Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-6

11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, dia tsy hiraika amin'izay fanangolen'ny demony akory hianareo. 12 Fa tsy amin'ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin'ny fanapahana, amin'ny fahefana, amin'ny andrian'izao tontolo izao, amin'ny fanahy ratsy eny ambony eny. 13 Koa raiso avokoa àry ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin'ny andro ratsy, dia hijoro tsara hianareo rahefa niala nenina. 14 Aza miraika, fa sikino fahamarinana ny valahanareo, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; 16 fanampin'ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipik'afo rehetra alefan'ilay ratsy. 17 Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. 18 Ataovy lalandava ao amin'ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin'izany dia miambena amin'ny faharetana rehetra, sy amin'ny fivavahana ho an'ny olona masina rehetra; 19 dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran'ny Evanjely, 20 (izay anaovako ny raharahan'ny ambasadaoro eo am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho. 21 Ary ny amin'ny hahalalanareo izay toetra sy ataoko aty, dia iny Tisiko, rahalahy malala, sady mpandraharaha mahatoky ao amin'ny Tompo, hampandre anareo ny zavatra rehetra;

22 fa izany indrindra no nandefasako azy ho aty aminareo, ka dia sady handre ny toetray hianareo, no halany alahelo koa ny fonareo. 23 Fiadanana anie ho an'ny rahalahy, ary fitiavana amam-pinoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompo!

24 Fahasoavana anie ho an'izay rehetra tia an'i Jesoa-Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy lefy!

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko voalohany

1 Paoly sy Timote, mpanompon'i Jesoa-Kristy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa, mbamin'ny Pretra sy ny Diakra any Filipy:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Misaotra an'Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho;

4 ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, 5 noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; 6 sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin'ny andron'i Jesoa-Kristy. 7 Ary rariny ny iheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko hianareo rehetra, noho hianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin'ny fifatorako, na amin'ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely. 8 Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon'ny Kristy Jesoa indrindra aho. 9 Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin'ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,

10 mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-pihavin'ny andron'ny Kristy hianareo, 11 ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin'i Jesoa-Kristy, ho voninanitra sy fiderana an'Andriamanitra. 12 Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa efa tonga fampandrosoana ny Evanjely ny zavatra nanjo ahy,

13 satria efa vaky ato an-trano fiambenana sy any ivelany izao, fa noho ny Kristy no ifatorako; 14 ka nahazo toky noho ny fifatorako ny ankabeazan'ny rahalahy ao amin'ny Tompo, ary vao mainka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy aman-tahotra. 15 Marina fa noho ny fialonana sy fifandirana no itorian'ny sasany ny Kristy, nefa ao koa ny manao an-katsaram-po tokoa, 16 ka ny an'ireto dia fitiavana no anaovany, satria fantany fa voatendry hampandresy lahatra ny Evanjely aho; 17 fa ny an'irerý kosa dia tsy fo mahitsy no itoriany ny Kristy, fa an-kasomparana kendreny hanampy fahoriana ny fifatorako. 18 Nefa mampaninona moa izany e? Rahefa ny Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza. 19 Satria fantatro fa hody ho famonjena ahy izany, noho ny fivavahanareo sy noho ny fitahian'ny Fanahin'ny Kristy; 20 tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin'inona na amin'inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin'ny tenako ny Kristy, na velona aho, na maty. 21 Satria raha ny amiko, dia ny Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

22 Raha mbola velona amin'ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran'ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, 23 fa sanganehana eo anelanelan'izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin'ny Kristy moa, iriko sy tsara lavitra: 24 nefa ny hitoetra amin'ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo. 25 Ary izany indrindra no ampoiziko sy fantatro, dia ny hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra, mba hahazoanareo fandresena sy fifaliana amin'ny finoanareo. 26 Ka dia hitombo ao amin'ny Kristy Jesoa ny reharehanareo noho ny amiko, amin'ny hankanesako atý aminareo indray. 27 Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely hianareo; ary amin'izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin'ny fanahy iray hianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,

28 ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin'Andriamanitra izany. 29 Satria noho ny amin'ny Kristy, dia tsy ny hino azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa, 30 dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny.

Toko faha-2

1 Koa raha mba manana famporisihana ao amin'ny Kristy koa hianareo, na manana fanalana alahelo amin'ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,

2 dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, 3 tsy hanao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, 4 samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an'ny namany koa. 5 Manàna izao saina amam-po hita tao amin'ny Kristy Jesoa izao:

6 na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1865