Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-16

20 Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 21 Izaho Paoly, manao veloma anareo, amin'ny sora-tànako.

22 Raha misy tsy an'i Jesoa-Kristy Tompontsika, dia aoka ho voaozona izy! Maran-Atha (Tamy ny Tompontsika).

23 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompo. 24 Ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa. Amena.

Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko voalohany

1 Paoly Apostolin'i Jesoa-Kristy, noho ny sitra-pon'Andriamanitra, sy Timote rahalahy, mamangy ny Eglizin'Andriamanitra izay any Korinto, mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia manontolo:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, sy Rain'ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,

4 izay manafaka alahelo anay amin'ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin'ny fanalana alahelo noraisinay taminy. 5 Fa araka ny haben'ny fijalian'ny Kristy mihatra aminay no haben'ny fanalana alahelo azonay amin'ny alalan'ny Kristy koa. 6 Raha azom-pahoriana izahay, dia ho fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alana alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany. 7 Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin'ny fahoriana no hiombonanareo amin'ny fanalana alahelo koa. 8 Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana nanjò anay tany Asia, fa novesarana tsy eran'ny aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampo izay ho velona intsony;

9 fa toa efa renay ao amin'ny tenanay ny didim-pahafatesana mba tsy hitokianay amin'ny tenanay intsony, fa amin'Andriamanitra izay manangana ny maty. 10 Izy no nanafaka anay tamin'izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa, 11 indrindra fa raha manampy anay amin'ny fivavahana koa hianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy. 12 Fa izao no voninahitray: ny konsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan'Andriamanitra, ary tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena tamin'izao tontolo izao, fa indrindra taminareo.

13 Izay vakinareo sy fantatrareo tsara ihany no soratanay aminareo; ary manantena aho fa ho fantatrareo hatramin'ny farany 14 (sady maro aza no efa mahalala anay tsara; fa izahay moa voninahitrareo, hianareo koa ho voninahitray toy izany, amin'ny andron'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 15 Noho izany fahatokiana izany, tao aloha dia nikasa hankaty aminareo aho mba hahazoanareo soa indroa:

16 hihazo any aminareo aho aloha rahefa mankany Masedonia, ary ho any aminareo indray rahefa miverina avy any, dia hianareo no hanatitra ahy any Jodea. 17 Ka moa niovaova hevitra foana va aho raha nanao izany hevitra izany? Sa araka ny nofo no anaovako fikasana, ka dia misy "eny" sy "tsia" ato amiko? 18 Araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha-"eny" sy "tsia" ny teninay taminareo. 19 Satria ny Zanak'Andriamanitra dia Kristy Jesoa, izay notorinay sy Silvano ary Timote taminareo, tsy nisy "eny" sy "tsia", fa "eny" ihany no tao aminy. 20 Fa na firy na firy fampanantenana avy amin'Andriamanitra, dia tao amin'i Jesoa ihany ny "eny", ka dia amin'ny alalany sy amin'ny asanay koa no anaovana "Amena", mba ho voninahitr'Andriamanitra. 21 Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin'ny Kristy, fa Andriamanitra, izay naha-voahosotra antsika, 22 sy nanisy tombo-kase antsika koa, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika. 23 Ary mianiana amin'ny fanahiko aho, sy miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona fa fitsitsiako anareo no mbola tsy nankanesako aty Korinto indray; 24 tsy dia hoe hanao jàdona amin'ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara hianareo.

Toko faha-2

1 Ny tsy hiverina indray any aminareo amin'alahelo àry no hevitra tapaka tao am-poko;

2 satria raha mampalahelo anareo aho, iza indray àry no hampifaly ahy, afa-tsy izay nampalaheloviko ihany? 3 Hany antony nanoratako toy izany taminareo, dia ny mba tsy hahazoako alahelo amin'ireo tokony hifaliako, rahefa tonga aho, satria matoky anareo rehetra aho fa raisinareo ho fifalianareo rehetra koa ny fifaliako. 4 Eny, tamim-pahoriana lehibe, sy tamin'alahelo nahahontsa ny foko, ary tamin-dranomaso be no nanoratako taminareo, tsy ny mba hampalahelo anareo anefa, fa ny mba hahafantaranareo ny haben'ny fitiavako anareo. 5 Raha nisy nahatonga alahelo, dia tsy izaho no nampalaheloviny, fa hianareo rehetra no mba nisy nampalahelovany anareo ihany (tsy te-hamely azy mafy loatra aho).

6 Ampy ho an'izany olona izany ny famaizana efa nataon'ny maro aminareo, 7 ka dia ny mamela sy mampifaly azy aza no tokony hataonareo izao, fandrao dia reraky ny alahelo tafahoatra indray izy. 8 Koa mihanta aminareo aho mba ho amim-pitiavana lehibe no handraisanareo azy. 9 Izaho no manoratra aminareo koa anie, dia ny mba hitsapako anareo, na hanaiky ahy amin'ny zavatra rehetra hianareo na tsia e. 10 Izay avelanareo heloka dia avelako koa; fa raha ny amiko, izay heloka navelako, raha mba nisy navelako, dia noho ny aminareo, sy teo imason'ny Kristy no namelako azy, 11 mba tsy ho voan'ny teti-dratsin'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny. 12 Nony tonga tany Troasy hitory ny Evanjelin'ny Kristy aho, na dia novohana varavarana tao amin'ny Tompo aza,

13 dia tsy nandry ny fanahiko, satria tsy hitako tao Tito rahalahiko; ka nanao veloma ny olona aho, dia lasa nankany Masedonia. 14 Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin'ny Kristy Jesoa, sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.

15 Fa hanitry ny Kristy ho an'Andriamanitra izahay, na amin'izay voavonjy, na amin'izay very: amin'ny sasany moa, fofom-pahafatesana hahafaty; fa amin'ny sasany kosa, fofom-piainana hahavelona. 16 Zovy àry no tandrifiny hahavita asa toy izany? 17 Fa tsy mba toy ny sasany izay mampifaho ny tenin'Andriamanitra izahay, fa tsy misy famahony sy araka ny nanomezan'Andriamanitra azy no itorianay azy eo anatrehan'Andriamanitra, ao amin'ny Kristy.

Toko faha-3

1 Moa midera tena indray va izahay? Sa mila taratasy tahaka ny sasany filazan-tsoa anay na ho any aminareo, na avy any aminareo?

2 Hianareo no taratasinay voasoratra ato am-ponay, sady fantatra sy vakin'ny olon-drehetra. 3 Eny, miseho miharihary fa hianareo no taratasin'ny Kristy, nampanoratiny anay, tsy tamin'ny ranomainty, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona; ary tsy tamin'ny takela-bato fisaka, fa tamin'ny takela-nofo kosa, dia ny fonareo izany. 4 Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin'ny alalan'ny Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1795