Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-3

3 Fa tahaka ny mahabe voninahitra ny mpanao trano noho ny trano nataony no nanaovana azy mendri-boninahitra fa tsy tahaka an'i Moizy. 4 Satria ny trano rehetra dia amboarin'ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra. 5 Ary Moizy dia nahatoky tao amin'ny tranony rehetra toa ny mpanompo fotsiny, mba hanambara ny zavatra tsy maintsy holazaina; 6 fa ny Kristy kosa dia toy ny zanaka manapaka ny tranon'ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana. 7 Noho izany, araka ny tenin'ny Fanahy Masina hoe: Anio raha mandre ny feony hianareo,

8 aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andron'ny fakam-panahy tany an'efitra, 9 izay nakan'ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, nefa anie efa nahita ny asako nandritra ny efa-polo taona izy. 10 Tezitra tamin'izany taranaka izany aho ka nanao hoe: Maniasia amin'ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako; 11 koa nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin'ny fialan-tsasatro izy ireo; 12 dia tandremo, ry rahalahy, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin'Andriamanitra velona; 13 fa mifamporisiha isan'andro, dieny mbola misy izay atao hoe "anio", mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan'ny fahotana. 14 Fa efa tonga mpiombona amin'ny Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny fahatokiantsika voalohany, 15 araka ilay lazaina hoe: Anio raha mandre ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin'ny fahasosorana. 16 Fa iza moa ireny nahasosotra azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin'i Moizy niala tany Ejipta va? 17 Iza no nahatezitra azy, nandritra ny efapolo taona? Moa tsy ry zareo nanota va, ka niampatrampatra tany an'efitra ny fatiny? 18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fialàny sasatra, afa-tsy ry zareo tsy nanaiky? 19 Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra tokoa izy ireo noho ny tsy finoany.

Toko faha-4

1 Koa aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana, fa hiditra amin'ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza.

2 Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an'ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren'izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory. 3 Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin'ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin'ny fialan-tsasatro izy ireo: toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra hatramin'ny niandohan'izao tontolo izao aza ny asany. 4 Fa hoy izy hoe, amin'ny andininy anankiray any ho any ny amin'ny andro fahafito: Ary Andriamanitra niala sasatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito; 5 ary eto indray, hoy izy: Tsy hiditra amin'ny filan-tsasatro izy ireo. 6 Koa noho ny sasany dia mbola mahazo miditra ao, fa ireo nitoriana voalohany no tsy tafiditra noho ny tsy finoany,

7 dia mametra andro iray indray izy izay nantsoiny hoe "anio", fa hoy izy hoe ao amin'i Davida taty aoriana ela be, araka ny voalaza teo: Anio raha mandre ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo. 8 Fa raha tany efa nomen'i Josoe izany fialan-tsasatra izany, dia tsy ho nilaza andro hafa intsony Davida taty aorian'izany; 9 ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. 10 Satria izay miditra amin'ny fialan-tsasatr'Andriamanitra, dia tsy maintsy mitsahatra amin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny azy koa. 11 Koa aoka isika hazoto miditra amin'izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin'ny tsy finoana tahaka ireny koa.

12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo. 13 Tsy misy zava-boary miafina eo anatrehan'Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason'izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra. 14 Koa noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesoa Zanak'Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.

15 Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin'ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. 16 Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan'ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin'ny andro ilàntsika izany.

Toko faha-5

1 Fa rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin'ny olona, dia tendrena ho solon'ny olona amin'ny fifampiraharahany amin'Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,

2 sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza mba voan'ny fahalemena ihany koa, 3 ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an'ny tenany, toy ny ataony ho an'ny vahoaka ihany koa izy. 4 Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra tahaka an-dry Aarona ihany. 5 Dia toy izany koa ny Kristy, fa tsy izy no nanandra-tena ho mpisorombe, fa ilay nanao taminy hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany; 6 sy nilaza amin'ny teny hafa koa hoe: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka. 7 Tamin'ny andron'ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'ilay nahavonjy azy tamin'ny fahafatesana izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, 8 dia nianatra ny fanekena tamin'ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; 9 ary ankehitriny, efa tonga amin'izay fanaperana izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an'izay manaiky azy, 10 fa antsoin'Andriamanitra hoe: Mpisorombe araka ny fomban'i Melkisedeka. 11 Maro ny zavatra azonay lazaina momba izany, saingy sarotra hohazavaina aminareo, noho hianareo votsa fandray zavatra.

12 Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin'ny ela aza hianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina. 13 Ary izay mbola ronono no ivelomany, dia tsy mahazaka ny tenim-pahamarinana, satria mbola zaza. 14 Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.

Toko faha-6

1 Koa aoka hapetratsika ny abidim-pianarana ny amin'ny Kristy, fa aoka handroso ho amin'izay lavorary kokoa isika, dia tsy haverintsika indray ireny foto-kevitra fanorenana ireny: dia ny fibebahana miala amin'ny asa maty, ny finoana an'Andriamanitra,

2 ny fianarana ny batemy samihafa sy ny fametrahan-tànana, ny fitsanganana amin'ny maty, ny fitsarana mandrakizay. 3 Izany tokoa no hataontsika raha avelan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.174