Levitika

Toko faha-19

22 Ny mpisorona dia hanao fanonerana ho azy, eo anatrehan'ny Tompo amin'ny ondralahy fisoronam-panonerana, noho ny fahotana nataony, ka dia havela ny fahotana nataony. 23 Raha avy izay hahatafidiranareo any amin'ny tany, ka efa namboly hazo mamoa isan-karazany hianareo, dia ataovy ho toy ny tsy voafora ny voany; mandritra ny telo taona dia ho tsy voafora ho anareo izany, ka aza hihinanana.

24 Ary amin'ny taona fahefatra, atokany ho fiderana an'ny Tompo ny voany rehetra. 25 Fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany hianareo, ka hitohy ny fahavokaran'ny hazo ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 26 Aza mihinan-javatra miharo rà. Aza manao sikidy na fankatoavana.

27 Aza hetezana atao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny sisim-bolombavanareo. 28 Aza mitetika ny tenanareo raha misy maty, na manao sary tombo-kavatsa amin'ny tenanareo. Izaho no Iaveh. 29 Aza mandoto ny zanakavavinao amin'ny fampijangajanganana azy, fandrao mivarilavo amin'ny fijangajangana ny tany, ka feno heloka.

30 Tandremo ny sabatako ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh.

31 Aza manatona an'izay mpamoha angatra na mpisikidy, aza maka hevitra aminy, mba tsy ho voalotony hianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

32 Mitsangàna raha manoloana ny fotsy volo, hajao ny olona efa tratra antitra; ary matahora an'Andriamanitra. Izaho no Iaveh.

33 Raha misy vahiny tonga miara-monina aminareo, eo amin'ny taninareo, aza mampahory azy.

34 Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tànanao izy; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

35 Aza manao ny tsy marina na amin'ny fitsarana na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjàna, na amin'ny famarana.

36 Fa mizàna marina, vato-mizàna marina, efah marina, ary hina marina no tano. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, izay namoaka anareo tany amin'ny tany Ejipta. 37 Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko rehetra, ka araho izany. Izaho no Iaveh.

Toko faha-20

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Izao no lazao amin'ny zanak'Israely: Na zovy na zovy amin'ny zanak'Israely, na amin'ny vahiny mitoetra eo amin'Israely, manolotra ny iray amin'ny zanany ho an'i Moloka, dia hohelohin-ko faty, ka hotorahan'ny vahoaka tompon-tany vato. 3 Ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hofongorako amin'ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin'ny zanany ho an'i Moloka, handoto ny fitoerako masina, sy hanevateva ny anarako. 4 Na mody tsy mahita izany olona izany aza ny vahoaka, amin'ny anolorany ny zanany ho an'i Moloka, ka tsy mamono azy, 5 dia hanandrina izany olona izany mbamin'ny fianakaviany ny tavako, ka hofongorako amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an'i Moloka. 6 Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hofongorako amin'ny fireneny izy.

7 Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina hianareo, fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 8 Tandremo ny didiko ka araho izany. Izaho no Iaveh ilay manamasina anareo. 9 Na zovy nba zovy manozona ny rainy na reniny, dia hohelohin-ko faty; fa efa nanozona an-drainy na an-dreniny izy, ka dia aminy ny rany.

10 Raha misy lehilahy maka vadin'olona, ka mandry amin'ny vadin'ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin'izany, na ralehilahy naka vadin'olona na ravehivavy nalainy. 11 Raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin-drainy, ka manokatra fitanjahan-drainy dia hohelohin-ko faty izy roroa, ka dia amin'izy ireo ny rany. 12 Raha misy lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hohelohin-ko faty izy roroa, fa nanao zava-mahamenatra; ka dia amin'izy ireo ny rany. 13 Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin'izy ireo ny rany. 14 Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka bevava izany, ka samy hodorana amin'ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian'izany heloka izany eo aminareo. 15 Raha misy lehilahy miray amin'ny biby, izy hohelohin-ko faty ary ilay biby koa hovonoinareo. 16 Raha misy vehivavy manatona hijangajanga amin'ny biby, dia hovonoina na ravehivavy na ilay biby, dia atao maty izy ireo, ka dia amin'izy ireo ny rany. 17 Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanakavavin-drainy, na zanakavavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason'ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan'ny anabaviny, ka hilonjy ny helony. 18 Raha misy lehilahy mandry amim-behivavy mararin'ny fadim-bolany ka manokatra ny fitanjahany, dia nanokatra ny fandehanan'ny rany izy, ary hofongorana amin'ny fireneny izy roroa. 19 Aza manokatra ny fitanjahan'ny rahavavin-dreninao, na ny anabavin-drainao, fa manokatra ny fitanjahan'ny tenany izay manao izany, ka hilonjy ny helony izy ireo.

20 Raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin-drahalahin-drainy, dia nanokatra ny fitanjahan-drahalahin-drainy izy, ka hilonjy ny helony izy roroa. 21 Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany, fa manokatra ny fitanjahan-drahalahiny izy, ka ho momba izy roroa. 22 Tandremo avokoa ny lalàna, amam-pitsipiko, ka araho izany, mba tsy haloan'ny tany hitondrako anareo honenanareo hianareo.

23 Aza manaraka ny fanaon'ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo, fa nanao izany rehetra izany izy, ka maharikoriko ahy izy.

24 Efa voalazako taminareo fa hianareo no handova ny tanin'ireny; homeko anareo hanananareo azy, ary tany tondra-dronono aman-tantely izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay nanavaka anareo tamin'ny firenena hafa. 25 Hanavaka ny biby madio amin'izay maloto hianareo, sy ny vorona madio amin'izay maloto, ka tsy hametaveta ny tenanareo amin'izay biby, na vorona, na izay zava-mihetsiketsika rehetra ambonin'ny tany, nasaiko navahanareo ho zava-maloto. 26 Ho masina ho ahy hianareo, fa izaho Iaveh dia masina sy efa nanavaka anareo tamin'ny firenen-kafa mba ho ahy. 27 Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin'izy ireo ny rany.

Toko faha-21

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mitenena amin'ny mpisorona zanak'i Aarona ka lazao azy ireo hoe: Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin'ny fireneny,

2 afa tsy amin'ny havany miray rà aminy, ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny, 3 ary ny anabaviny, virjiny miray trano aminy fa mbola tsy manam-bady; raha izy io no maty dia mahazo mandoto tena izy. 4 Filohany amin'ny fireneny izy ka tsy handoto tena na hanamavo ny fiamboniany. 5 Ny mpisorona tsy hanaratra ny lohany, tsy hanala ny sisin'ny volombavany, ary tsy hanisy tetika amin'ny tenany. 6 Ho masina ho an'ny Andriamaniny izy, ary tsy hanevateva ny anaran'ny Andriamaniny, satria izy ireo manolotra amin'ny Tompo ny sorona dorana amin'ny afo, ny mofon'ny Andriamaniny, ho masina izy. 7 Tsy hanambady vehivavy janga na efa afa-baraka izy; tsy hanambady vehivavy efa voasaotry ny lahy, fa masina ho an'ny Andriamaniny ny mpisorona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.169