Levitika

Toko faha-21

8 Hataonao ho masina izy, fa manolotra ny mofon'ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina aho Iaveh, izay manamasina anareo. 9 Raha zanakavavin'ny mpisorona no manala bara-tena mijangajanga dia manala baraka an-drainy izy, ka hodorana amin'ny afo. 10 Ny mpisorona lehibe izay ambonin'ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.

11 Tsy hiditra am-paty izy ka tsy handoto ny tenany, na amin'ny rainy na amin'ny reniny. 12 Tsy hivoaka ny fitoerana masina izy, tsy hametaveta ny fitoerana masin'ny Andriamaniny, fa fehiloha voninahitra ao aminy ny diloilo masin'ny Andriamaniny. Izaho no Iaveh. 13 Izay mbola virjiny no halainy ho vady. 14 Tsy haka ho vady ny efa maty vady, na ny vehivavy efa voasaotra, na ny vehivavy efa afa-baraka, na ny mpijangajanga, fa izay mbola virjiny eo amin'ny fireneny ihany, no halainy ho vady. 15 Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin'ny fireneny izy, fa izaho no Iaveh manamasina azy. 16 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

17 Mitenena amin'i Aarona ka lazao hoe: Tsy hisy hanatona hanolotra ny mofon'ny Andriamanitrao, izay olona rehetra manan-kilemam-batana, amin'ny taranakao hatramin'ny fara mandimby. 18 Fa izay manan-kilemam-batana na iza na iza, dia tsy hanatona: na olona jamba, na mandringa, na izay nahafahana, na izay manan'amby; 19 na olona misy tapaka amin'ny tongony na amin'ny tànany, 20 izay vokoka, na zeny, na mipentina ny masony, izay hatenina, izay anakandroana, ny torotoro vihy. 21 Tsy hisy hanatona hanolotra ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo ny olon-drehetra amin'ny taranak'i Aarona mpisorona, izay manan-kilemam-batana, fa manan-kilemam-batana izy, ka aza manatona izy hanolotra ny mofon'ny Andriamaniny. 22 Azony hanina ihany ny mofon'ny Andriamaniny, ny zava-masina dia masina, ny zava-masina. 23 Fa tsy handroso amin'ny efitra lamba izy, tsy hanatona ny otely, satria manan-kilemam-batana izy; tsy handoto ny fitoerako masina, fa izaho no Iaveh manamasina azy ireo. 24 Dia nolazain'i Moizy izany tamin'i Aarona sy ny zanany ary ny zanak'Israely rehetra.

Toko faha-22

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena amin'i Aarona sy ny zanany mba hifadiany ny zava-masina atokan'ny zanak'Israely ho ahy sy tsy hanamavoany ny anarako masina. Izaho no Iaveh. 3 Lazao aminy hoe: Ny olona rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izay mbola manam-pahalotoana ao aminy, nefa manakaiky ny zava-masina atokan'ny zanak'Israely ho an'ny Tompo, dia hofongorana eo anatrehako. Izaho no Iaveh. 4 Ny olona rehetra amin'ny taranak'i Aarona, izay azon'ny habokana na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak'izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika faty, izay nandeha rano maloto, 5 izay nikasika biby mandady nahaloto azy, na olona maloto namindra fahalotoana taminy, na fahalotoana inona na fahalotoana inona, 6 haloto mandra-paharivan'ny andro izay nikasika ireo zavatra ireo, ka tsy hihinana ny zava-masina, handro amin'ny rano izy, 7 ka hadio, rehefa maty ny masoandro, dia hahazo mihinana ny zava-masina, fa fihinany izany. 8 Tsy hihinana biby maty ho azy na voaviravira izy mba tsy ho voaloton'izany. Izaho no Iaveh. 9 Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin'izany, na ho fatin'ny fanamavoana ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy. 10 Tsy hisy olon-kafa hihinana zava-masina, na ny mipetraka ao amin'ny mpisorona, na ny mpikarama, dia samy tsy hihinana ny zava-masina.

11 Mahazo mihinana ihany anefa, izay mpanompon'ny mpisorona novidiny vola, toy izany koa izay teraka tao an-tranony; azon'ireny hanina izay fihinany. 12 Tsy hihinana ny navahana tamin'ny zava-masina ny zanakavavin'ny mpisorona, nanambady olon-kafa. 13 Fa raha maty vady na voasaotra tsy mbola niteraka, ny zanakavavin'ny mpisorona, ka mody any an-tranon-drainy, toy ny fony mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy; fa ny olon-kafa tsy hihinana izany. 14 Raha misy olona nihinana tsy nahy tamin'ny zava-masina, dia honerany amin'ny mpisorona ny zava-masina, ka hotongoavany ny ampaha-diminy. 15 Aoka ny mpisorona tsy hametaveta ny zava-masin'ny zanak'Israely, izay natokany ho an'ny Tompo, 16 sy tsy hampivesatra azy ny heloka ataony amin'ny fihinanana ny zava-masina avy aminy; fa izaho no Iaveh manamasina azy. 17 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

18 Mitenena amin'i Aarona sy ny zanany mbamin'ny zanak'Israely rehetra, ka lazao aminy hoe: Na zovy na zovy amin'ny zanak'Israely, na amin'ny vahiny eo amin'Israely manatitra ny fanatiny, na ho fanalam-boady, na ho fanomezana an-tsitra-po, ka ateriny amin'ny Tompo ho sorona dorana, 19 dia aoka ho lahy tsy manan-kilema no hatao sorona, na omby izany, na ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo. 20 Aza manatitra izay manan-kilema fa tsy hankasitrahana izany. 21 Raha misy olona manatitra biby fiompy vaventy na madinika amin'ny Tompo, hatao sorom-pihavanana, na ho fanalam-boady izany, na ho fanomezana an-tsitra-po, dia tsy maintsy ho tsara mihitsy ny hatao sorona mba hankasitrahana azy, tsy tokony hanan-kilema akory izy. 22 Izay biby jamba, na mandringa, na tapaka, na ferèna, na hatenina, na tsingaohina, dia tsy haterinareo ho an'ny Tompo, tsy hanaovanareo sorona amin'ny afo eo ambonin'ny otely, ho an'ny Tompo. 23 Raha hatao fanatitra an-tsitra-po, dia azo vonoina ihany ny omby na ondry, diso lava na fohy rantsam-batana; fa raha fanalam-boady, tsy ankasitrahana ny sorona toy izany. 24 Aza haterinareo ho an'ny Tompo izay biby voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ny vihiny; aza manao izany amin'ny taninareo. 25 Rahefa mety ho sorona toy ireny, dia aza raisinareo haterina ho fàhan'ny Andriamanitrareo ireny, na dia avy eo an-tànan'ny olon-kafa firenena aza, fa efa simba ireny fa manan-kilema, ka tsy hahazoanareo sitraka. 26 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy:

27 Na omby, na ondry, na osy, raha vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy, fa rahefa hatramin'ny andro fahavalo no ho miakatra, vao ankasitrahana ny hanaterana azy ho sorona atao amin'ny afo amin'ny Tompo. 28 Aza atao indray mamono amin'ny indray andro ny biby sy ny zanany, na omby izany, na ondry. 29 Raha manatitra sorom-pisaorana amin'ny Tompo hianareo, dia atolory araka izay ankasitrahana azy. 30 Izay andro amonoana azy ihany no ihinanana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Izaho no Iaveh. 31 Tandremo ny didiko, ka araho izany. Izaho no Iaveh.

32 Aza manevateva ny anarako masina, fa hohamasinina eo afovoan'ny zanak'Israely aho. Izaho no Iaveh manamasina anareo, 33 sy namoaka anareo avy any amin'ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1774