Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-4

17 Tsy rariny ny ataon-dry zareo mila fitia aminareo, fa tadiaviny hihataka aminay hianareo, mba hiraiketanareo aminy kosa. 18 Tsara izany ilan'olona fitia, raha amin'ny zavatra tsara, mandrakariva anefa fa tsy hoe raha eo aminareo ihany aho. 19 Anaka, aminareo aho dia mijaly hoatra ny mihetsi-jaza indray, mandra-paharin'ny Kristy ao anatinareo. 20 Endrey izany faniriako ho eo aminareo ankehitriny, sy hanova ny feoko, fa mahasanganehana ahy loatra ny aminareo. 21 Etsy ange, hianareo izay te-ho eo ambanin'ny Lalàna e: tsy renareo va ny vakin'ny Lalàna?

22 Voasoratra ao fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iray tamin'ny andevovavy, ary ny iray tamin'ny olona afaka. 23 Ilay zanak'andevovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak'olona afaka, araka ny fampanantenana. 24 Ohatra amin'ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin'ny tendrombohitr'i Sinai, miteraka ho amin'ny fanandevozana, dia Agara izany 25 (satria Agara no fiantso ny tendrobohitr'i Sinai any Arabia), ary Agara dia ohatra amin'i Jerosalema ankehitriny, fa samy andevo izy sy ny taranany. 26 Fa Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba andevo; 27 fa voasoratra hoe: Mifalia, ry momba, dia hianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, hianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an'izay manam-bady! 28 Isika, ry rahalahy, no zanaky ny fampanantenana toa an'Isaaka.

29 Fahizany anefa, ilay zanaka araka ny nofo dia nanenjika ny zanaka araka ny fanahy, ary toraka izany ihany koa ankehitriny. 30 Saingy ahoana hoy ny Soratra Masina? Roahy io andevovavy io sy ny zanany, fa tsy hiray lova amin'izay zanak'andevo ny zanak'olona afaka. 31 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevo isika, fa zanak'olona afaka.

Toko faha-5

1 Efa navotan'ny Kristy ho amin'ny fahafahana isika, ka mijoroa amin'izany, fa aza mety hampidirina amin'ny jiogan'ny fanandevozana intsony.

2 Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza ny Kristy. 3 Eny, averiko indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy. 4 Fa tafasaraka amin'ny Kristy hianareo rehetra mitady fahamarinana amin'ny Lalàna, ka lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo. 5 Izahay kosa dia amin'ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana; 6 satria ao amin'ny Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain'ny fitiavana ihany no izy. 7 Efa nihazakazaka tsara hianareo, ka iza indray no dia nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?

8 Tsy mba avy amin'ilay niantso anareo anie izany fanambosiana izany e! 9 Lalivay kely foana no mampivonto ny koban-dafarina manontolo. 10 Matoky anareo ao amin'ny Tompo aho fa tsy hanan-kevitra hafa hianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hianjeran'ny nataony, na iza na iza izy. 11 Ary raha ny amiko, ry rahalahy, raha marina fa mbola mitory ny famorana koa aho, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Foana izany ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana! 12 Enga anie ka hanakilema tena mihitsy ireny mpanabataba anareo ireny! 13 Efa voantso ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon'ny namany avy.

14 Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin'ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana. 16 Izao àry no lazaiko: Mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin'ny an'ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin'ny an'ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo hianareo. 18 Raha tarihin'ny Fanahy anefa hianareo, dia tsy mba ambanin'ny Lalàna intsony. 19 Ary miharihary ny asan'ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, 21 fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana,

23 fahalemem-panahy, fahalalana onona: tsy misy izay Lalàna mikasika an'ireo. 24 Izay an'ny Kristy Jesoa dia efa namantsika ny nofony mbamin'ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin'ny hazo fijaliana. 25 Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy; 26 fa aza te-hoderaina foana amin'izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana.

Toko faha-6

1 Ry rahalahy, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka hianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon'ny fakam-panahy koa.

2 Mifampitondrà entana hianareo, dia ho tanterakareo amin'izany ny lalàn'ny Kristy; 3 fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany. 4 Samia mandinika ny asany avy, mba samy ho ny amin'ny tenany ihany no ho reharehany, fa tsy ho ny amin'ny an'olon-kafa, 5 satria samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. 6 Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin'ny fananany rehetra. 7 Aza diso hevitra hianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina,

8 fa izay afafin'ny olona no hojinjany: izay mamafy ho an'ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin'ny nofo; fa izay mamafy ho an'ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny fanahy. 9 Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1831