Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-11

26 nataony ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Ejipta ny fijalian'ny Kristy, satria nijery ny valisoa izy. 27 Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran'ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy. 28 Ny finoana no nanaovany ny Paka sy ny famafazan-dra mba tsy ho tratr'ilay nandringana ny lahimatoa ny zanak'Israely. 29 Ny finoana no nitàn'izy ireo ny ranomasina Mena, toy ny mandeha an-tanety; nony mba nanaraka kosa ny tera-tany Ejipsiana, dia nosaforan'ny rano.

30 Ny finoana no nampirodana ny mandan'i Jerikao, rahefa nohodidinina hafitoana. 31 Ny finoana no tsy nahafatesan-dRahaba vehivavy janga niaraka tamin'ny fahavalo, satria nandray ny tily tamim-pihavanana izy. 32 Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin'i Jedeona, Baràka, Samsona, Jefte, Davida, Samoela, mbamin'ny mpaminany:

33 fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan'ny liona, 34 namono ny herin'ny afo, afaka tamin'ny lelan'ny sabatra, nositranina tamin'ny aretina, nampiseho herim-po tamin'ny ady, nampandositra ny miaramilan'ny fahavalo; 35 nandraisan'ny vehivavy ny zanany maty voatsangana tamin'ny maty. Ny sasany nampijalina ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana amin'ny maty tsaratsara kokoa; 36 ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin'ny tranomaizina; 37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorina, 38 nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao, nirenireny tany an'efitra izy, sy tany an-tendrombohitra, ary tany an-johy mbamin'ny tany an-davatany. 39 Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo, dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina, 40 fa isika no namboaran'Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa, ka tsy tonga amin'ny fahatanterahana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

Toko faha-12

1 Koa amin'izany, noho isika voahodidin'ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin'izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao,

2 mibanjina an'i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny hazo fijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo an-kavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. 3 Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky hianareo. 4 Hianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin'ny fahalatsahan'ny ranareo,

5 ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: Anaka, aza mba ketraka amin'ny fananarany anao; 6 fa izay tian'ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny. 7 Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin'ny rainy? 8 Raha tsy faizina toy ny zanaka rehetra hianareo, dia tsy mba zanaka fa zaza sary. 9 Ary na ny raintsika ara-batana aza nohajaintsika na dia nikapoka antsika aza; vao mainka ny Raintsika ara-panahy no tsy maintsy ekentsika mba ho velona isika. 10 Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitra-pony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin'ny fahamasinany. 11 Marina fa mampahory amin'ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an'izay nandray azy izy. 12 Koa henjano ny tànana miraviravy sy ny lohalika miketraka; 13 ary ahitsio ny dian'ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. 14 Mitadiava fihavanana amin'ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.

15 Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan'Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. 16 Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. 17 Fa fantatrareo ny nanariana azy taty aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. 18 Hianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy aizim-be sy kotro-baratra,

19 ary feon-trompetra sy feo niteny mafy tsy tantin'ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; 20 fa tsy tohany ilay fandrahonana hoe: Na biby aza mikasika ny tendrombohitra dia hotoraham-bato. 21 Loza loatra no niseho tamin'izay, ka Moizy avy no vaky hoe: Tsiravina sy rano an-dravina aho! 22 Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitr'i Siona tanànan'Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian'ny anjely alinalina, 23 ny fiangonan'ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin'ny olo-marina efa amin'ny fanaperana, 24 sy Jesoa mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary ny ran'ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an'i Abela. 25 Tandremo fandrao mandà izay miteny hianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà ilay miteny amintsika avy any an-danitra,

26 dia ilay nanonzongozona ny tany fahizany tamin'ny feony, sy manome teny indray ankehitriny manao hoe: Indro hozongozoniko indray maka koa, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa. 27 Ny teny hoe indray maka koa milaza fa ny zavatra hozongozonina dia hovàna araka ny fomban-javatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy hozongozonina. 28 Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahan'Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana azy. 29 Fa ny Andriamanitsika dia afo mandevona koa.

Toko faha-13

1 Mahareta amin'ny fitiavana ny rahalahy.

2 Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano anjely, nefa tsy nahalala azy. 3 Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo; ary izay ampahorina koa, fa mbola ao anatin'ny nofo koa hianareo. 4 Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hohelohin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona.

5 Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin'izay anananareo, fa tenin'Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao aho, na hahafoy anao akory;

6 ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon'ny olona atao amiko?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1743