Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-14

16 Ary aoka ny soa azonao tsy hampiteny ratsy ny sasany. 17 Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan'Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin'ny fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. 18 Koa izay manompo ny Kristy amin'izany no ankasitrahan'Andriamanitra, sy ankatoavin'ny olombelona. 19 Ny fihavanana sy fifamporisihana ho tsara àry no aoka hokatsahintsika,

20 fa aza izay hanina no andravana ny asan'Andriamanitra. Marina fa madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy kosa ny mihinana manafintohina ny sasany. 21 Ny tsara, dia tsy mihinan-kena, na misotro divay, na manao na inona na inona izay hahatafintohina, na hahalavo, na hahalemy ny rahalahinao. 22 Fa tano ho anao eo anatrehan'Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy helohin'ny hitsim-pony amin'ny asa ekeny; 23 fa izay misalasala dia meloka raha mihinana, satria tsy araka ny hitsim-pony izany, ka ota izay rehetra atao tsy an-kitsim-po.

Toko faha-15

1 Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen'izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.

2 Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin'izay hahasoa azy, hahatarika azy amin'ny tsara. 3 Fa tsy nitady ny hahafaly ny tenany ny Kristy; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsan'izay nandatsa anao dia nihatra tamiko. 4 Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin'ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin'ny Soratra Masina. 5 Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an'ny Kristy Jesoa, 6 mba hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, amin'ny fo iray sy vava iray. 7 Koa mifandraisa hianareo, tahaka ny nandraisan'ny Kristy anareo mba ho voninahitr'Andriamanitra.

8 Fa ny Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan'Andriamanitra, amin'ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin'ny razan'izy ireo; 9 ary ny jentily kosa dia mankalaza an'Andriamanitra noho ny famindra-pony, araka ny vosaoratra hoe: Izany no hiderako anao any amin'ny jentily, sy hankalazako ny anaranao. 10 Ary koa: Miaraha miravoravo amin'ny olony, ry jentily; 11 mbamin'ny hoe: Miderà ny Tompo, hianareo firenena rehetra; ary mankalazà azy, ry vahoaka rehetra. 12 Hoy koa Izaia: Hisy solofon'i Jese, izay hitsangana hanapaka ny jentily; izy no hitokian'ny firenena rehetra. 13 Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin'ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin'ny Fanahy Masina. 14 Izaho aloha, ry rahalahy, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra hianareo, sady mahay mifananatra koa.

15 Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy 16 mba ho mpandraharahan'ny Kristy Jesoa amin'ny jentily aho, amin'ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin'Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily, rahefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. 17 Koa mba manana rehareha ao amin'i Kristy Jesoa ihany aho, raha ny momba ny fanompoana an'Andriamanitra.

18 Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin'ny Kristy ahy, mba hampanaiky ny jentily, na tamin'ny teny aman'asa, 19 na tamin'ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin'ny Fanahy Masina; any ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin'ny Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Hiria; 20 sady nalaiko ho voninahitra ho ahy ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin'izay mbola tsy nanononana ny Kristy, mba tsy hanorina amin'izay efa nanoeran'ny sasany, 21 fa ho araka ny voasoratra hoe: Ireo tsy nilazana azy dia hahita; ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala. 22 Izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo;

23 fa ankehitriny, noho ny tsy fisian'ny zava-misakana ahy intsony amin'ireto fari-tany ireto, 24 dia manantena hahita anareo aho, rahefa mandalo ho any Hispania, ka hiara-mipetraka kelikely aminareo, fa rahefa afakafaka ny alaheloko no vao haterinareo any. 25 Izao dia ho any Jerosalema aho, hitondra fanampiana ho an'ny olona masina any.

26 Fa namory vola an-tsitra-po hiantrana ny olona masina tra-pahoriana any Jerosalema, ry zareo ao Masedonia sy ao Akaia. 27 Sitrany tokoa ny nanao izany, fa ananan'ny any trosa izy ireo. Satria nahazo anjara tamin'ny harem-panahiny izy jentily, ka tsy maintsy mba manampy azy amin'ny haren'ny nofo kosa. 28 Raha vao vitako io raharaha io, ka voapetraka eo am-pelatànan'izy ireo izany vokatra izany, dia hiainga aho any Hispania aho ka hihazo any aminareo. 29 Ary fantatro fa hiara-tonga amiko any aminareo koa ny hafenoan'ny tso-dranon'ny Kristy. 30 Avy mangataka aminareo, amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy aho, ry rahalahy, hiara-miady amiko, amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,

31 mba ho afaka amin'ny tsy mpino any Jerosalema aho, mba hankasitrahan'ny olo-masina any ny fanomezana hatolotro, 32 ka ho tonga an-kafaliana any aminareo, raha sitra-pon'Andriamanitra, sy hiala sasatra kely eo afovoanareo. 33 Ho aminareo rehetra anie Andriamanitry ny fiadanana. Amena.

Toko faha-16

1 Indro Febe anabavintsika, lazaiko tsara aminareo, fa mpikarakara ny Eglizy ao Senkrea,

2 mba handraisanareo azy tsara ao amin'ny Tompo, araka ny mendrika ny olo-masina, sy hanampianareo azy amin'izay rehetra ilàny anareo, araka ny nanampiany olona maro, hatramin'ny tenako aza. 3 Veloma any amin'i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin'i Jesoa-Kristy;

4 nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin'ny jentily koa, 5 ary veloma any amin'ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony. Veloma any amin'i Epeneto malalako, izay santatr'i Asia ho an'ny Kristy. 6 Veloma any amin'i Maria, izay niasa mafy ho anareo. 7 Veloma any amin'i Androniky sy Joniasa havako sy niara-nifatotra tamiko, izay sady tsara laza amin'ny Apostoly no tao amin'ny Kristy talohako aza. 8 Veloma any amin'i Anfiasa, malalako ao amin'ny Tompo. 9 Veloma any amin'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'ny Kristy, sy Stakisa malalako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2372