Levitika

Toko faha-14

42 ary ny vato hafa no halaina hasolo ilay teo, ary feta hafa no halaina handalorana ny trano indray. 43 Raha mipoitra ao amin'ny trano indray ny fery aty aorian'ny nanesorana ny vato sy nikikisana amana nandalorana ny trano, dia hiverina hizaha azy indray ny mpisorona;

44 ka raha nanitatra ao amin'ny trano ny fery dia habokàna ratsy amin'ny trano izany, ka maloto izy. 45 Horavana ny trano, ny vato, ny hazo, ny lalotra rehetra amin'ny trano, dia hoentina any ivelan'ny tanàna avokoa, amin'ny toerana maloto, izany rehetra izany. 46 Izay niditra tao an-trano mandritra ny fotoana nilazana azy hoe mihidy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 47 Izay nandry tao an-trano hanasa ny fitafiany, izay nihinana tao an-trano hanasa ny fitafiany. 48 Nefa raha hitan'ny mpisorona nony efa niverina tao an-trano izy, fa tsy nanitatra ilay fery taorian'ny nandalorana ny trano, dia holazainy fa madio ny trano, satria sitrana ny fery.

49 Ka izao no halainy ho fanadiovana ny trano: vorona roa, hazo sedra, lamba mena antitra ary hisopa. 50 Dia hovonoiny eo ambony vilany tany, ambony rano velona, ny vorona iray. 51 Ary halainy ny hazo sedra sy ny hisopa, mbamin'ny lamba mena antitra, sy ny vorona mbola velona, hatsobony ao anatin'ny ran'ilay vorona novonoina sy ao anatin'ny rano velona ka amafazany ny trano impito. 52 Dia handiovany ny trano ny ràn'ilay vorona, ny rano velona, ny vorona velona, ny hazo sedra, ny hisopa, ny lamba mena antitra; 53 ary halefany ho any ivelan-tanàna any an-tsaha ilay vorona velona. Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an'ny trano, dia hadio izy. 54 Izany no lalàna momba ny fery habokàna, sy ny kimavo,

55 ny habokàna amin'ny fitafiana sy ny trano, 56 ny mamontsina, ny anakandro, ary ny hodi-potsy. 57 Izany no hahalalana na maloto na madio ny zavatra anankiray. Izany no lalàna momba ny habokàna.

Toko faha-15

1 Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ary lazao aminy hoe: Ny lehilahy rehetra marary mitsika, dia maloton'izany.

3 Ary izao no loto avy amin'ny fitsihany: na mandeha avy amin'ny nofony ny fitsihany, na mijanona ao, dia loto izany. 4 Haloto avokoa ny fandriana handrian'izay mitsika, haloto ny zavatra hipetrahany. 5 Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 6 Izay mipetraka amin'ny zavatra nipetrahan'ny olona mitsika, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 7 Izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 8 Izay olona madio raha voaroran'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro io olona io. 9 Haloto avokoa ny lasely nitaingenan'ny marary mitsika. 10 Izay mikasika ny zavatra natao teo ambaniny, haloto mandra-paharivan'ny andro, ary izay mitondra izany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 11 Izay voakasiky ny marary mitsika ka tsy nanasa tànana tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 12 Ny vilany tany rehetra voakasiky ny marary mitsika, hovakina, ary ny tavy hazo rehetra kosa hosasana amin'ny rano. 13 Rahefa sitrana amin'ny fitsihany ilay marary mitsika hanisa andro fito aloha amin'ny fidiovany, vao hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano velona, dia hadio. 14 Amin'ny andro fahavalo hitondra domohina roa na vanto-boromailala roa izy, ka hankeo anatrehan'ny Tompo, eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana, ary homeny ny mpisorona izany. 15 Ary ny mpisorona hanatitra azy ireo, ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana. Ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan'ny Tompo, noho ny fitsihany. 16 Raha misy lehilahy mandeha rano maloto, dia hampandro amin'ny rano ny tenany manontolo, ary haloto izy mandra-paharivan'ny andro. 17 Ny fitafiany rehetra sy ny hoditra voakasik'izany koa hosasana amin'ny rano sy haloto mandra-paharivan'ny andro. 18 Raha misy vehivavy nandry tamin-dehilahy sy niray taminy, dia handro amin'ny rano izy sy ralehilahy, ary haloto izy ireo mandra-paharivan'ny andro. 19 Raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, fitsihan'ny rà amin'ny tenany, dia haloto hafitoana izy. Ny olona rehetra hikasika azy, haloto mandra-paharivan'ny andro;

20 ny zavatra rehetra handriany mandritra ny fotoana ahalotoany dia haloto, ary ny zavatra rehetra hipetrahany haloto koa; 21 izay rehetra hikasika ny fandriany hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 22 Izay rehetra hikasika zavatra nipetrahany, hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 23 Raha misy zavatra eo amin'ny fandriany, na eo amin'ny seza nipetrahany, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika izany. 24 Raha misy lehilahy mandry aminy, ka mankeo aminy ny fahalotoan'io vehivavy io, dia haloto hafitoana izy ary izay farafara rehetra handriany dia haloto avokoa. 25 Raha misy vehivavy mitsi-drà mandritra ny andro maro, ivelan'ny fotoan'ny fadim-bolana, na ny fadim-bolany no mandeha lava, mihoatra ny fotoana fahalotoany, dia haloto mandritra izay andro rehetra itsihany izy, toy ny amin'ny fotoana aharariany isam-bolana ihany.

26 Ny fandriana rehetra handriany mandritra izany fitsihany izany ho toy ny fandriany amin'ny fitsihany isam-bolana ihany; ny zavatra rehetra hipetrahany, haloto toy ny amin'ny fotoan'ny fahalotoany amin'ny fadim-bolana.

27 Izay rehetra hikasika izany, haloto ka hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 28 Rahefa sitrana amin'ny fitsihany izy, dia hanisa andro fito aloha, ary rahefa afaka izany, hadio izy. 29 Amin'ny andro fahavalo haka domohina roa izy, na vanto-boromailala roa, ka hitondra ireo amin'ny mpisorona eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana. 30 Dia hatolotry ny mpisorona ireo: ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan'ny Tompo, noho ny fitsihany izay nahaloto azy. 31 Ampianaro hidio amin'ny fahalotoany ny zanak'Israely, sao ho faty noho ny fahalotoany izy, amin'ny fandotoany ny Fonenako izay eo afovoany.

32 Izany no lalàna momba ny lehilahy mitsika na voaloton'ny fandehanan'ny rano malotony,

33 sy momba ny vehivavy mararin'ny fadim-bolany, mbamin'ny olona rehetra mitsika, na lahy na vavy, sy ny lehilahy mandry amim-behivavy maloto.

Toko faha-16

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh taorian'ny nahafatesan'ireo zanak'i Aarona roa lahy, izay novonoina tamin'izy nanatona ny tavan'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2701