Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-2

17 Fa raha ilay mitady hohamarinina ao amin'ny Kristy iny isika no amin'izay ny tenantsika aza no hita mpanota, dia ho mpandraharahan'ny ota àry ny Kristy? Sanatria izany! 18 Fa raha izay noravako no atsangako indray, dia miampanga tena ho mpandika mihitsy aho, 19 satria noho ny Lalàna no nahafatesako ny amin'ny Lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho. Niara-nofantsihana tamin'ny Kristy teo amin'ny hazo fijaliana aho, 20 ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa ny Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin'ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, ilay efa tia ahy, sy nanolo-tena hamonjy ahy. 21 Amin'izany dia tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha ohatra ka avy amin'ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana ny Kristy.

Toko faha-3

1 Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo Jesoa mifantsika!

2 Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo: ny asan'ny Lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana? 3 Ahoana no dia mahakely saina anareo loatra toy izany, fa nanomboka tamin'ny fanahy hianareo, ka dia hiafara amin'ny nofo indray ve? 4 Dia ho nahafantatra foana zava-mahagaga toy izany va hianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa! 5 Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo, amin'ny asan'ny Lalàna va no anaovany an'izany, sa amin'ny fihainoana ny finoana? 6 Izany tokoa no ilay voasoratra hoe: Nino an'Andriamanitra i Abrahama, ka dia notanana ho fahamarinany izany.

7 Koa fantaro àry fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama. 8 Ary tsinjon'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin'i Abrahama izy, nanao hoe: Aminao no hanaovan'Andriamanitra ny firenena rehetra. 9 Dia miara-kasoavina amin'i Abrahama mpino amin'izany, izay amin'ny finoana. 10 Fa izay miankina amin'ny asan'ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny Lalàna. 11 Sady hita miharihary raha ny hoe tsy misy olona hamarinina amin'ny Lalàna eo anatrehan'Andriamanitra, satria amin'ny finoana no hiveloman'ny marina. 12 Ary ny Lalàna dia tsy amin'ny finoana, fa amin'ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy. 13 Nanafaka antsika tamin'ny ozon'ny Lalàna anefa ny Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo, 14 mba ho tonga amin'ny jentily, ao amin'ny Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an'i Abrahama; dia horaisintsika amin'ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy. 15 Ry rahalahy, miteny araka ny fanaon'ny olona aho; na ny fanekena ataon'ny olona fotsiny aza, rahefa vita mafy, dia tsy azon'olona foanana na ovana.

16 Ary ilay fampanantenana natao tamin'i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranako, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe ny Kristy, 17 dia izao, hoy aho: fanekena mafy efa nataon'Andriamanitra izany, ka raha izay Lalàna natao telopolo amby efa-jato taona taty aoriana, dia tsy mahafoana izany, na mahafoana ny teny fampanantenana. 18 Fa raha ho avy amin'ny Lalàna ny lova, dia tsy ho avy amin'ny teny fampanantenana intsony, nefa teny fampanantenana no nataon'Ándriamanitra tamin'i Abrahama hahazoana izany fahasoavana izany. 19 Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-pihavin'ilay taranaka nanaovana ny fampanantenana: anjely no namoaka azy teo an-tànan'ny mpanalalana anankiray.

20 Ka izany hoe mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra kosa no irery. 21 Manohitra ny fampanantenan'Andriamanitra va àry ny Lalàna? Sanatria izany. Saingy raha Lalàna afaka nahavelona no nomena, dia ny Lalàna ihany no ho nihavian'ny fahamarinana. 22 Fa nohidian'ny Soratra Masina tao amin'ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an'i Jesoa-Kristy no hahazoan'izay mino, ny fampanantenana. 23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan'ny Lalàna isika, mba ho amin'ny finoana izay efa haseho aty aoriana. 24 Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaiza nitarika antsika ho amin'ny Kristy, mba hohamarinina amin'ny finoana isika.

25 Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika; 26 fa efa zanak'Andriamanitra amin'ny finoana ao amin'i Jesoa-Kristy hianareo rehetra. 27 Satria hianareo rehetra natao batemy ho an'ny Kristy, dia nitafy ny Kristy avokoa. 28 Ka tsy misy Jody na jentily intsony; tsy misy andevo na tsy andevo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany hianareo rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa. 29 Ary raha an'ny Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama tahaka azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.

Toko faha-4

1 Ary izao, hoy aho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy hafa noho ny mpanompo, na dia izy aza no tompon'ny zavatra rehetra;

2 fa fehezin'ny mpitaiza sy ny mpitandrina azy izy, mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3 Toy izany koa isika: fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao isika; 4 fa rahefa feno ny andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin'ny Lalàna, 5 mba hanafaka izay teo ambanin'ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka. 6 Ary noho ny maha-zanaka anareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ao anatin'ny fonareo ny Fanahin'ny Zanany, ka miantso hoe: Aba, Ray! 7 Koa tsy mpanompo intsony àry hianareo, fa zanaka, ary rahefa zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon'Andriamanitra. 8 Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an'Andriamanitra hianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa.

9 Fa ankehitriny kosa efa nahalala an'Andriamanitra hianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina? 10 Mbola manaraka tonon'andro amam-bolana, ary taona amam-potoana hianareo! 11 Matahotra aho ny aminareo, fa sao dia sasa-poana taminareo. 12 Mihanta aminareo aho, ry rahalahy, aoka ho tahaka ahy hianareo, fa izaho koa mba efa tahaka anareo ihany. Tsy naninon-tsy naninona ahy akory hianareo.

13 Fony aho vao nitory voalohany ny Evanjely tany aminareo, dia hitanareo ny halemen'ny nofoko, ary tonga fakam-panahy ho anareo izany; 14 nefa tsy mba naneso na nihataka tamin'izany hianareo, fa vao mainka koa nandray ahy toy ny anjelin'Andriamanitra na tahaka ny Kristy Jesoa aza. 15 Koa lasa nankaiza àry ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Fa izaho no vavolombelonareo fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza, dia ho nombotanareo homena ahy fahizany. 16 Sa dia tonga fahavalonareo indray aho, fa nilaza ny marina taminareo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2682