Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-5

19 satria Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray, tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, ka tsy nitana ny fahotan'ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. 20 Koa sady solon'ny Kristy àry izahay no irak'Andriamanitra koa, ka tahaka an'Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan'ny Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin'Andriamanitra hianareo! 21 Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy isika!

Toko faha-6

1 Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan'Andriamanitra hianareo;

2 fa hoy izy: Tamin'ny fotoana tsara, nihaino anao aho; ary tamin'ny androm-pamonjena, namonjy anao aho: indro, ankehitriny no fotoana tsara; indro, ankehitriny no androm-pamonjena 3 sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinina ny fandraharahanay, 4 fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin'ny mpandraharahan'Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, 5 amin'ny kapoka, amin'ny tranomaizina, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny fiaretan-tory, amin'ny fifadian-kanina; 6 ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, 7 tory teny marina, ny herin'Andriamanitra, ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny an-kavanana na amin'ny an-kavia; 8 na omem-boninahitra na alam-baraka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara; 9 sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory; 10 ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra. 11 Ry Korintiana ô! misokatra aminareo ny vavanay, ary malalaka koa ny fonay.

12 Ny ato anatinay tsy mba ety ho anareo, fa ny ao am-ponareo no netenareo, 13 ka mbà mamaly toy izany, fa zanaka no itenenako anareo: mba halalaho koa ny fonareo. 14 Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin'ny tsy mpino hianareo; satria, inona moa no ikambanan'ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan'ny mazava sy ny maizina?

15 Ary inona no ifanarahan'ny Kristy sy Beliala? Na inona no iombonan'ny mpino amin'ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan'ny tempolin'Andriamanitra sy ny sampy? 16 Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny lazain'izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy aho, ary handeha eo aminy; dia izaho no ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ho vahoakako. 17 Noho izany hoy ny Tompo, mialà aminy hianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto; 18 dia horaisiko hianareo, ka izaho ho Rainareo, ary hianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.

Toko faha-7

1 Noho isika manana ireo teny fampanantenana ireo àry, ry malala, dia aoka isika hanadio tena ho afaka amin'ny lotom-panahy amam-batana rehetra, ary hanatanteraka ny fanamasinan-tena amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

2 Ataovy omby anay ny fonareo. Fa izahay tsy nanisy ratsy olona, na nanimba olona, na nanambaka olona, na iza na iza.

3 Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany, fa vao eo aho no nilaza fa ao am-ponay hianareo, ka miara-maty sy miara-belona isika. 4 Hianareo no itokisako indrindra, hianareo no reharehako lehibe; ka feno fanalana alahelo aho, ary vonton-kafaliana tokoa, na dia ao anatin'ny fahorianay rehetra aza. 5 Fa hatramin'ny nahatongavanay tany Masedonia, dia tsy nisy hiainan'ny nofonay, fa nozoin'izao fahoriana rehetra izao izahay: dia ady teo ivelany, sy tahotra tato anatiny. 6 Nefa kosa, Andriamanitra ilay mpanafaka alahelo ny ory dia nanafaka alahelo anay tamin'ny nahatongavan'i Tito, 7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fanalana alahelo azony taminareo koa, satria notantarainy taminay ny fanirianareo, ny fitomanianareo, ary ny fitiavanareo ahy, ka hafaliana moa izany no ahy tamin'izany! 8 Koa na dia nampalahelo anareo tamin'ny taratasiko aza aho, dia tsy manenina amin'izany intsony, na dia efa nanenina ihany aza; fantatro fa nampalahelo anareo vetivety iihany tokoa izany taratasy izany,

9 nefa faly aho ankehitriny, tsy noho hianareo nalahelo, fa noho ny alahelonareo nampibebaka anareo; satria alahelo araka an'Andriamanitra ny anareo, ka tsy faty antoka ho anareo avy aminay izany na dia kely aza: 10 fa ny alahelo araka an'Andriamanitra dia miasa fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana; fa ny alahelon'izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana. 11 Ary akory izato vokatr'izany alahelonareo araka an'Andriamanitra izany! Fa he izato fahazotoana tongany aminareo! endrey izany fanamarinana ny tenanareo! Eny, fahatezerana re izany! tahotra re izany! faniriana re izany! zotom-po re izany! famaizana re izany! Fatratra mihitsy ny nampisehoanareo fa nadio hianareo ny amin'izany raharaha izany! 12 Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nanisy ratsy, na noho ilay nasian-dratsy, fa ny mba hihariharian'ny fahazotoanareo hahafa-po anay eo anatrehan'Andriamanitra. 13 Dia izany àry no nanafaka alahelo anay. Sady vao mainka niampy indray izany fanalana alahelo izany, noho ny hafalianay nandre ny hafalian'i Tito, fa namelombelona ny fanahiny hianareo rehetra. 14 Ary na mba nirehareha ny aminareo eo anatrehan'i Tito koa aza aho, dia tsy nahamenatra ahy izany, satria noho izahay samy nilaza ny marina taminareo mandrakariva, dia marina ny reharehako ny aminareo tamin'i Tito. 15 Ary raha mahatsiahy ny nanekenareo azy izy, sy ny nandraisanareo azy tamin-tahotra aman-kovitra lehibe, dia vao mainka tsaroany miraikitra mafy aminareo ny fony. 16 Faly aho, fa mahazo matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.

Toko faha-8

1 Mampandre anareo izahay, ry rahalahy, fa izao no fahasoavan'Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedonia.

2 Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsoram-po izy. 3 Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany, eny mihoatra noho izay zakany aza, 4 fa niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin'izany fanampiana ny olo-masina izany. 5 Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin'ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra. 6 Izany no niangavianay an'i Tito mba hanatanteraka izany fahasoavana izany aty aminareo, noho izy efa nanomboka izany rahateo. 7 Aoka ho araka ny fahambonianareo amin'ny zavatra rehetra, dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana na amin'inona na amin'inona, ary amin'ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin'ity fahasoavam-piantrana ity.

8 Tsy didy omeko anefa izany, fa fanararaotako ny zotom-pon'ny sasany hoenti-mitsapa ny hamarinan'ny fitiavanareo. 9 Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin'ny fahantrany. 10 Torohevitra fotsiny no omeko etoana, ary ampy anareo izany, satria hianareo ihany no voalohany nanomboka sy namorona ity hevitra ity aza, hatramin'ny taon'itsy. 11 Koa tanteraho àry ny asa ankehitriny, ary aoka tsy ho latsaka noho ny hafanam-ponareo nikasa azy ny fanatanterahanareo azy araka izay anananareo. 12 Fa rahefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao. 13 Satria tsy mety raha ny sasany, alam-pahoriana, hianareo, tra-pahoriana; fa ny fitoviana ihany e.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.175