Levitika

Toko faha-13

51 Amin'ny andro fahafito hozahany ny fery, ka raha nanitatra ny fery amin'ny hoditra, na amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, na inona na inona izany, dia habokàna ratsy izany ka maloto io zavatra io. 52 Hodorany ny fitafiana, ny kofehy rongony madinika na volon'ondry hatao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin'ny hoditra na inona na inona, izay misy ny fery, fa habokàna ratsy izany, hodorana amin'ny afo ny zavatra. 53 Raha hitan'ny mpisorona anefa fa ny fery tsy nanitatra amin'ny fitafiana, na amin'ny kofehy hatao tenany na fahany, na amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra na inona na inona izany, 54 dia hasainy sasana ilay zavatra voa, vao hatokany toerana hafitoana indray. 55 Rahefa izany, hozahan'ny mpisorona ny fery amin'ilay zavatra efa nosasana, ka raha tsy niova toetra izy, sady tsy nanitatra, dia maloto ilay zavatra, ka dory amin'ny afo; fa efa nasian'ny habokàna ny lafitsarany na ny lafiratsiny. 56 Raha hitan'ny mpisorona anefa fa nihamatromatroka ny fery nony efa nosasàna, dia hesoriny amin'ny fitafiana na amin'ny hoditra na amin'ny kofehy hatao tenany na fahany. 57 Raha miseho amin'ny fitafiana indray izy, na amin'ny kofehy hatao tenany na fahany, na amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra na inona na inona izany, dia habokàna mipoitra, ka dory amin'ny afo ilay zavatra voan'ny fery. 58 Fa raha nosasana ny fitafiana, ny kofehy hatao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin'ny hoditra na inona na inona, ka levona ny fery, dia sasao indray izy, dia ho madio. 59 Izany no lalàna momba ny fery habokàna amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, ny kofehy hatao tenany na fahany, ary ny zavatra natao tamin'ny hoditra, na inona na inona izany, mba hilazana azy hoe madio na maloto.

Toko faha-14

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Izao no lalàna momba ny boka, amin'ny andro hidiovany: 3 Hoentina ho ao amin'ny mpisorona izy, dia hivoaka ny toby ny mpisorona hizaha azy. Ka raha sitrana ny ferin'ny habokàn'ilay boka, 4 dia hodidian'ny mpisorona halaina ho an'ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedra, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa. 5 Ny iray amin'ireo vorona no hasain'ny mpisorona hovonoina eo ambony vilany tany misy rano avy amin'ny rano velona; 6 vao halainy ilay vorona sisa velona, ny hazo sedra, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa, hatsobony mbamin'ny vorona velona ao amin'ny ràn'ilay vorona novonoina, eo ambonin'ny rano velona, 7 ka fafazany amin'izany impito ilay hodiovina amin'ny habokàny, dia holazainy hoe madio izy, ary halefany ho any an-tsaha ilay vorona velona. 8 Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin'ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra ao an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan'ny lainy hafitoana. 9 Amin'ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volom-bavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin'ny rano ny tenany, dia hadio izy.

10 Amin'ny andro fahatelo izy hitondra zanak'ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon'ny efah, voadity tamin'ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga. 11 Izay mpisorona manao ny fanadiovana hanolotra an'izay olona midio, mbamin'ireo zavatra rehetra ireo eo anatrehan'ny Tompo, anoloan'ny trano lay fihaonana. 12 Halain'ny mpisorona ny iray amin'ireo zanak'ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin'ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'ny Tompo. 13 Eo amin'ny toerana famonoana ny sorona noho ny ota, sy ny sorona dorana, no hamonoany ny zanak'ondry, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa amin'ny sorona fanonerana, dia an'ny mpisorona, toy ny amin'ny sorona noho ny ota, ny zavatra atao sorona: zava-masina dia masina izany. 14 Hangalan'ny mpisorona ny ràn'ny sorona fanonerana, dia hanentenany an'ilay midio amin'ny tendron'ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. 15 Dia halain'ny mpisorona ny diloilo iray loga, ka haidiny amin'ny felatànany havia. 16 Hatsoboky ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo am-pelatànany havia, ny rantsan-tànany ankavanana, hanaovany famafàzana impito eo anatrehan'ny Tompo amin'ny rantsan-tànany. 17 Ary ny diloilo sisa eo an-tànany, dia hatentiny an'ilay midio amin'ny tendron'ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tànany havanana ary ny ankiben-togony havanana, dia eo ambonin'ny ràn'ny sorona fanonerana. 18 Izay diloilo sisa mbola eo an-tànany kosa, dia hataony amin'ny lohan'ilay midio, ary hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan'ny Tompo, ny mpisorona. 19 Rahefa izany hatolotry ny mpisorona ny sorona noho ny ota, sy hataony ny fanonerana ho an'ilay midio ho afaka amin'ny lotony. 20 Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin'ny otely miaraka amin'ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an'izany olona izany izy, dia hadio ilay olona. 21 Raha mahantra izy, ka tsy ampy ny fananany, dia haka zanak'ondry iray monja ihany izy, hatolotra ho sorona fanonerana, fanatitra ahevaheva, hanaovana ny fanonerana ho azy. Haka lafarina tsara indrindra izy, ampahafolon'ny efah ihany voadity amin'ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga,

22 mbamin'ny domohina roa, na vanto-boromailala roa, araka izay azony atao, ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana. 23 Hoentiny ho eo amin'ny mpisorona ireo ho fidiovany, amin'ny andro fahavalo, dia eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana, eo anatrehan'ny Tompo. 24 Dia horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondry hatao sorona fanonerana sy ny diloilo iray loga, ka hahevahevany eo anatrehan'ny Tompo. 25 Ary rahefa avy namono ny zanak'ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny rà avy amin'ny sorona fanonerana, hatentiny an'ilay midio eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. 26 Rahefa izany dia haidin'ny mpisorona eo am-pelatànany havia ny diloilo. 27 Ny rantsan-tànany havanana no hanaovan'ny mpisorona ny famafazana impito amin'ny diloilo izay eo an-tànany ankavia, eo anatrehan'ny Tompo. 28 Hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo eo an-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, amin'izay nasiany ny ràn'ny zavatra natao sorona fanonerana. 29 Ilay diloilo sisa eo an-tànany, dia hataon'ny mpisorona amin'ny lohan'ilay midio, hanaovana ny fanonerana ho azy, eo anatrehan'ny Tompo. 30 Rahefa izany, dia hatolony ny iray amin'ny domohina na ny iray amin'ny vanto-boromailala, izay azony novonoina, 31 ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana, ombam-panatitra. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ho an'izay midio, eo anatrehan'ny Tompo. 32 Izany no lalàna momba ny fidiovan'izay nanana fery habokàna ka tsy ampiampy fananana. 33 Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe:

34 Rahefa tafiditra any amin'ny tany Kanaana izay omeko anareo ho fanananareo, raha hasiako fery habokàna ny trano anankiray amin'ny tany hanananareo, 35 dia handeha hilaza izany amin'ny mpisorona, ny tompon'ilay trano, hanao hoe: Hitako misy tahaka ny fery habokàna ao amin'ny tranoko. 36 Alohan'ny hidiran'ny mpisorona ao hizaha ilay fery dia hasainy foanana aloha ny trano mba tsy haloto izay zavatra rehetra ao, vao hiditra hizaha ny trano izy. 37 Dia hozahan'ny mpisorona ilay fery, ka raha hitany fa misy lavaka maitsomaitso na menamena izay toa tafalentika amin'ny rindrina, ao amin'ny fery, eo amin'ny rindrin-trano,

38 dia hivoaka ny trano ny mpisorona hatreo am-baravarana ka hasainy hohidiana ny trano, mandritra ny hafitoana. 39 Amin'ny andro fahafito hiverina ao indray ny mpisorona. Raha hitany fa nanitatra eo amin'ny rindrin-trano ny fery: 40 ny vato voan'ny fery hasainy hesorina hariana any ivelan'ny tanàna, amin'ny toerana maloto; 41 ny ati-trano manontolo hasainy kikisana, hariana any ivelan'ny tanàna amin'ny toerana maloto ny vovoka rehetra voakiky;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1502