Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-4

6 Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin'inona na amin'inona. 7 Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra. 8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rahefa mety ho hatsaram-panahy, sy rahefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.

9 Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana. 10 Nahazo hafaliana lehibe ao amin'ny Tompo aho, fa indro hitako mamony indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy.

11 Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin'izay ananako aho, 12 ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona. 13 Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin' ilay mankahery ahy; 14 nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko. 15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny Evanjely, rahefa niala tany Masedonia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin'ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy hianareo ihany.

16 Fony aho tany Tesalonìka aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa. 17 Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko. 18 Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an'i Epafrodita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra, raisiny an-kafaliana. 19 Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin'ny Kristy Jesoa izany. 20 Ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena. 21 Veloma any amin'ny olona masina rehetra, ao amin'ny Kristy Jesoa.

22 Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko; manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ry zareo ao an-dapan'i Sezara. 23 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompo.

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko voalohany

1 Paoly Apostolin'i Jesoa-Kristy, noho ny sitra-pon'Andriamanitra, sy Timote rahalahy,

2 mamangy ny olona masina sy ny mpino rahalahy ao amin'ny Kristy Jesoa, any Kolosy: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika! Tsy tapaka ny misaotra an'Andriamanitra Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika izahay, amin'ny fivavahana ataonay ho anareo, 4 hatramin'ny nandrenesanay ny finoanareo ny Kristy Jesoa, sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, 5 noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin'ny teny marin'ny Evanjely. 6 Ny Evanjely efa tonga atý aminareo, dia tonga amin'izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atý aminareo koa, hatramin'ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra ao anatin'ny marina, 7 araka ny fampianarana noraisinareo tamin'i Epafrasy, izay namanay malalanay amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, sy mpandraharahan'ny Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo. 8 Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy. 9 Koa hatramin'ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitra-pon'Andriamanitra, amin'ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy hianareo,

10 ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po azy amin'ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin'ny asa soa rehetra hianareo, sady hitombo fahalalana an'Andriamanitra, 11 mba hampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra hianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana; 12 ary misaotra ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olo-masina any amin'ny mazava, 13 tamin'izay nanafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina, ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, 14 dia izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika. 15 Izy no endrik'ilay Andriamanitra tsy hita; izy no teraka talohan'izao voary rehetra izao;

16 tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fanapahana, na fahefana; taminy sy ho azy no nahariana ny zavatra. 17 Izy no talohan'ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Izy no Lohan'ny tena, izany hoe ny Eglizy; izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin'ny maty, mba ho Loha amin'ny zavatra rehetra izy; 19 satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran'ny hafenoana rehetra; 20 ary tamin'ny alàlany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rahefa nampihavaniny tamin'ny rany teo amin'ny hazo fijaliana, dia tamin'ny tenany, na ny ety an-tany na ny any an-danitra. 21 Hianareo koa fahiny, dia lavitra azy sy fahavalony, tamin'ny hevitra aman'asa ratsinareo,

22 fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin'ny tenany nofo tamin'ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany, 23 raha tàhiny hianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin'ny finoana, ary tsy azo tsoahana hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny Evanjely, izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha. 24 Ary ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin'ny nofoko izay tsy ampy amin'ny fahorian'ny Kristy ho an'ny tenany, dia ny Eglizy;

25 fa voatendry ho mpandraharaha azy aho noho ny nanomezan'Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin'Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, 26 dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin'ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin'ny olona masina, 27 dia ireo tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-saro-bidy amin'ny jentily ny voninahitr'izany hevi-miafina izany, dia ny Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo. 28 Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin'ny Kristy Jesoa; 29 ary izany indrindra no iasako mafy, araka ny heriny izay iasàny fatratra ato amiko.

Toko faha-2

1 Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny ady iadiako ho anareo sy ho an'ny any Laodisea mbamin'izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy,

2 mba hahafaka alahelo ny fon'izy ireo, sy hiraisany fatratra amin'ny fitiavana, ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin'Andriamanitra izy, dia ny Kristy, 3 izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3371