Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-8

6 Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra, fa Mpanalàlana amin'ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin'ny fampanantenana ambony kokoa. 7 Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan'ny faharoa azy akory.

8 Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao amin'ny fianakavian'Israely sy ny fianakavian'i Jodà; 9 tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin'ny razan'izy ireo, tamin'ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo; 10 fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin'ny fianakavian'Israely, rahefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako. 11 Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin'ny rahalahiny hoe: Mahalalà an'Andriamanitra. Fa samy hahalala ahy avokoa izy rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. 12 Satria havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany. 13 Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin'ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.

Toko faha-9

1 Ny fanekena voalohany koa àry dia nasiana fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana, sy ny fitoerana masina momba ny ety an-tany.

2 Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra. 3 Ary ny efitra lamba faharoa kosa, izay atao hoe fitoerana masina indrindra, dia izao no zavatra tao anatiny: 4 ny otely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran'ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Aarona izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena. 5 Nisy Kerobimam-boninahitra teo amboniny, izay nandrakotra ny fanaovam-panavotana tamin'ny alony. Fa tsy azo visavisaina eto avokoa ny andinidinik'izany. 6 Nony voalamina araka izany ireo zavatra ireo, dia tao amin'ilay voalohany amin'ny tranolay ihany no nidiran'ny mpisorona mandrakariva, raha nanao ny fanompoam-pivavahana izy;

7 fa tamin'ilay faharoa kosa, dia ny mpisorombe irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra rà izay natolony noho ny hadisoan'ny tenany sy ny an'ny vahoaka koa. 8 Ambaran'ny Fanahy Masina amin'izany fa tsy mbola naseho ny làlana mankany amin'ny toerana masina indrindra, raha mbola ao koa ny tranolay voalohany. 9 Ary fanoharana tandrifin'ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina, 10 fa naman'ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-pihavin'ny andro fanoloana azy ihany. 11 Fa ny Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin'ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tànana, izany hoe tsy mba anisan'izao zava-boary izao;

12 sady tsy mba ran'osilahy na ran-janak'omby, fa ny ran'ny tenany no nentiny niditra tao amin'ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. 13 Ary raha ny ran'osilahy sy ny ran-janak'omby aza mbamin'ny famafazana ny lavenom-bantotr'ombivavy nanamasina izay voaloto amin'ny fanadiovana ny nofo, 14 mainka ny ran'ny Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin'ny asa maty, mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona! 15 Noho izany, dia Mpanalàlana amin'ny fanekena vaovao izy, mba hahazoan'izay voantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin'ny fanekena taloha.

16 Satria amin'ny didim-pananana dia ilaina ny fahafatesan'ny mpandidy; 17 tsy manan-kery moa ny didim-pananana afa-tsy amin'ny fahafatesana ihany; fa tsy miasa izy raha mbola velona koa ny mpandidy. 18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy fandatsahan-drà koa. 19 Fa rahefa voavakin'i Moizy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin'ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy, mbamin'ny rano sy ny volon'ondry mena ary ny hisopy, ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra, 20 ary hoy izy: Ity no ran'ny fanekena nataon'Andriamanitra taminareo. 21 Dia nofafazany ra toy izany koa ny tranolay mbamin'ny fanaka rehetra enti-manao raharaham-pivavahana. 22 Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin'ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka. 23 Koa raha ny tandindon'ny zavatra any an-danitra no tsy maintsy ho nodiovina toy izany, mainka sorona tsara lavitra noho ireny no tsy maintsy nanamasinana ny tenan'ny zavatra any an-danitra.

24 Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tànana sy tandindon'ny tena izy fotsiny no nidiran'ny Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ho antsika ankehitriny. 25 Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona tao amin'ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa izy, ka hoe hanolo-tena matetika; 26 raha izany dia ho nijaly matetika izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja izy no niseho tamin'izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin'ny nanolorany ny tenany ho sorona. 27 Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rahefa afaka izany 28 no nanoloran'ny Kristy ny tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan'ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin'ota fanindroany mba hamonjy izay miandry azy.

Toko faha-10

1 Ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.

2 Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona: satria rahefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin'ny fieritreretany. 3 Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona tamin'ireny sorona ireny, 4 satria aiza izay ran-janak'omby sy ran'osilahy no hahafaka ny fahotana? 5 Noho izany indrindra, nony niditra tamin'izao tontolo izao ny Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy hianao; 6 tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, 7 ka hoy aho hoe: Inty aho tonga - fa izaho no voalaza ao amin'ny horonam-boky - hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô! 8 Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, - dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; - 9 manaraka izany tohiziny hoe: Inty aho tonga hanao ny sitra-ponao; ka manafoana ny voalohany izy amin'izany mba hanorenany ny faharoa, 10 ary ny herin'izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin'ny nanoloran'i Jesoa-Kristy ny vatany indray mandeha monja. 11 Ary ny mpisorona rehetra dia mijoro isan'andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny;

12 fa izy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo an-kavanan'Andriamanitra; 13 ka hatramin'izao izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay. 14 Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.206