Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-12

12 Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa ny Kristy.

13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na jentily, na andevo na olom-potsy; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra. 14 Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.

15 Raha ny tongotra hanao hoe: Tsy isan'ny vatana aho, satria tsy tànana, dia izany ve no tsy haha-isan'ny vatana azy? 16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Tsy isan'ny vatana aho, satria tsy maso, dia izany ve no tsy haha-isan'ny vatana azy? 17 Raha maso avokoa ny vatana, inona indray no ho fandrenesana? Ary raha fandrenesana avokoa, inona indray no ho fanamboloana? 18 Rantsam-batana maro anefa no efa nalahatr'Andriamanitra eo amin'ny vatana, araka izay itiavany azy avy. 19 Ka raha rantsam-batana iray ihany izy rehetra, aiza izay vatana? 20 Koa maro àry ny rantsam-batana, fa iray ihany ny vatana. 21 Ny maso tsy mahazo manao amin'ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ny loha tsy mahazo milaza amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho. 22 Fa ny rantsam-batana izay miseho ho malemilemy kokoa aza no vao mainka ilaintsika kokoa; 23 ary ny rantsam-batana izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa aza no omentsika voninahitra bebe kokoa. Koa ny tsy misy hajany ao amintsika no hajaintsika kokoa; 24 fa izay mendrika rahateo tsy mila izany. Satria tamin'ny nanaovan'Andriamanitra ny vatana, dia izay kely voninahitra kokoa no nalahany homena voninahitra bebe kokoa, 25 mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny vatana, fa mba hifanasoa avokoa ny rantsam-batana rehetra. 26 Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra. 27 Hianareo no vatan'ny Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

28 Ao amin'ny Eglizy dia izao no nandaharan'Andriamanitra ny sasany: voalohany Apostoly, faharoa mpaminany; fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny. 29 Moa Apostoly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra? 30 Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra? Moa miteny fiteny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra? 31 Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao làlana tsara indrindra hatoroko anareo izao.

Toko faha-13

1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.

2 Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin'ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho. 3 Na dia zaraiko ho an'ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin'ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany. 4 Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;

5 tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po; 6 tsy mifaly noho ny tsy marina ataon'ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; 7 manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. 8 Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato.

9 Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika: 10 ka rahefa tonga ny feno dia foana ny tapany. 11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony olon-dehibe aho dia nialako ny fanahin-jaza. 12 Ankehitriny mizaha ao amin'ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho. 13 Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo.

Toko faha-14

1 Miezaha mitady ny fitiavana; fa maniria koa ny zava-panahy, fa indrindra ny faminaniana.

2 Fa izay miteny amin'ny teny tsy fantatra, dia tsy miteny amin'ny olona fa miteny amin'Andriamanitra, satria tsy misy mahalala izay lazainy, fa fanahy no itenenany zava-miafina. 3 Ary izay maminany kosa, dia miteny amin'ny olona ka mahasoa ny fanahiny, mankahery azy, ary manala alahelo azy. 4 Izay miteny amin'ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany; fa izay maminany kosa dia mahasoa ny Eglizy. 5 Koa tiako ny hitenenanareo rehetra amin'ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko aza ny haminanianareo; satria ny maminany no ambony noho ny miteny amin'ny teny tsy fantatra, afa-tsy raha adika ny teniny, mba hahazoan'ny Eglizy soa. 6 Hevero ange, ry rahalahy: raha mankany aminareo aho, ka fiteny tsy fantatro no itenenako, fa tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana no itenenako aminareo, inona no soa ho vitako aminareo?

7 Raha tsy feo miavakavaka mazava no avoaky ny zavatra tsy manana aina, toy ny sodina na lokanga, ahoana no hahafantatrana izay hira atao, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga? 8 Ary raha feo hafahafa no avoaky ny trompetra, zovy no hioman-kiady? 9 Mba toy izany koa hianareo: raha tsy teny mazava no avoaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahalalana izay lazainareo? Dia hiteny amin'ny rivotra hianareo. 10 Na maro samihafa aza ny fitenin'ny olona amin'izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza. 11 Nefa raha tsy mahalala ny hevitry ny feo aho, dia ho mpiberoberoka foana amiko ilay miteny; ary ho mpiberoberoka foana amin'ilay miteny aho. 12 Koa aoka hianareo izay fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana, mba ny hampandrosoana ny Eglizy no hotadiavinareo hananana be indrindra. 13 Noho izany, aoka izay miteny amin'ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.

14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko no tsy mahazo vokatra. 15 Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin'ny fanahy aho no hivavaka amin'ny saina koa; sady hihira amin'ny fanahy aho no hihira amin'ny saina koa. 16 Fa raha mivavaka amin'ny fanahy fotsiny hianao, hataon'ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly amena ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao? 17 Hianao hahavita fisaorana kanto tokoa, fa ny hafa no tsy hahazo soa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2211