Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-2

4 Izaho no milaza izany aminareo, dia ny mba tsy hahavoafitaka anareo amin'ny fandrebireben'ny sasany: 5 fa na dia tsy atý aminareo amin'ny vatana aza aho, dia atý aminareo amin'ny fanahy ihany, ka faly mijery izato filaminanareo sy hamafin'ny finoanareo ny Kristy. 6 Araka ny nandraisanareo ny Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa,

7 ka hamaka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin'ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana azy. 8 Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon'ny sasany, amin' izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin'ny hevitr'olombelona sy araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka ny Kristy. 9 Ao aminy anefa no itoeran'ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra an-davany sy an-tsakany; 10 ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra, fa izy no lohan'izay rehetra mety ho fanapahana sy fahefana; 11 tao aminy no namoràna anareo tamin'ny famoràna tsy nataon-tànana, izay manala ny tena nofo, dia tamin'ny famoran'ny Kristy; 12 fa niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin'ny batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin'Andriamanitra izay nanangana azy tamin'ny maty. 13 Koa hianareo izay matin'ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn'ny vatanareo, dia novelomin'Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. 14 Fa novonoiny ny sora-tànan'ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin'ny nanomboany azy tamin'ny hazo fijaliana; 15 ary naongany ny fanapahana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizahan'ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin'ny hazo fijaliana. 16 Koa aoka hianareo tsy hotsarain'olona ny amin'ny fihinana amam-pisotro, na ny amin'ny andro fety aman-tsinam-bolana, na ny amin'ny andro sabata,

17 satria aloky ny zavatra ho avy fotsiny ireny, fa ao amin'ny Kristy ny tena zavatra. 18 Aoka hianareo tsy ho vosakan'olona tsy hahazo ny lokan'ady, amin'ny fitaomana anareo ho amin'ny fanetren-tena tsy izy, sy amin'ny fanompoana ny anjely, dia olona mitompo amin'ny zavatra hitany, hono, sady feno fiavonavonana erý ao amin'ny fisainany manaraka ny nofo, 19 nefa olona tsy mikambana amin'ny loha, izay iveloman'ny tena manontolo, sy iraisany tsara amin'ny hozatra amam-pamavàny, ka ahazoany ny fitomboana tian'Andriamanitra homena azy. 20 Raha niara-maty tamin'ny Kristy ny amin'ireny abidim-pianaran'izao tontolo izao àry hianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin'izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe:

21 Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry! 22 Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin'ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! - Eisy! didy sy fampianaran'olombelona foana izany; 23 sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforininy, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy.

Toko faha-3

1 Koa raha niara-nitsangana tamin'ny Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izay itoeran'ny Kristy eo an-kavanan'Andriamanitra, no katsaho;

2 ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. 3 Fa maty hianareo, ary miara-miafina amin'ny Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainanareo; 4 fa rahefa hiseho ny Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa hianareo. 5 Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an'ny ety an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin'ny nofo izay fanompoan-tsampy;

6 fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy finoana; 7 niara-nandeha tamin'ireny koa hianareo taloha fony ianareo nanaraka izany fiainana izany. 8 Fa ankehitriny kosa, ario kosa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo; 9 aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin'ny asany, 10 ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana lavorary araka ny endrik'ilay nahary azy, 11 ka tsy mahalala intsony izay hoe jentily na Jody, voafora na tsy voafora, baribariana na Sita, andevo na olona afaka, fa izao ihany: ny Kristy no zavatra rehetra ao amin'izy rehetra. 12 Olom-boafidin'Andriamanitra àry hianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.

13 Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin'ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan'ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. 14 Fa ambonin'izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin'ny hatsaram-panahy rehetra. 15 Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'ny Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie hianareo. 16 Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin'ny Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin'ny fahendrena rehetra hianareo; ary hoentin'ny fahasoavana hihira ho an'Andriamanitra ao am-ponareo, amin'ny salamo aman-kira fiderana, mbamin'ny tonon-kira masina. 17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny alàlany. 18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin'ny Tompo.

19 Hianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. 20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra, fa ankasitrahan'ny Tompo izany.

21 Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy fo izy. 22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin'olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo.

23 Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo tokoa, toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olombelona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa ny Kristy Tompo hianareo. 25 Sady izay manao ny tsy marina anie, ka handray araka ny tsy marina nataony e! fa tsy mba misy fizahan-tavan'olona.

Toko faha-4

1 Hianareo tompo, manaova ny marina sy ny mety amin'ny mpanomponareo; fa fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa hianareo.

2 Mahareta amin'ny fivavahana; ataovy amim-piambenana sy fisaorana izany.

3 Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana hitorianay teny, sy hanambarako ny zava-miafina ny amin'ny Kristy, izay hany ifatorako izao, 4 ary hampahafantarako azy araka ny tokony hilazako azy. 5 Mahaiza mitondra tena amin'izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2349