Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-2

2 Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy Jesoa-Kristy aho tany aminareo, indrindra fa izy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. 3 Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo; 4 sady tsy mba tamin'ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra azy ho marina, 5 mba tsy hiorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'olombelona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany. 6 Mitory fahendrena amin'izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren'izao tontolo izao izany, na an'ny mpanapak'izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;

7 fa fahendren'Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin'Andriamanitra talohan'izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika; 8 ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanapak'izao tontolo izao (satria raha nahalala izy, dia tsy ho namantsika ny Tompon'ny voninahitra tamin'ny hazo fijaliana); 9 fa izany dia anisan'ireo zavatra voasoratra hoe: Zavatra mbola tsy hitan'ny maso na mbola ren'ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon'ny olona velively no namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia azy. 10 Tamintsika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza. 11 Iza àry no hahalala izay ao am-pon'ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. 12 Ary isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny fahasoavany.

13 Tsy mba amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no ilazanay an'izany, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin'ny teny ara-panahy koa. 14 Tsy azon'ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin'ny Fanahy no hany amantarana izany. 15 Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra, sady tsy azon'olona tsaraina. 16 Satria zovy àry no nahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy? Fa isika manana ny hevitry ny Kristy.

Toko faha-3

1 Ary izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin'ny olona ara-panahy, fa toy ny amin'ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin'ny Kristy.

2 Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany hianareo, sady tsy mbola mahazaka hatr'ankehitriny aza, noho hianareo mbola ara-batana. 3 Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon'olombelona va izany? 4 Raha ny iray hanao hoe: Izaho an'i Paoly, ny iray kosa hanao hoe: Izaho an'i Apolo: moa tsy olombelona ihany va hianareo amin'izany? Fa inona àry Apolo, ary inona koa Paoly?

5 Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen'ny Tompo azy avy. 6 Izaho moa namboly, Apolo kosa nanondraka; fa Andriamanitra ihany nampaniry. 7 Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra izay mampaniry ihany no izy. 8 Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian'Andriamanitra araka ny fisasarany avy. 9 Fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra; ary hianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny. 10 Noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny;

11 satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa, afa-tsy izay efa vita, dia Jesoa-Kristy. 12 Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin'io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan'ny olona tsirairay avy; 13 ary ny andron'ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin'ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan'ny olona tsirairay isam-batana: 14 maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy; 15 may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin'ny afo. 16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra?

17 Koa izay mandrava ny tempolin'Andriamanitra dia mba horavan'Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany. 18 Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin'izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.

19 Satria ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry no hamandrihako azy; 20 ary koa hoe: Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany. 21 Koa aza misy manao olona ho reharehany, 22 fa anareo ny zavatra rehetra, na Paoly, na Apolo, na Sefasy, na izao tontolo izao, na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany; 23 hianareo kosa an'ny Kristy, ary ny Kristy an'Andriamanitra.

Toko faha-4

1 Aoka hataon'ny olona ho mpandraharanan'ny Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin'Andriamanitra.

2 Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra. 3 Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain'ny andron'ny olona; fa na izaho aza tsy mitsara tena. 4 Satria tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5 Noho izany, aza mitsara alohan'ny fotoana, dia mandra-pahatongan'ny Tompo; fa izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin'izay vao samy hahazo izay dera tandrifin'azy tsirairay avy. 6 Ary noho ny aminareo, ry rahalahy, dia nahodiko mankamin'ny tenako sy Apolo izany zavatra izany, hianaranareo ao amin'ny tenanay tsy hanao mihoatra noho izay voasoratra, mba tsy hoentim-piavonavonana hianareo hanandratra ity, nefa hanetry an'irý kosa.

7 Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray hianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny? 8 Efa voky sahady mantsy hianareo izany e! Efa manan-karena sahady à! Efa manjaka lavitra anay! Enga anie ka ho izany tokoa hianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo. 9 Fa izahay Apostoly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan'izao tontolo izao, na anjely, na olombelona. 10 Izahay moa, adala noho ny amin'ny Kristy, hianareo kosa hendry ao amin'ny Kristy! Izahay osa, fa hianareo no matanjaka; izahay faneso, hianareo kosa fanaja. 11 Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, 12 ary misasatra miasa amin'ny tànanay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1754