Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-3

5 Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin'ny tenanay; Andriamanitra ihany no ihavian'ny fahampiany. 6 Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin'ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin'ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin'ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona. 7 Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin'ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan'i Moizy ny zanak'Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,

8 tsy mainka va fa ny fandraharaham-panahy no hohodidinim-boninahitra? 9 Eny, raha ny fandraharahana ny fanamelohana aza nisy voninahitra, dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana; 10 ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an'ilay voalohany, raha oharina amin'ny an'ity ankehitriny ambony lavitra. 11 Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra ity maharitra. 12 Noho izahay manana izany fanantenana izany àry, dia sahy tokoa izahay,

13 ka tsy mba manao tahaka an'i Moizy izay nanarona ny tavany mba tsy hahitan'ny zanak'Israely tao aminy ny hahataperan'ny fandraharahana mandalo. 14 Fa toa nihajamba ny sain'izy ireo, satria mandraka ankehitriny dia tsy nesorina taminy, fa mbola ao ihany, izany saron-tava izany raha mamaky ny tenin'ny fanekena taloha izy, fa ao amin'ny Kristy ihany moa no anesorana izany. 15 Mandraka ankehitriny, isaky ny vakina ny tenin'i Moizy, dia toa misy sarona manarona ny fon'izy ireo; 16 fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona. 17 Ary tsy iza izany fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran'ny fanahin'ny Tompo no misy ny fahafahana. 18 Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra; sady ovain'izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.

Toko faha-4

1 Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindram-po natao taminay;

2 sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin'Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian'ny olon-drehetra eo anatrehan'Andriamanitra izahay. 3 Matoa misy miafina ny Evanjelinay, dia amin'izay manary tena no iafenany, 4 izany hoe amin'ireo tsy mino nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao mba tsy hiposahan'ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin'ny Kristy, izay endrik'Andriamanitra. 5 Fa tsy tenanay no torinay, fa Kristy Jesoa Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin'i Jesoa. 6 Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: Aoka ny maizina no hiposahan'ny mazava, no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra, izay mitaratra amin'ny tavan'ny Kristy. 7 Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin'Andriamanitra ny halehiben'ny herin'ny Evanjely, fa tsy avy aminay.

8 Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorina, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; 10 entinay amin'ny vatanay lalandava ny fahafatesan'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny vatanay koa. 11 Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny nofonay mety maty. 12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Noho izahay manana ilay Fanahin'ny finoana voasoratra hoe: Nino aho, ka niteny, dia mino koa izahay, ka miteny.

14 Satria fantatray fa izay nanangana an'i Jesoa Tompo tamin'ny maty, dia hanangana anay miaraka amin'i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. 15 Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran'ny maro ho voninahitr'Andriamanitra. 16 Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan'andro kosa ny tenanay anatiny. 17 Fa ho anay, ny fahoriana kely amin'ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; 18 fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

Toko faha-5

1 Fantatray fa rahefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tànan'olona, fa narafitr'Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.

2 Koa misento ao anatin'ity izahay, fa maniry mafy hitafy ny tranonay avy any an-danitra, 3 raha mbola hita mitafy anefa izahay, fa tsy mitanjaka. 4 Satria raha mbola amin'ity trano lay ity koa izahay, dia misento, fa maniry ny tsy hoendahana, fa hitafy ny hafa koa ambonin'ity, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty. 5 Ary tsy iza no namboatra antsika ho amin'izany, fa Andriamanitra izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy ihany. 6 Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin'ny vatana koa

7 (satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana), 8 dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin'ny vatana, mba hitoetra eo akaikin'ny Tompo. 9 Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahan'ny Tompo, na mitoetra amin'ny vatana izahay na miala aminy. 10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin'ny fitsaran'ny Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin'ny asantsika fony mbola tao amin'ny vatana, na soa na ratsy izany. 11 Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary hianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin'ny konsiansinareo.

12 Tsy midera tena aminareo izahay, fa manome anareo izay ho azonareo hararaotina mba hireharehanareo ny aminay, sy hahazoanareo mamaly izay mitady voninahitra amin'ny fisehoana fotsiny, fa tsy amin'ny ao am-po; 13 dia izao: very saina moa izahay, ho an'Andriamanitra; mitombin-tsaina kosa indray, ho anareo. 14 Fa terin'ny fitiavan'ny Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an'ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; 15 ary maty ho an'ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay maty sy nitsangana ho azy ireo. 16 Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala ny Kristy araka ny nofo aza izahay; dia tsy araka izany intsony no ahalalanay azy ankehitriny.

17 Noho izany, na iza na iza ao amin'ny Kristy, dia zava-boary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. 18 Ary tsy iza no nihavian'izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1803