Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-4

26 Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza omena fidirana ny demony. 28 Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tànana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza. 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin'ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan'izay mihaino fahasoavana.

30 Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin'ny andro fanavotana. 31 Esory aminareo rahefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. 32 Fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy.

Toko faha-5

1 Koa aoka àry hanahaka an'Andriamanitra, toy ny zanaka malala hianareo.

2 Ary mandehana amin'ny fitiavana tahaka ny Kristy, izay nanolo-tena tamin'Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. 3 Araka ny manendrika ny olo-masina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rahefa mety ho fahalotoana amam-pilan-dratsin'ny nofo. 4 Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin'ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana. 5 Satria fantatro tsara fa rahefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filan-dratsin'ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan'ny Kristy sy Andriamanitra. 6 Koa aza mety hofitahin'olona amin'izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny zanaky ny tsy finoana. 7 Aza miombona amin'ireny hianareo. 8 Taloha hianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin'ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.

9 Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra. 10 Fantaro izay ankasitrahan'Andriamanitra. 11 Aza mba mikambakambana amin'izay asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian'ireny, 12 satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon'izy ireny an-takona aza; 13 fa asehon'ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rahefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa. 14 Izany no nanoratana hoe: Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin'ny maty, dia hanazava anao ny Kristy. 15 Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, ry rahalahy, aza misary adala, fa mbà hendry;

16 hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. 17 Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitra-pon'ny Tompo. 18 Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy masina hianareo. 19 Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. 20 Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 21 Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana ny Kristy. 22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo;

23 fa ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka ny Kristy no lohan'ny Eglizy izay vatany sy manana azy ho Mpamonjy. 24 Koa tahaka ny aneken'ny Eglizy ny Kristy no tsy maintsy aneken'ny vehivavy ny vadiny koa amin'ny zavatra rehetra. 25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan'ny Kristy ny Eglizy, sy nahafoizana tena ho azy, 26 mba hanamasina azy rahefa nodioviny tamin'ny fanasana amin'ny rano sy ny teny izy, 27 ka hanolotra azy ho an'ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro 28 Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan'ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. 29 Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon'ny Kristy amin'ny Eglizy, 30 satria rantsam-batany, avy amin'ny nofo aman-taolany, isika. 31 Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. 32 Misy zava-miafina lehibe amin'io, dia mankamin'izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. 33 Fa izao: samia hianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

Toko faha-6

1 Hianareo zanaka, maneke ao amin'ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.

2 Manajà ny ray aman-dreninao, io no voalohan-didy misy teny fampanantenana, dia ny hoe: 3 mba hahita soa sy ho ela velona ety ambonin'ny tany hianao. 4 Hianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin'ny famaizana amam-pananarana ao amin'ny Tompo izy. 5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena ny Kristy; 6 aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin'olombelona, fa toy ny mpanompon'ny Kristy, manao ny sitra-pon'Andriamanitra amin'ny fo tokoa; 7 ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona; 8 satria fantatrareo marina fa isam-batan'olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian'Andriamanitra soa, amin'izay soa nataony avy. 9 Hianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin'izy ireo, ka ajanòny ny fandrahonana, satria fantatrareo fa tsy mba mizaha tavan'olona ilay Tompon'izy ireo sy hianareo any an-danitra. 10 Farany, ry rahalahy, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1887