Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-8

14 Amin'izao fotoana izao aloha, ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin'izy ireo; dia toy izany koa, ny ambim-bavan'izy ireo no hameno ny tsy anananareo kosa; ary amin'izany dia hisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe: 15 Ny nanangona be tsy nanana ambiny; ny nanangona kely, tsy nanan-tsy ampy. 16 Isaorana anie Andriamanitra, fa nalatsany ao am-pon'i Tito koa ho anareo izany fahazotoana izany;

17 satria sady nanaiky ny fiangavianay izy no nazoto rahateo koa; ka an-tsitrapo tokoa no nankanesany any aminareo. 18 Sady nirahinay hiaraka aminy koa ilay rahalahy izay malaza amin'ny Eglizy rehetra amin'ny fitoriana ny Evanjely, 19 sy efa voatendrin'ny Eglizy koa hiray dia aminay amin'izao fahasoavana iasanay izao, mba ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay. 20 Izahay no manao izany koa, dia ny mba tsy hahazoan'ny olona manome tsiny anay amin'izao famoriam-be ikezahanay izao, 21 satria tsy ny soa eo imason'Andriamanitra ihany no kendrenay, fa ny soa eo imason'ny olombelona koa. 22 Nalefanay hiaraka amin'izy ireo koa aza ilay rahalahinay izay efa hitanay matetika fa mazoto amin'ny zavatra maro, sady vao mainka mazoto kokoa indray amin'izao, noho ny haben'ny fitokiany anareo. 23 Raha ny amin'i Tito aloha, dia namako sy mpiara-miasa amiko ho anareo izy; ary ny amin'ireo rahalahy kosa indray, dia iraky ny Eglizy sy voninahitry ny Kristy. 24 Koa asehoy aminy eo anatrehan'ny Eglizy ny mariky ny fitiavanareo azy, ary aza manome tondro maso anay, fa voalazanay tamin'izy ireo ho reharehanay hianareo.

Toko faha-9

1 Raha ny amin'ny fiantrana ho an'ny olo-masina, dia ambiny fotsiny no anoratako aminareo,

2 fa efa fantatro rahateo ny zotom-ponareo, ary ataoko rehareha aza ny aminareo amin'ny Masedoniana: efa vonona hatramin'ny taon'itsy Akaia, hoy ny filazako tamin'izy ireo; ka efa namporisika ny maro izany fahazotoanareo izany. 3 Nirahiko ihany anefa ireo rahalahy ireo, mba tsy ho foana ny reharehako ny aminareo amin'izany, fa mba ho vonona araka ny efa voalazako tokoa hianareo. 4 Tandremo fa raha misy Masedoniana miara-tonga amiko anie, ka mahita anareo mbola tsy vonona, dia henatra lehibe no ahy e - aoka ihany tsy hatao hoe ho anareo, - noho izao fitokiako fatratra anareo izao! 5 Koa nataoko fa ilaina ny nangataka ireo rahalahy hialoha anay ho aty aminareo, mba hampamonona rahateo ny fiantrana nampanantenainareo, sady haha-tena fiantrana azy tokoa, fa tsy fihihirana. 6 Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.

7 Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin'alahelo na an-tery, fa ny manome an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra. 8 Hain'Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra hianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin'ny asa soa isan-karazany,

9 araka ny voasoratra hoe: Namafy tamin'ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany. 10 Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo; 11 dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an'Andriamanitra noho ny asany no ho vokatr'izany. 12 Satria ny fanaovana izany asa masina izany, dia sady hahatondraka izay ilain'ny olo-masina no hahabe ny fisaorana an'Andriamanitra koa. 13 Eny, ho hitan'ny maro amin'izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa hianareo, ka hankalaza an'Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin'ny Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin'ny soanareo. 14 Ary hivavaka ho anareo koa izy, fa tia sy mankamamy anareo erĂ½, noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra ao aminareo. 15 Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy haim-bava lazaina.

Toko faha-10

1 Ary ny tenako, izaho Paoly, mihanta aminareo noho ny halemem-panahy sy ny hatsaram-pon'ny Kristy, dia izaho izay manetry tena aminareo, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa nony tsy eo.

2 Aoka re aho mba tsy ho voatery ho sahy tokoa rahefa tonga; fa lalina loatra anie izato fikasako hanampatra fahasahiana amin'ny olona sasany izato e, dia amin'ireo manao anay ho mandeha ara-batana! 3 Na dia mandeha anatin'ny vatana aza izahay, dia tsy miady ara-batana; 4 satria tsy fiadiana ara-batana no iadianay, fa mahery araka an'Andriamanitra handrava manda. 5 Ravanay ny fisainan'olombelona mbamin'ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra; ary baboinay hanaiky ny Kristy ny hevitra rehetra. 6 Vonon-kamay ny tsy mpanaiky rehetra izahay, rahefa tontosa ny fanekenareo. 7 Dinihonareo tsara izay hitan'ny masonareo. Raha misy manao azy ho an'ny Kristy, aoka izy handinika ao am-pony fa tahaka ny maha-an'ny Kristy azy no maha-an'ny Kristy anay koa;

8 ary na dia mbola hireharehako bebe ihany aza ny fahefana nomen'ny Kristy anay, tsy hanonganana anareo, fa hananganana anareo, dia tsy hahazo henatra amin'izany aho. 9 Tsy te-hiseho ho toy ny olona te-hampatahotra anareo foana amin'ny taratasy aho; 10 fa ny taratasiny hoy ny olona, no mavesatra sy mahery; kanjo nony tonga tokoa izy, ny tenany malemy foana; ny teniny tsinontsinona; 11 ka aoka izay olona miteny izany hahalala tsara fa ho sahala amin'ny teninay an-taratasy ihany, raha tsy eo izahay, ny asanay rahefa tonga izahay. 12 Izahay tsy mba sahy mampitovy na mampitaha ny tenanay amin-dry zareo sasany midera tena; satria hadalana mihitsy ny azy manohatra ny tenany amin'ny tenany, sy mampitaha ny tenany amin'ny tenany.

13 Izahay kosa tsy mba mirehareha diso ohatra, fa araka ny ohatra voafetra nofaritan'Andriamanitra ho anjara hiasanay ihany, dia ny ohatra noferany nahatongavany anay hatrany aminareo; 14 fa tsy mihoatra ny faritry ny anjaranay izahay, hoatra ny raha tsy tonga hatrany aminareo, fa tonga hatrany aminareo tokoa izahay tamin'ny Evanjelin'ny Kristy. 15 Tsy mirehareha ivelan'ny ohatra izahay, ka hirehareha amin'izay nisasaran'ny sasany: fa izao no antenainay: rahefa mitombo ny finoanareo, dia hitombo ao aminareo hatrany hatrany izahay, araka ny voafaritra ho anjaranay; 16 ka hitory ny Evanjely any an-koatry ny faritaninareo koa aza amin'izany; nefa tsy hihoatra any amin'ny anjaran'ny sasany, ka hirehareha amin'ny asan'ny sasany. 17 Izao ihany e: izay mirehareha, aoka hirehareha ao amin'ny Tompo, satria tsy izay midera tena, fa izay derain'ny Tompo, no tena olona voazaha toetra.

Toko faha-11

1 Enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko hianareo! Eny, mahay mandefitra ahy tokoa hianareo.

2 Manana fahasaropiaron'Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofom-badin'ny lehilahy anankiray hianareo, dia ny Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio. 3 Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin'ny Kristy, toy ny namitahan'ny bibilava an'i Eva tamin'ny hafetsen-dratsiny. 4 Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na hianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy. 5 Fa angaha misy maha-latsa-danja ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo? 6 Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa, araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin'ny zavatra rehetra. 7 Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo, ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1738