Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-10

15 Ary asehon'ny Fanahy Masina amintsika koa izany; fa rahefa voalazany hoe: 16 Fanekena toy izao no hataoko amin'ny finakavian'Israely rahefa afaka izany andro izany, dia hoy indray ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony, 17 ka havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany; 18 ka rahefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota. 19 Koa amin'izany, ry rahalahy, noho ny ran'i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin'ny fitoerana masina,

20 mihazo ny làlam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony, 21 sy noho isika manana Mpisorombe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin'ny fo voafafy ho afaka amin'ny fieritreretana mipentina ota, sy amin'ny vatana voasasa tamin'ny rano madio. 23 Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin'ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky ilay nanao ny fampanantenana. 24 Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. 25 Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon'ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao hitanareo fa efa antomotra ny andro. 26 Satria rahefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;

27 fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran'ny afo handevona ny mpikomy no sisa. 28 novonoina tsy nasiana famindram-po akory izay nandika ny Lalàn'i Moizy, notondroin'ny vavolombelona roa na telo/ 29 mba toy inona kosa àry no hamafin'ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin'izay nanitsakitsaka ny Zanak'Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny ran'ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin'ny fahasoavana? 30 Fa fantatsika ilay nilaza hoe: Ahy ny famaliana, izaho no hamaly. Ary koa: Ny Tompo hitsara ny vahoakany. 31 Zavatra mahatsiravina re izany ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona! 32 Tsarovy ny andro fahiny, niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana, nony efa nohazavaina hianareo;

33 fa mbetika nalam-baràka sy nampahoriana hianareo sady naseho ho fizàhan'ny olona; mbetika kosa niaraka ory tamin'izay nampijalina toy izany. 34 Fa sady nangoraka izay nifatotra hianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay hianareo. 35 Koa aza miala amin'ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany. 36 Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rahefa nanao ny sitra-pon'Andriamanitra hianareo. 37 Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga ilay ho avy, fa tsy hiatoato izy. 38 Ary ny oloko marina ho velona amin'ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan'ny foko. 39 Raha isika, dia tsy mba anisan'izay mihataka ho very isika, fa naman'ireo mino mba hamonjy fanahy.

Toko faha-11

1 Ary ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon'ny zavatra tsy hita.

2 Nanam-pinoana ny ntaolo ka izany no nahatsara laza azy. 3 Ny finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao. 4 Ny finoana no nanoloran'i Abela tamin'Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an'i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin'Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.

5 Ny finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana, ka tsy hita intsony izy fa nafindran'Andriamanitra, ary talohan'ny namindrana azy dia voalaza fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.

6 Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin'Andriamanitra koa: satria izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy izy, sady mamaly soa izay mitady azy. 7 Ny finoana no nandrafetan'i Noe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan'Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an'izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin'ny finoana.

8 Ny finoana no naneken'i Abrahama ny fiantsoan'Andriamanitra azy, handeha ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.

9 Ny finoana no nitoerany tany amin'ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa Isaaka sy Jakoba izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa; 10 fa nanantena ilay tanàna mafy orina manana an'Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy. 11 Ny finoana koa no nahazoan'i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky ilay nampanantena.

12 Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina no avy amin'ny olona anankiray izay efa toy ny maty. 13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.

14 Manambara mazava izay milaza izany fa mitady tanin-drazana honenany izy. 15 Ary raha ny tany nialany no heveriny amin'izany dia ho azony atao ny miverina any indray; 16 fa tany tsara lavitra no irìny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra izy hantsoina hoe: Andriamanitr'izy ireo. 17 Ny finoana no nanoloran'i Abrahama an'Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,

18 sy nilazana hoe: Avy amin'Isaaka no hihavian'ny taranakao; eny, natolony io zanany lahitokana io; 19 satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain'Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany. 20 Ny finoana no nitsofan'Isaaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.

21 Ny finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rahefa ho faty izy, sy nivavahany niankina tamin'ny loha tehiny. 22 Ny finoana no nilazan'i Josefa ny hialan'ny zanak'Israely, rahefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolam-balony. 23 Ny finoana no nanafenan-drainy aman-drenin'i Moizy azy telo volana, nony efa teraka izy, satria hitany fa zaza tsara tarehy izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.

24 Ny finoana no namoizan'i Moizy ny anarana hoe zanaky ny zanakavavin'i Faraona, nony efa lehibe izy, 25 fa naleony miaraka ory amin'ny vahoakan'Andriamanitra toy izay miarana amin'ny hafaliana mandalon'ny fahotana;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2597