Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-16

10 Veloma any amin'i Apela, mpanompo mahatokin'ny Kristy. Veloma any amin'i Aristobola mianakavy. 11 Veloma any amin'i Herodiòna havako. Veloma any amin'i Narsisy mianakavy, izay ao amin'ny Tompo. 12 Veloma any amin'i Trifemo sy Trifaozy, izay miasa ao amin'ny Tompo. Veloma any amin'i Persida malala, izay miasa fatratra ao amin'ny Tompo. 13 Veloma any amin'i Rofosa olo-malaza ao amin'ny Tompo, sy any amin-dreniny izay reniko koa. 14 Veloma any amin'i Asinkrito, Felgòna, Hermesy, Patrobosa, Hermasy, mbamin'ny rahalahy ao aminy. 15 Veloma any amin'i Filologo sy Jolia, ary Nerea mianadahy, sy Olimpia, mbamin'ny olo-masina rehetra ao aminy. 16 Mifampiarahabà amin'ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Egizin'ny Kristy rehetra. 17 Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, mba hitandrin-tena amin'ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny.

18 Fa tsy mba ny Kristy no tompoin'ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina. 19 Efa niely amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanekenareo izao, ka faly aminareo tokoa aho; fa hany iriko dia izao: mba ho hendry hianareo raha ny amin'ny tsara, fa tsy hahalala kosa raha ny amin'ny ratsy. 20 Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana ny an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo. Ary ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 21 Manao veloma anareo i Timote, mpiara-miasa amiko, sy Losiosa ary Jasòna mbamin'i Sosipatera havako.

22 Izaho Tersiosa, izay nanoratra ity taratasy ity koa, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23 Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay, mbamin'ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosa rahalahy. 24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena. 25 Ary ho an'ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an'i Jesoa-Kristy sy nanambarana ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,

26 (fa voaseho ankehitriny tamin'ny soratry ny mpaminany, araka ny didin'ny Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana) 27 dia ho an'Andriamanitra, ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy. Amena.

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko voalohany

1 Paoly voaantso ho Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahy

2 mamangy ny Eglizin'Andriamanitra any Korinto, dia ireo mpino nohamasinina ao amin'i Jesoa-Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo. 4 Isaorako an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra nomena anareo ao amin'i Jesoa-Kristy:

5 fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, dia amin'ny teny rehetra sy amin'ny fahalalana rehetra; 6 ary noho ny niorenan'ny Evanjelin'ny Kristy eo aminareo, 7 dia tsy latsa-danja noho ny hafa hianareo amin'ny fahasoavana rehetra, any ka miandry amim-pitokisana ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 8 Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny hianareo amin'ny andron'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 9 Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso anareo hiray amin'ny Zanany, dia Jesoa-Kristy Tompontsika. 10 Mihanta aminareo amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, aho, ry rahalahy, mba hiray teny daholo hianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa hianareo.

11 Reko tamin-dry Kloe anie ny aminareo eo, fa hoe misy fifandirana ao aminareo; 12 izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe: Izaho an'i Paoly; ny sasany kosa manao hoe: Izaho an'i Apolo, na izaho an'i Sefasy, na izaho an'ny Kristy! 13 Voazarazara va ny Kristy? Ary Paoly va no voafantsika tamin'ny hazo fijaliana ho anareo? Sa tamin'ny anaran'i Paoly no natao batemy hianareo? 14 Misaotra an'Andriamanitra aho, fa tsy nisy nataoko batemy hianareo, afa-tsy Krisposa sy Kaïosa, 15 mba tsy hisy hahazo milaza fa natao batemy tamin'ny anarako. 16 Nataoko batemy ihany koa ny fianakavian'i Stefanasy, fa tsy hitako izay nataoko batemy afa-tsy ireo. 17 Tsy ny hanao batemy no nanirahan'ny Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin'ny laha-teny kanto anefa, fandrao foanan'izany ny hazo fijalian'ny Kristy.

18 Fa hadalana ny fampianarana ny amin'ny hazo fijaliana ho an'izay very, ary herin'Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, 19 satria voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry; ary holaviko ny fahaizan'ny mahay. 20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr'izao tontolo izao? Tsy nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21 Fa noho ny fahendren'Andriamanitra, dia tsy nahalala an'Andriamanitra ny fahendren'izao tontolo izao ka dia hadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjena an'izay mino. 22 Fa ny Jody mila famantarana; ny jentily mitady fahendrena; 23 ary izahay kosa mitory ny Kristy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny jentily; 24 fa ny Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na jentily. 25 Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona. 26 Jereo ange, ry rahalahy, izato hianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!

27 fa izay ataon'izao tontolo izao ho adala no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon'izao tontolo izao ho malemy no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28 ary izay iva razana amana faneso amin'izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy mizy aza, no nofidin'Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, 29 mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no maha-ao amin'ny Kristy Jesoa anareo, dia ilay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, 31 mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

Toko faha-2

1 Fony aho tonga tany aminareo koa, ry rahalahy, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1716