 34 Fa efa natokako avy amin'ny sorom-pihavanan'ny zanak'Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotro ho an'i Aarona sy ny zanany ho anjara asain-kaloan'ny zanak'Israely ho azy hatrany hatrany. 35 Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana, 36 Izany no nasain'ny Tompo homen'ny zanak'Israely azy ireo, hatramin'ny andro nanosorana azy, ka tsy maintsy haloa tsy tapaka hatrany amin'ny taranany. 37 Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana,

38 izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy tany an-tendrombohitra Sinaia, tamin'ny andro nandidiany ny zanak'Israely hanatitra ny fanatiny amin'ny Tompo tany an'efitra Sinaia.

Toko faha-8

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Alao Aarona sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana; ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay; 3 ka vorio ny fiangonana rehetra, ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana. 4 Dia nataon'i Moizy izay nandidian'ny Tompo azy, ka vory teo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana ny fiangonana,

5 dia hoy Moizy tamin'ny fiangonana: Izao no nasain'ny Tompo hatao: 6 Nasain'i Moizy nanatona Aarona sy ny zanany, ka nodioviny tamin'ny rano.

7 Ary Aarona nampiakanjoiny ny akanjo anatiny, nohetràny ny fehin-kibo, nampiakanjoiny ny akanjo lava, nosalorany ny efoda izay nogiazany tamin'ny fehin'efoda, ary nafatony teo aminy. 8 Napetany taminy ny saron-tratra, ary nakambany tamin'ny saron-tratra ny Orima sy ny Tomima, 9 nasatrony ny lohany ny hamama, dia nataony teo anoloan'ny hamama ny takela-bolamena, ilay diadema masina, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 10 Ary nalain'i Moizy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny Fonenana mbamin'izay rehetra tao anatiny, ka nohamasininy. 11 Nofafazany izany impito ny otely; nohosorany avokoa ny otely sy ny fanaka rehetra momba azy mbamin'ny tavy amam-paladiany, mba hahamasina azy. 12 Dia norotsahany diloilo fanosorana ny lohan'i Aarona, ka nohosorany izy, mba hahamasina azy. 13 Nasain'i Moizy nanatona koa ireo zanak'i Aarona dia nampiakanjoiny ny toniky, nohetràny fehin-kibo, ary nafatony teo aminy ny mitra, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 14 Dia nasainy naroso ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ka Aarona sy ny zanany nametra-tànana teo ambonin'ny lohan'ny ombalahy hatao sorona noho ny ota.

15 Namono azy Moizy dia naka tamin'ny rà ka notentenany manodidina tamin'ny rantsan-tànany ny tandroky ny otely ary nanadio ny otely izy, naidiny teo an-tongotry ny otely ny rà ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy. 16 Manaraka izany nalainy avokoa ny sabora, ny saron-tsinainy, ny saron'atiny, ary ny voany roa mbamin'ny sabora momba azy ka nodorany hanetona teo ambonin'ny otely.

17 Fa ny tenan'ny ombalahy kosa, ny hodiny, ny nofony, ary ny tain-drorohany, dia nodorany tany ivelan'ny toby, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 18 Dia nasainy naroso ny ondralahy hatao sorona dorana, ka Aarona sy ny zanany nametra-tànana teo ambonin'ny lohan'ny ondralahy.

19 Dia novonoina izy, ary Moizy nanidina ny ràny manodidina tamin'ny otely. 20 Rahefa izany norasainy ho voatetika ny ondralahy, dia nodoran'i Moizy hanetona ny lohany mbamin'ny tetiny ary ny saborany.

21 Nosasana tamin'ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon'i Moizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahana izany, sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 22 Nasainy naroso koa ny ondralahy anankiray, ny ondralahy fanokanana; ka Aarona sy ny zanany nametra-tànana teo ambonin'ny lohan'ny ondralahy aloha,

23 izay vao namono azy Moizy, dia naka tamin'ny rany, nanentenany ny tendron-dravin-tsofin'i Aarona ankavanana, ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. 24 Nampanatoniny koa ny zanak'i Aarona, dia notentenany rà ny tendron-dravin-tsofin'izy ireo ankavanana, ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, vao naidiny manodidina amin'ny otely ny rà. 25 Rahefa izany nalainy ny sabora, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy rehetra, ny saron'atiny, ny voany roa mbamin'ny saborany ary ny feny havanana. 26 Ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay izay napetraka teo anatrehan'ny Tompo, nangalany mofomamy tsy misy lalivay iray, mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray, napetrany teo ambonin'ny sabora sy ny fe havanana, 27 nataony teo an-tànan'i Aarona sy ny zanany ireo zavatra ireo, dia nahevahevany ho fanatitra teo anatrehan'ny Tompo. 28 Dia nesorin'i Moizy avy teo an-tànany indray ireo ka nodorany hanetona eo ambonin'ny otely teo ambonin'ny sorona dorana, fa sorona fanokanana izany, ho hanitra ankasitrahana, sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. 29 Dia nalain'i Moizy ny tratran'ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan'ny Tompo; io no anjaran'i Moizy araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

30 Dia nakan'i Moizy ny diloilo fanosorana sy ny rà teo ambonin'ny otely, nafafiny tamin'i Aarona sy tamin'ny fanamiany, ary tamin'ireo zanak'i Aarona sy tamin'ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa Aarona sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany.

31 Ary hoy Moizy tamin'i Aarona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana ny hena, fa eo no hihinananareo azy, miaraka amin'ny mofo ao anaty sobika fanokanana, araka ny nandidiako hoe: Aarona sy ny zanany no hihinana azy.

32 Ary dory amin'ny afo izay sisa tsy lany amin'ny hena sy ny mofo. 33 Tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana hianareo, mandritra ny hafitoana, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo, fa haharitra hafitoana ny fanokanana anareo. 34 Izao atao anio izao, dia nodidian'ny Tompo hatao mandritra ny hafitoana hanaovana ny fanonerana ho anareo. 35 Hijanona hafitoana andro aman'alina, eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana hianareo, ka hitandrina ny didin'ny Tompo mba tsy ho faty hianareo, fa izany no didy azoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1484