Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-14

18 Misaotra an'Andriamanitra aho, fa miteny amin'ny teny tsy fantatra mihoatra noho hianareo rehetra aho; 19 nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin'ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin'ny teny tsy fantatra. 20 Ry rahalahy, aoka tsy ho zaza amin'ny fisainana hianareo, fa aoka ho zaza amin'ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin'ny fisainana e. 21 Voasoratra ao amin'ny Lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny, sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; ary na dia amin'izany aza, dia mbola tsy hihaino ahy ihany izy, hoy ny Tompo.

22 Koa ny fiteny tsy fantatra àry, dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; ary ny faminaniana kosa no amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino. 23 Raha vory ny mpiangona rehetra, ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra izy rehetra, ary miditra kosa ny tsy mahay sy ny tsy mino, moa tsy holazainy hoe very saina hianareo? 24 Fa raha samy maminany daholo kosa, no miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy, sady hotsarain'izy rehetra; 25 voaseho miharihary ny zava-takona ao am-pony, ka hiankohoka hitsaoka an'Andriamanitra izy, ary hilaza fa eo aminareo tokoa Andriamanitra! 26 Hatao ahoana àry, ry rahalahy? Raha miangona hianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambarana, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikan-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.

27 Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy iray mandika teny. 28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka hangina izy eo amin'ny Eglizy, ka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra. 29 Ary ny amin'ny mpaminany kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny, fa ny sisa kosa hamantatra. 30 Raha misy mahazo fanambarana anefa amin'izay mipetraka, dia aoka hangina ny voalohany; 31 satria mahazo mifandimby maminany hianareo rehetra, mba hahazoan'ny rehetra fianarana sy famporisihana. 32 Ary ny fanahy mampaminany dia zakain'izy mpaminany, 33 satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana. 34 Araka ny fanao amin'ny Eglizin'ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrifin'azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan'ny Lalàna koa izany.

35 Raha misy zavatra sasany tiany hofotorana, dia aoka ho any an-trano izy no hanontany ny lahy; fa mahamenatra raha vehivavy no hiteny ao am-piangonana. 36 Moa hianareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa dia ao aminareo ihany no tongany? 37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na manana ny Fanahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo izay soratako ho anareo, 38 ka raha tsy te-hahalala izy, dia aoka tsy hahalala. 39 Koa amin'izany àry, ry rahalahy, maniria mafy ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra; 40 fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.

Toko faha-15

1 Ampahatsiaroviko anareo, ry rahalahy, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo,

2 ary hahazoanareo famonjena, raha tànanareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana hianareo. 3 Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika ny Kristy, araka ny Soratra Masina; 4 dia nalevina izy, sy nitsangana tamin'ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Sefasy, vao tamin'ny roa ambin'ny folo. 6 Manaraka izany dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby diman-jato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan'ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. 7 Rahefa izany, dia niseho tamin'i Jakoba izy, vao tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana. 9 Fa ambany indrindra amin'ny Apostoly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apostoly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin'Andriamanitra aho; 10 saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11 Koa izany àry no torinay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo. 12 Raha torina ho nitsangana tamin'ny maty àry ny Kristy, ahoana ity ilazàn'ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan'ny maty?

13 Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, na dia ny Kristy aza tsy nitsangana tamin'ny maty; 14 ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty ny Kristy, dia foana ny tori-teninay, foana koa ny finoanareo! 15 Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra, satria tombotomboka foana no nilazanay an'Andriamanitra ho nanangana ny Kristy tamin'ny maty, nefa tsy natsangany izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty. 16 Fa na dia ny Kristy aza dia tsy nitsangana tamin'ny maty, raha tsy mitsangana ny maty. 17 Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, 18 ary very ry zareo nody mandry ao amin'ny Kristy. 19 Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin'ny olon-drehetra, raha amin'ity fiainana ity ihany no anantenantsika ny Kristy. 20 Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry;

21 satria olona iray no nihavian'ny fahafatesan'ny olona ka dia olona iray koa no ihavian'ny fitsanganan'ny maty; 22 ary toy ny ahafatesan'ny olon-drehetra ao amin'i Adama, no hahaveloman'ny olon-drehetra ao amin'ny Kristy, 23 fa manaraka ny laharany avy: ny Kristy no santatra, dia izay an'ny Kristy amin'ny andro hihaviany. 24 Rahefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin'Andriamanitra sy amin'ny Ray ny fanjakana, rahefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. 25 Satria tsy maintsy manjaka izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony. 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony. 27 Ary rahefa nataony hoe: Nampanekena ny zavatra rehetra, dia fantatra mazava fa tsy anisan'izany izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2083