Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-6

4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha, sy nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ary nandray ny Fanahy Masina,

5 sady efa nanandrana ny hamamin'ny tenin'Andriamanitra mbamin'ny asa mahagagan'ny fiainan-ko avy, 6 nefa nivadika, dia hataon'ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin'ny fibebahana, nefa anie mamantsika ny Zanak'Andriamanitra amin'ny hazo fijaliana indray izy ireo, sady manolotra azy halam-baraka? 7 Hasoavin'Andriamanitra ny tany vontosan'ny orana milatsaka aminy matetika, ka mahavokatra anana tsara ho an'izay niasàna azy; 8 fa hàlany sy efa hozoniny kosa raha maniry tsilo sy hery, ka ny hodoran'ny olona no hiafaràny. 9 Raha ny aminareo anefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia zavatra tsaratsara kokoa sy mahavonjy anareo no antenainay.

10 Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny anarany, tamin'ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina. 11 Irìnay haneho fahazotoana toy izany koa hianareo tsirairay avy hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin'ny farany, 12 mba tsy hiketraka hianareo, fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina noho ny finoany sy ny faharetany. 13 Tamin'ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, noho ny tsy fisian'ny lehibebe kokoa noho ny tenany, dia nianiana tamin'ny tenany izy.

14 Ka nanao hoe: Hosoaviko tokoa hianao sy hohamaroiko koa; 15 ary nahazo ny nampanantenaina azy io Patriarka io, satria niandry tamim-paharetana izy. 16 Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany no ianianan'ny olona, ary ny fianianana no ataony antoka ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra. 17 Koa mba hanehoan'Andriamanitra mazavazava kokoa ny tsy fiovan'ny fikasany amin'ny mpandova ny fampanantenana, dia nohamafisiny tamin'ny fianianana izany, 18 mba ho zavatra roa tsy manam-piovana sy tsy hain'Andriamanitra amitahana antsika no hahazoantsika fanalana alahelo mahery; fa efa mihazakazaka isika hihazona ny fanantenana natolotra antsika. 19 Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin'ny efitra lamba, 20 dia any amin'izay efa nidiran'i Jesoa ho Mpialoha antsika, rahefa natao Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka.

Toko faha-7

1 Io Melkisedeka io, izay mpanjakan'i Salema, mpisoron'ny Avo indrindra, nitsena an'i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,

2 notoloran'i Abrahama ny ampahafolon'ny babony rehetra; - mpanjakan'ny fahamarinana no hevitr'anarany voalohany, vao mpanjakan'i Salema koa, izany hoe mpanjakan'ny fiadanana; 3 tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin'ny Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay. 4 Mba hevero lahy ny halehiben'io lehilahy io, fa notoloran'i Abrahama, ilay Patriarka, ny ampahafolon'ny babony tsara indrindra izy. 5 Nefa, araka ny Lalàna, dia ny taranak'i Levì izay mandray ny fisoronana ihany no mahazo teny handray ny ampahafolon-karena amin'ny vahoaka, izany hoe amin'ny rahalahiny, izay terak'i Abrahama koa; 6 fa izy izay tsy iray razana amin'izy ireo akory indray, dia sady nandray ny ampahafolon-karena tamin'i Abrahama no nitso-drano azy izay nahazo ny teny fampanantenana koa! 7 Tsy azo lavina anefa fa ny ambany no mandray tso-drano avy amin'izay ambony noho izy. 8 Tsy izany ihany koa, fa tamin'izy ireo dia olona mety maty no mandray ny ampahafolon-karena, fa amin'izao kosa dia olona ambara hoe velona. 9 Ary azo lazaina aza fa i Levì izay mandray ny ampahafolon-karena, dia mba nandoa izany tao amin'ny tenan'i Abrahama ihany koa, 10 satria mbola tao an-kibon'io razana io izy, tamin'ny nitsenan'i Melkisedeka an'i Abrahama. 11 Koa raha tany nahalavorary zavatra ny fisoronan'i Levì, fa tamin'izany no nandraisan'ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna mpisorona hafa araka ny fomban'i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban'i Aarona?

12 Fa raha ovàna ny fisoronana, dia tsy maintsy ovàna koa ny Lalàna. 13 Ary ny olona antsoina amin'izany teny izany, dia avy amin'ny foko hafa tsy mbola nisy nanao raharaha tamin'ny otely, 14 satria fantatra miharihary fa avy amin'i Jodà foko tsy mba voalazan'i Moizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika. 15 Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an'i Melkisedeka: 16 tsy mba voatendry araka ny didin'ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana, 17 fa toy izao no anambarana azy: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka. 18 Toy izany àry no nandravana ny didy taloha, noho izy nalemy sy tsy nahasoa, -

19 satria tsy nahalavorary na inona na inona ny Lalàna - ka nampidirina fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra. 20 Tsy izany ihany, fa satria tamim-pianianana koa no nanaovana izany, ny mpisorona hafa moa dia notendrena tsy amim-pianianana ho mpisorona,

21 fa ity kosa tamim-pianianan'ilay nanao taminy hoe: Ny Tompo efa nianiana, ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay; 22 arakaraka izany, hoy aho, no nanaovana an'i Jesoa ho Mpiantoka fanekena ambony kokoa. 23 Ary ireny, dia maro ny azy no natao mpisorona, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra; 24 fa izy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandimbiasana. 25 Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. 26 Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voavaka amin'ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;

27 ary tsy mila hanolotra sorona isan'andro toy ny mpisorombe hafa ho an'ny fahotan'ny tenany aloha, dia ho an'ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja izy no nanao izany tamin'ny nanolorany ny tenany, dia ampy. 28 Satria olona zoim-pahalemena no atsangan'ny Lalàna ho mpisorombe: fa ny tenin'ny fianianana taorian'ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin'ny fara fanaperana mandrakizay.

Toko faha-8

1 Fa izao no tampon'ny zavatra lazaina amin'izao, dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany, izay mipetraka eo an-kavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo indrindra any an-danitra,

2 mpandraharaha ao amin'ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin'olona, fa naorin'ny Tompo. 3 Satria ny mpisorombe rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy. 4 Raha ety an-tany, dia tsy mba ho mpisorona akory izy, satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna; 5 ireo dia sary sy tandindon'ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony araka ny natoron'Andriamanitra an'i Moizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1747