Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-4

6 Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy. 7 Ny amin'ny zavatra rehetra momba ahy, dia Tisiko, rahalahy malala, sy mpandraharaha mahatoky, ary mpiara-manompo amiko ao amin'ny Tompo, hampahafantatra izany aminareo;

8 fa ny handrenesanareo ny toetray indrindra, sy ny hanafaka alahelo ny fonareo no nanirahako azy ho atý aminareo. 9 Onesimo, rahalahy malala sy mahatoky, izay avy atý aminareo koa, dia miaraka aminy; ka dia izy roa lahy no hampahalala anareo ny zavatra rehetra atý. 10 Manao veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, zanak'anabavin'i Barnabe (efa nahazo didy ny amin'izy hianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atý aminareo).

11 Manao veloma anareo koa Jesoa, ilay atao hoe Jostosa: izy telo lahy ireo no hany voafora amin'izay miara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra; nanafaka alahelo ahy fatratra ireo. 12 Manao veloma anareo Epafrasy, mpanompon'ny Kristy, avy atý aminareo; miady ho anareo mandrakariva izy amin'ny fivavahany, mba ho lavorary sy hatoky tsara hianareo ka hitoetra mafy amin'izay rehetra mety ho sitra-pon'Andriamanitra; 13 izaho no vavolombelona fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodisea ary ho an'ny any Hierapolisy izy. 14 Manao veloma anareo Lioka malala, dokotera, sy Demasy. 15 Veloma any amin'ny rahalahy any Laodisea sy any amin'i Nimfa mbamin'ny Eglizy ao an-tranony.

16 Rahefa voavaky atý aminareo ity taratasy ity, asaovy hovakina any amin'ny Eglizy any Laodisea koa; dia hoavakinareo kosa ilay avy any Laodisea. 17 Lazao amin'i Arkipo izao: Tandremo ny fandraharahana noraisinao tao amin'ny Tompo, mba hahatanterahanao azy tsara. 18 Veloma, hoy izaho Paoly, amin'ity sora-tànako ity. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana. Amena.

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko voalohany

1 Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonìka, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompo:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin'ny fivavahanay, 3 ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan'ny fitiavanareo, ary ny faharetan'ny fanantenanareo an'i Jesoa-Kristy Tompontsika; 4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, fa olom-boafidy hianareo, 5 satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa, sy tamin'ny Fanahy Masina, ary tamin'ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an'ny famonjena anareo. 6 Noho hianareo nandray ny teny tamin'ny fahoriana be sy tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo hianareo, 7 ka tonga fakan-tahaka ho an'ny mpino rehetra any Masedonia sy Akaia kosa indray. 8 Ary tsy tany Masedonia sy Akaia ihany no tongan'ny akon'ny tenin'Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazany intsony ny olona. 9 Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo, sy ny nialanareo tamin'ny sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina, 10 sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesoa izay manafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.

Toko faha-2

1 Tenanareo no mahalala, ry rahalahy, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo;

2 fa nony avy nampahorina sy nalam-baraka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin'Andriamanitra tatý aminareo, tamim-pitokiana lehibe an'Andriamanitra sy tanatin'ny ady mangotraka. 3 Fa tsy mba avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny,

4 fa araka ny nankasitrahan'Andriamanitra ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy, tsy toy ny mila sitraka amin'olombelona, fa amin'Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay. 5 Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay, araka ny fantatrareo; na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona), 6 na nitady voninahitra tamin'olombelona, na taminareo izany, na tamin'ny hafa; 7 ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana, noho ny maha-Apostolin'ny Kristy anay, dia naleonay nanetry tena teo aminareo, mova tsy ny reny mitaiza ny zanany. 8 Fa noho ny fitiavanay anareo, dia tsy ny Evanjelin'Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa aza, satria efa tonga maminay loatra hianareo. 9 He, tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman'alina izahay no nitory ny Evanjelin'Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza. 10 Hianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa, fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino ny fitondran-tenanay;

11 hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy, araka ny hitanareo; 12 fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an'Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny. 13 Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an'Andriamanitra koa izahay, satria tamin'ny nandraisanareo ny tenin'Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo, araka ny marina tokoa, ho tenin'Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

14 Fa hianareo, ry rahalahy, dia efa nanahaka ny Eglizin'Andriamanitra any Jodea, izay ao amin'ny Kristy Jesoa, satria sahala amin'izao nanjò anareo tamin'ny iray firenena aminareo izao koa no nanjò azy ireo tamin'ny Jody, 15 dia ny Jody izay namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany; nanenjika anay, tsy ankasitrahan'Andriamanitra, manohitra ny olona rehetra; 16 ary mandrara anay tsy hitory amin'ny jentily hahazoany famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan'ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran'Andriamanitra aminy. 17 Ary izahay, ry rahalahy, vao tafasaraka am-batana fa tsy am-po taminareo vetivety foana, dia naniry mafy hahita anareo indray,

18 ka indray maka na indroa aza dia efa nikasa ny hankaty aminareo mihitsy izahay, indrindra fa izaho Paoly, nefa nosakanan'i Satana. 19 Fa iza moa no fanantenanay, sy fifaliana aman-tsatro-boninahitray? Tsy hianareo va izany, eo anatrehan'i Jesoa Tompontsika amin'ny andro hahatongavany? 20 Eny, tsy iza fa hianareo no voninahitray sy fifalianay.

Toko faha-3

1 Dia tsy naharitra intsony izahay, ka naleonay mitoetra irery tany Atena,

2 fa nalefanay Timote rahalahinay sy mpandraharahan'Andriamanitra amin'ny Evanjelin'ny Kristy, hankahery fo anareo sy hamporisika anareo haharitra amin'ny finoanareo, 3 sao misy mihontsina akory amin'izao fahoriana izao, nefa izao no anjarantsika, araka ny efa fantatrareo rahateo. 4 Fa fony mbola teo aminareo ihany izahay no efa nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina, ary hitanareo izao fa tanteraka tokoa izany. 5 Hany ka tsy naharitra terý aho, fa naniraka mpampitsapa ny finoanareo, sao dia nasian'ny mpaka fanahy hianareo ka ho very foana ny fisasaranay. 6 Kanjo ankehitriny, nony tonga avy tatý aminareo Timote, dia nolazainy tsara tatý aminay avokoa ny amin'ny finoanareo, ny fitiavanareo, ny fahatsiarovanareo anay tsara mandrakariva, ny fanirianareo hahita anay, toy ny anirianay hahita anareo,

7 ka noho izany rehetra izany, ry rahalahy, dia afaka alahelo ny aminareo izahay, teo amin'ny fahaterena amam-pahorianay rehetra, noho ny finoanareo:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2864