Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-12

1 Koa mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin'izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahany; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.

2 Ary aza manaraka an'izao tontolo izao, fa miovà amin'ny fanavaozan'ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitra-pon'Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahany no lavorary. 3 Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen'Andriamanitra azy avy.

4 Fa toy ny tena iray ananantsika, misy rantsam-batana maro tsy mitovy asa, 5 no maha-tena iray antsika ao amin'ny Kristy, na dia maro aza isika; ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy. 6 Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; 7 raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin'ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; 8 itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa manapaka, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana. 9 Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana: mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin'ny tsara.

10 Mifankatiava toy ny ifankatiavan'ny mpirahalahy; mifaninàna hifanaja. 11 Raha ny amin'ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! 12 Mifalia amin'ny fanantenana, mandefera amin'ny fahoriana, ary mahareta amin'ny fivavahana; 13 manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin'ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. 17 Aza mamaly ratsy, na amin'iza na amin'iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan'Andriamanitra ihany, fa eo imason'ny olona rehetra koa.

18 Raha azonareo atao, dia mihavana amin'ny olona rehetra. 19 Aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, izaho no hamaly, hoy ny Tompo. 20 Omeo hanina ny fahavalonao raha noana, ary omeo hosotroina izy raha mangetaheta, fa ny fanaovana izany no hanangonanao vain'afo ho eo an-dohany. 21 Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

Toko faha-13

1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.

2 Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan'Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihantsy fanamelohana ny tenany. 3 Tsy mba ny asa tsara no atahorana ny mpanapaka, fa ny ratsy atao ihany. Ka raha tsy te-hatahotra ny mpanapaka hianao, dia ny tsara no ataovy, fa hahazo dera aminy hianao, 4 satria lefitr'Andriamanitra amin'ny fanasoavana anao izy. Fa raha ratsy kosa no ataonao dia matahotra, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin'ny maha-lefitr'Andriamanitra azy. 5 Koa ilaina àry ny manaiky, tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny hitsim-po koa. 6 Noho izany ihany koa no andoavanareo hetra; fa mpanao raharahan'Andriamanitra ny mpanapaka, milozoka amin'izay raharahany. 7 Koa ataovy amin'izy rehetra àry izay tokony ho azy avy, dia hetra amin'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana amin'izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an'izay tokony hatahorana, ary haja ho an'izay tokony hohajaina. 8 Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.

9 Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsiriri-javatr'olona, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy ao amin'ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. 11 Ary amin'izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin'ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.

12 Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan'ny maizina, fa tafio ny fiadian'ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro, tsy amin'ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana na fialonana; 14 fa itafio Jesoa-Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin'ny famelomana ny filany.

Toko faha-14

1 Ny amin'izay malemy finoana dia raiso izy, nefa aza mitsara ny heviny.

2 Fa misy mino ho mahazo mihinana ny zavatra rehetra; misy kosa malemy finoana, ka tsy mihinana afa-tsy zava-maniry. 3 Izay mihinana, aoka tsy haneso ny tsy mihinana, ary izay tsy mihinana kosa, aoka tsy hitsara ny mihinana, fa Andriamanitra no efa nandray azy. 4 Ary zovy moa hianao no mitsara ny mpanompon'ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan'izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo. 5 Ny anankiray manisy avaka ny andro, ny anankiray kosa mampitovy ny andro rehetra; samia mitoky amin'ny azy tsy amim-pisalasalana. 6 Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an'ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an'ny Tompo ihany koa, sady misaotra an'Andriamanitra izy. 7 Fa tsy misy velona ho azy isika rehetra, na misy maty ho azy; 8 fa velona isika, velona ho an'ny Tompo; maty koa, maty ho an'ny Tompo. Koa amin'izany, na velona na maty isika, dia ho an'ny Tompo ihany. 9 Satria ny Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha-Tompon'ny maty sy ny velona azy. 10 Ka ahoana àry ity hianao no mitsara ny rahalahinao; ahoana ary izato hianao no dia maneso ny rahalahinao? Nefa samy hiseho eo amin'ny fitsaran'Andriamanitra ihany isika rehetra, 11 araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra. 12 Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra. 13 Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy.

14 Fantatro sy ekeko amim-pitokiana ao amin'i Jesoa Tompo fa tsy misy zava-maloto ho azy; nefa raha misy olona mihevitra zavatra ho maloto, dia maloto tokoa izany aminy. 15 Raha noho ny fihinananao no mampalahelo ny rahalahinao, dia tsy mandeha araka ny fitiavana intsony hianao, ka aza dia ny fihinananao no amerezanao olona nahafoizan'ny Kristy aina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1766