Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-13

4 Fa nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana aza izy noho ny fahalemena, dia velona kosa izao noho ny herin'Andriamanitra. Toy izany koa izahay, na dia malemy ao aminy aza, dia hiara-belona aminy koa; ka hahery ao aminareo, noho ny herin'Andriamanitra. 5 Diniho ny tenanareo na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; tsapao ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va, fa ao amin'ny tenanareo Jesoa-Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra hianareo?

6 Manantena aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo tokoa fa olona voazaha toetra izahay. 7 Ary mangataka amin'Andriamanitra izahay, mba tsy hanao ratsy na inona na inona hianareo; tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho heverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay. 8 Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa ny hampandroso ny marina ihany. 9 Hafaliana ho anay, raha izahay no malemy, fa hianareo kosa no mahery; àry izao indrindra aza no angatahinay amin'ny fivavahanay, dia ny hahatongavanareo amin'ny fara fahalavorariana. 10 Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny tsy mbola eo aminareo aho, fandrao dia voatery hanao mafy loatra aho, rahefa tonga, noho ny fahefana nomen'ny Tompo ahy, ho fananganana fa tsy ho fandravana. 11 Farany, ry rahalahy, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.

12 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olo-masina rehetra. 13 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompo, sy ny fitiavan'Andriamanitra, ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina!

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko voalohany

1 Paoly Apostoly, tsy avy amin'olombelona, na avy amin'ny alalan'ny olombelona, fa avy amin'i Jesoa-Kristy sy Andriamanitra Ray izay nanangana azy tamin'ny maty,

2 mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny Eglizy rehetra aty Galatia: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy Jesoa-Kristy Tompontsika, 4 izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin'izao andro ratsy izao, araka ny lahatr'Andriamanitra Raintsika. 5 Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amena. 6 Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao hianareo, ka ilay niantso anareo ho amin'ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.

7 Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin'ny Kristy ihany no tadiavin'ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! 8 Fa na ny tenanay, na anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. 9 Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy. 10 Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin'olombelona koa aho, dia tsy mpanompon'ny Kristy akory. 11 Ampafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin'olombelona;

12 fa tsy tamin'olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin'ny fanambaran'i Jesoa-Kristy. 13 Efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan'ny Jody, fa nanenjika fatratra ny Eglizin'Andriamanitra sy nandrava azy aho; 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko aho, sady fatra-pitàna ny lovan-tsofina avy amin'ny razako. 15 Nefa, nony sitrak'Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin'ny fahasoavany,

16 ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako azy any amin'ny jentily, niaraka tamin'izay, dia tsy naka hevitra tamin'ny nofo aman-drà aho, 17 na niakatra tany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly talohako akory, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasa indray. 18 Efa telo taona taty aorian'izany, vao niakatra hamangy an'i Piera tany Jerosalema aho, sy nitoetra tao aminy tapa-bolana. 19 Fa ny Apostoly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba rahalahin'ny Tompo ihany. 20 Izao zavatra lazaiko soratako aminareo izao anie, dia lazaiko marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa tsy mandainga aho! 21 Taorian'izany dia nankany amin'ny faritanin'i Siria sy Silisia aho.

22 Tsy mbola nisy nahita tava ahy akory ny Eglizy rehetra tany Jodea ao amin'ny Kristy; 23 fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe: Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny, mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha. 24 Ka dia ny mankalaza an'Andriamanitra noho ny amiko no nataony.

Toko faha-2

1 Efatra ambin'ny folo taona taorian'izany, dia niakatra tany Jerosalema indray aho; Barnabe niaraka tamiko, Tito nentiko koa.

2 Fanambarana azoko no niakarako tany; ka nasehoko tamin'izy ireo, indrindra fa tamin'ireo nanan-kaja kokoa, ny Evanjely toriko any amin'ny jentily, hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana. 3 Fa na dia i Tito izay niaraka tamiko sy olona jentily aza, dia tsy noterena hoforana; 4 ary ny anton'izany, dia satria nisy rahalahy sandoka sasany nampidirina an-tsokosoko sy niditra mangingina, hitsikilo ny fahafahana ananantsika ao amin'ny Kristy Jesoa, mba hanandevozany antsika. 5 Tsy nety nanaraka ny hevitr'izy ireo mihitsy anefa izahay, na dia tapak'andro kely aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny Evanjely eo aminareo. 6 Ny amin'ireo nanan-kaja kosa, na ahoana na ahoana halehibeny, dia tsy mampaninona ahy izany, fa Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona, ka tsy nandidy na inona na inona tamiko ireo olona nanan-kaja ireo. 7 Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an'ny tsy voafora, tahaka an'i Piera ho an'ny voafora, 8 satria izay niasa tamin'i Piera haha-Apostoly azy amin'ny voafora ihany no niasa tamiko koa haha-Apostoly ahy ho an'ny jentily, 9 sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tànana anay sy Barnabe no nataon'i Jakoba sy Sefasy ary Joany, izay natao ho andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin'ny jentily, fa izy ireo kosa ho any amin'ny voafora. 10 Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra; ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany. 11 Nony tonga tany Antiokia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao, fa hita fa nanan-tsiny izy.

12 Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentily ihany izy; kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka, fa natahotra an-dry zareo voafora. 13 Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa, ka voatarik'izany hatramin'ny tenan'i Barnabe. 14 Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny Evanjely izy ireo, dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan'ny olona rehetra teo hoe: Koa hianao Jody aza re, nanaraka ny fomban'ny jentily, fa tsy ny an'ny Jody; ka ahoana no dia ahasahianao manery ny jentily hanaraka ny fomban'ny Jody?

15 Taranaky ny Jody isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentily; 16 nefa nony fantatsika fa tsy ny asan'ny Lalàna no anamarinana ny olona, fa ny finoana an'i Jesoa-Kristy, dia mba nino an'ny Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin'ny finoana azy, fa tsy amin'ny asan'ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny Lalàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2421