Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-4

13 mova tsy izahay iny no fakon'izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. 14 Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an'izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.

15 Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin'ny Kristy, dia tsy maro ray hianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin'ny Evanjely ao amin'ny Kristy. 16 Koa mihanta aminareo aho, aoka ho mpaka tahaka ahy hianareo, toy ny nianarako ny Kristy koa. 17 Fa izany ihany no nanirahako ho etý aminareo an'i Timote, zanako malalako sady mahatoky ao amin'ny Tompo, mba hampahatsiaro anareo izay làla-nodiaviko ao amin'ny Kristy, sy izay fampianarana fanaoko hatraiza hatraiza amin'ny Eglizy rehetra. 18 Misy mirehareha satria ataony fa tsy ho tonga any aminareo intsony aho; 19 ho avy faingana anefa aho, raha sitraky ny Tompo, ka tsy ny fitenin-dry zareo mirehareha no ho hitako, fa ny asa vitany, 20 satria ny fanjakan'Andriamanitra tsy teny foana fa asa atao. 21 Inona àry no tianareo? Tsorakazo ve no hoentiko mankany aminareo, sa fitiavana sy halemem-panahy?

Toko faha-5

1 Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin'ny jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!

2 Izany ve ka hianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin'izany akory; ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa. 3 Izaho, na dia tsy teo aminareo amam-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an'ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany. 4 Koa amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban'ny herin'i Jesoa Tompontsika: 5 dia aoka izany olona izany hatolotra an'i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo. 6 Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarina manontolo? 7 Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao hianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo hianareo, satria efa voavono ny Kristy, izay Paka ho antsika. 8 Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin'ny lalivay ela, na amin'ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin'ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany. 9 Nanoratra taratasy taminareo aho, nilaza fa tsy tokony hifanerasera amin'ny mpijangajanga hianareo.

10 Tsy dia ny mpijangajangan'izao tontolo izao anefa, na ny kahihitra, na ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy, no antsoiko amin'izany, satria raha izany dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao hianareo. 11 Fa hany noheveriko, dia ny tsy hiharoharoanareo amin'izay mitondra ny anarana hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na kahihitra, na mpanompo sampy, na mpifosa, na mpimamo, na mpanao an-keriny; fadio na ny miara-komana amin'ny olona toy izany aza. 12 Moa raharahako va ny mitsara izay any ivelany? Ary moa tsy izay ao anaty va no mety hotsarainareo? 13 An'Andriamanitra ny mitsara ny any ivelany. Roahy tsy ho ao aminareo intsony ilay mpanao ratsy.

Toko faha-6

1 Adre! hay aminareo dia misy manana ady amin'ny namany, ka sahy mangataka fitsarana amin'ny olona tsy marina, fa tsy amin'ny olona masina!

2 Tsy fantatrareo va fa ny olo-masina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara ny anjely aza isika? Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao! 4 Koa raha ady momba ny zavatr'izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, na izay farany ambany amin'ny Eglizy aza ve tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin'izany? 5 Hampahamenatra anareo no ilazako izany. Hay, dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza, mba afa-mamboatra ny adin'ny rahalahiny? 6 Fa rahalahy, ka dia hanana ady amin-drahalahy, sady eo anatrehan'ny mpitsara tsy mpino indray! 7 Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin'ny namanareo, satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny? Tsy aleo ve mandefitra ny ambakaina aza? 8 Kanjo inona, hianareo indray no manao ny tsy rariny, hianareo indray no manambaka, nefa tsy iza ireny, fa rahalahinareo ihany! 9 Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra hianareo, fa na mpinjangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin'olona,

10 na mpanao asam-pijangajangana amin'ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra, na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany koa hianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompo, sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitra hianareo. 12 Tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy misy avelako hanandevo ahy na inona na inona.

13 Ny hanina, ho an'ny kibo; ny kibo, ho an'ny hanina, ary izy roroa, samy holevonin'Andriamanitra. Fa ny vatana kosa tsy mba ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo, ho an'ny vatana. 14 Efa nanangana ny Tompo tamin'ny maty Andriamanitra, ka hanangana antsika amin'ny heriny koa. 15 Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan'ny Kristy ny vatanareo? Ka rantsam-batan'ny Kristy ve dia halaiko hatao rantsam-batan'ny vehivavy janga e? Sanatria izany! 16 Tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga, dia tena iray aminy? araka ny Soratra hoe: Ho nofo iray izy roroa. 17 Ary izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. 18 Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon'ny olona any ivelan'ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin'ny tenany indrindra. 19 Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin'Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? 20 Fa olom-boavidy lafo hianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin'ny vatanareo.

Toko faha-7

1 Ny amin'ireo zavatra nosoratanareo tamiko, dia tsara raha tsy mikasi-behivavy ny lehilahy.

2 Mba hanalavirana ny fijangajangana anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny. 3 Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin'ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa. 4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. 5 Aza misara-pandriana hianareo, afa-tsy amin'ny andro sasany ifanekenareo holanina amin'ny fivavahana; rahefa izany, dia miraisa indray fandrao alain'i Satana fanahy hianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena; 6 tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka. 7 Satriko aza manao tahaka ahy avokoa ny olona rehetra; nefa samy manana izay fanomezana manokana nomen'Andriamanitra azy avy moa, ka ny iray toy izao, ny iray kosa toy izany. 8 Izao no lazaiko amin'ny tsy manam-bady sy ny vehivavy maty vady: Tsara aminy ny mitoetra toa ahy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2093