Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-15

28 Koa rahefa nampanekena azy ny zavatra rehetra, na izy Zanaka koa aza dia hanaiky izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra. 29 Raha tsy izany, ahoana ny amin'ireny atao batemy ho an'ny maty ireny? Raha tsy mitsangana velively ny maty, nahoana ireny no atao batemy ho azy?

30 Ary ahoana no dia anaovanay vy very ny ainay mandrakariva? 31 Marina amin'ny reharehako ao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika noho ny aminareo, ry rahalahy, raha tsy isan'andro aho no toa ho faty ihany e! 32 Raha araka izay hevitr'olombelomana fotsiny no niadiako tamin'ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e! 33 Aza mety hofitahina hianareo, fa ny fiarahana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. 34 Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an'Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany. 35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?

36 Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. 37 Ary raha mamafy hianao, tsy ny tenan'izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa; 38 dia vao Andriamanitra no manome tena azy araka izay tiany; samy omeny tena manaraka ny karazany avy ny voa rehetra. 39 Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an'ny olona, hafa ny an'ny biby; hafa ny an'ny vorona, hafa ny an'ny hazandrano.

40 Misy tenan-javatra any an-danitra, misy tenan-javatra etý an-tany, fa hafa noho ny an'ny etý an-tany ny famirapiratry ny tenan-javatra any an-danitra; 41 hafa ny famirapiratry ny masoandro, hafa ny famirapiratry ny volana, hafa ny famirapiratry ny kintana; ary na ny samy kintana aza, samy manana ny famirapirany. 42 Toy izany koa ny fitsanganan'ny maty; mety lò izy no afafy, fa tsy mety lò no atsangana;

43 tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; 44 vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana. Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe: 45 Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. 46 Tsy ny ara-pahany anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. 47 Avy amin'ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin'ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. 48 Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. 49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no nitondrantsika ny endriky ny lanitra koa. 50 Fa izao indrindra no dia lazaiko, ry rahalahy: tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra ny nofo aman-drà, ary tsy handova ny tsy fahalòvana ny fahalòvana.

51 Indro, milaza zava-miafina aminareo aho: tsy hody mandry avokoa isika rehetra, fa hovana isika rehetra. 52 Rahefa maneno ny trompetra farany, fa hotsofina ny trompetra, dia hitsangana miaraka amin'ny vava ny maty tsy ho lò intsony, ary hovàna indray mipy maso monja isika. 53 Fa ity mety lò ity, tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana; ary ity mety maty ity, hitafy ny tsy fahafatesana. 54 Ary rahefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin'izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona.

55 Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? 56 Fa ny fahotana no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin'ny fahotana. 57 Isaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! 58 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, aoka hianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin'ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.

Toko faha-16

1 Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa hianareo, toy ny nasaiko nataon'ny Eglizy rehetra any Galatia.

2 Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro, dia samia hianareo manokan-javatra any an-tranony, sy mandatsa-drakitra araka izay azony atao avy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola rahefa tonga aho. 3 Ka rahefa tonga aho, dia hanendry olona hianareo hampitondraiko taratasy hanatitra ny fiantranareo any Jerosalema. 4 Ary raha mendrika ny fankanesako any aza izany, dia hiaraka amiko izy ireo. 5 Ho any aminareo aho rahefa namaky an'i Masedonia, fa hamaky an'i Masedonia aho.

6 Ary angamba hitoetoetra any aminareo aho, na handany ny ririnina any aza, dia hianareo no hanatitra ahy any amin'izay halehako rehetra any. 7 Tsy dia ny hamangy anareo toy ny mandalo fotsiny no kasaiko amin'ity, fa ny hitoetra elaela no antenaiko, raha sitra-pon'ny Tompo. 8 Hijanona ao Efezy anefa aho, hatramin'ny Pentekoty, 9 satria varavarana lehibe no mivoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. 10 Rahefa tonga atý aminareo Timote, ataovy izay tsy hananany tahotra eo aminareo, fa manao ny asan'ny Tompo toa ahy izy.

11 Koa aoka tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Atero izy ho tonga soa aman-tsara atý amiko, fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho. 12 Ary ny amin'i Apolo rahalahintsika, dia niangavy mafy taminy aho mba hiara-mandeha amin'ny rahalahy sasany hankany aminareo izy, saingy tsy mbola sitrany ny handeha ankehitriny, fa rahefa misy hahafahany dia ho avy ihany izy. 13 Miambena, mahareta amin'ny finoana, misehoa ho lehilahy, ary mahereza fo. 14 Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra. 15 Izao koa no hafatra ataoko aminareo, ry rahalahy: fantatrareo fa ry Stefanasy, dia voaloham-bokatra tany Akaia, sady nanokan-tena hanampy ny olona masina,

16 ka aoka hianareo hanaiky amim-panajana ny olona mendrika toy ireny, sy izay rehetra miara-miasa sy misasatra amin'ny asa toy izany. 17 Faly aho noho ny nahatongavan'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaïko, fa ireo no nanao izay tsy efanareo. 18 Namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy ireo; ka mahaiza manaja ny olona toy ireny. 19 Manao veloma anareo ny Eglizy rehetra atý Asia; manao veloma anareo indrindra ao amin'ny Tompo Akilasy sy Prisila mbamin'ny Eglizy izay ao an-tranony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2194