Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-6

10 Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny havana rehetra iray finoana. 11 Jereo ity sora-baventy manaraka, nosoratan'ny tànako ho aminareo.

12 Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforana; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny hazo fijalian'ny Kristy izy. 13 Fa na dia ny tenan'izy voafora ireny aza, tsy mitandrina ny Lalàna akory; ka hany itadiavany anareo hoforana, dia ny mba hireharehany amin'ny nofonareo. 14 Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesoa-Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin'ny hazo fijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an'izao tontolo izao. 15 Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra. 16 Ho an'izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an'ny Israelin'Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po! 17 Amin'izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik'i Jesoa amin'ny vatako aho. 18 Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! Amena.

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy, noho ny sitra-pon'Andriamanitra, dia mamangy ny olona masina (any Efezy), mbamin'ny mpino ao amin'ny Kristy Jesoa:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin'ny Kristy, amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,

4 sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, 5 ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy isika; 6 nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'ilay malalany. 7 Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,

8 izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, 9 fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony, izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, 10 rahefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'ny Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. 11 Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan'ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony, 12 mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena ny Kristy rahateo. 13 Tao aminy hianareo no nino, rahefa nahare ny tenin'ny fahamarinana, ny Evanjelin'ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina, 14 sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny. 15 Noho izany, nony reko ny finoanareo an'i Jesoa-Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

16 dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, 17 mba homen'ny Rain'ny voninahitra, Andriamanitr'i Jesoa-Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahin'ny fahendrena amam-panambarana hahalalana azy tsara; 18 ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben'ny voninahitry ny lova nomaniny ho an'ny olo-masina, 19 ary ny halehiben'ny fahefany mihoa-pampana ho an'izay mino, hita amin'ny fiàsan'ny heriny tsitoha. 20 Naharihariny tao amin'ny Kristy izany heriny izany, tamin'ny nananganany azy tamin'ny maty, sy nametrahany azy teo an-kavanany any an-danitra, 21 ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny fiainana ho avy koa, 22 fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra izy amin'ny Eglizy, 23 izay tenany, famenon'izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin'ny rantsam-batany rehetra.

Toko faha-2

1 Fahiny dia matin'ny fahadisoana amam-pahotanareo hianareo,

2 ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan'izao tontolo izao, sy ny lehiben'izay fahefana eny amin'ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin'ny zanaky ny tsy finoana. 3 Ary tsy misy hivoasana amin'izany koa no toetray rehetra fony izahay nanaraka ny filan'ny nofonay, sy niliba araka ny danin'ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin'izany. 4 Fa Andriamanitra izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavana izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin'ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin'ny Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin'i Jesoa-Kristy any an-danitra, 7 mba hanehoany amin'ny andro ho avy ny haben'ny harem-pahasoavany, amin'ny hatsaram-pony amintsika ao amin'ny Kristy Jesoa. 8 Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra, 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao misy mirehareha. 10 Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin'ny Kristy Jesoa, mba ho amin'ny asa soa voaomany rahateo hataontsika. 11 Tsarovinareo jentily araka ny nofo àry, dia hianareo antsoin'ny voaforan-tànana hoe tsy voafora,

12 fa tamin'ny andro tany aloha hianareo, dia tsy nanana ny Kristy, voasaraka tamin'ny fikambanan'Israely; olon-ko azy tamin'ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao. 13 Fa ankehitriny kosa, ao amin'ny Kristy Jesoa, hianareo izay lavitra fahiny, dia tongan'ny ran'ny Kristy akaiky. 14 Fa izy no fihavanantsika, izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; 15 tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany; 16 fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin'Andriamanitra, noho ny hazo fijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. 17 Ary tonga izy, nitory fihavanana tamin'izay lavitra, sy nitory fihavanana taminareo izay akaiky koa, 18 satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin'ny Fanahy iray ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2994