Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Filemona

Toko voalohany

10 dia mifona aminao ho an'i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, 11 izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia hianao sy izaho. 12 Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin'ny aiko. 13 Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin'ny fifatorako noho ny amin'ny Evanjely; 14 saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitra-po tokoa. 15 Angamba koa Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, 16 tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo. 17 Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy; 18 ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany. 19 Izaho Paoly no manoratra ity amin'ny tànako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako hianao, ary ahy mbamin'ny tenanao aza.

20 Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin'ny Tompo hianao, ka velombelomy ao amin'ny Kristy ny foko. 21 Izaho no nanoratra ity taminao, dia matoky marina fa hoekenao, ary hanao mihoatra noho izay angatahiko aza hianao. 22 Dia mba anomano trano hitoerako koa aho, fa noho ny vavaka ataonareo dia manantena aho fa haverina aminareo.

23 Manao veloma anao Epafrasy, mpiara-mifatotra amiko ao amin'ny Kristy Jesoa, 24 sy Marka, sy Aristarka sy Demasy, ary Lioka, izay mpiara-miasa amiko. 25 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko voalohany

1 Fahiny, tamin'ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin'ny razantsika Andriamanitra, tamin'ny vavan'ny mpaminany;

2 fa amin'izao andro farany izao kosa indray, dia tamin'ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an'izao tontolo izao. 3 Io Zanany io izay famirapiratan'ny voninahiny, sy mariky ny tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny, dia mipetraka eo an-kavanan'ny fiandrianany masina any amin'ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika, 4 ka natao ambonin'ny anjely, arakaraka ny fahambonian'anarana nolovany, fa tsy tahaka ny azy ireo. 5 Fa anjely iza no mba nilazan'Andriamanitra hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany? sy ny hoe: Izaho no Rainy, ary izy ho Zanako?

6 Ary rahefa mampiditra ny Lahimatoa atý ambonin'ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny anjelin'Andriamanitra rehetra. 7 Ny anjely lazainy hoe: Nanao ny anjeliny ho rivotra izy, ary ny mpanompony ho lelafo; 8 fa ny Zanaka kosa ataony hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria, ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao. 9 Tia ny fahamarinana hianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran'Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra. 10 Ary izao koa: Hianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin'ny voalohany, ary asan-tànanao ny lanitra. 11 Izy ireo ho levona, fa hianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy, 12 ary havalonao toy ny lamba, ka hovàna avokoa; fa hianao no tsy miova, ary ny taonanano no tsy ho tapitra. 13 Ary iza tamin'ny anjely no nataony hoe: Mipetraha eo an-kavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? 14 Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova ny famonjena?

Toko faha-2

1 Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin'izany.

2 Fa raha ny teny nampilazaina ny anjely aza, nanan-kery ka nahazoan'izay rehetra nandika sy tsy nanaiky sazy tandrifin'azy avy, 3 hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran'ny tenan'ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika, 4 sady Andriamanitra koa efa nankatò azy tamin'ny famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny asa lehibe samihafa mbamin'ny fanomezana nozarazarain'ny Fanahy Masina araka ny sitra-pony? 5 Eny tokoa, tsy mba anjely no nametrahan'Andriamanitra eo ambaniny izao fiainan-ko avy lazainy izao.

6 Fa amin'ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak'olombelona no amangianao azy? 7 Nataonao ambany vetivety noho ny anjely izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin'ny asan-tànanao, 8 ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra. Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny izy, dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy. Fa izao anefa tsy mbola hitantsika natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra; 9 fa ilay natao ambany vetivety noho ny anjely, dia izay Jesoa no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra izy. 10 Fa mendrika an'ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin'ny voninahitra, ny nandavorary ao amin'ny fijaliana ilay ihavian'ny famonjena an'ireo.

11 Satria fototra iray ihany no nihavian'izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, àny ka tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy, araka ny teniny hoe: 12 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho, hankalaza anao eo afovoan'ny Eglizy aho; 13 sy ny hoe: Izaho hatoky azy; ary ny hoe: Inty aho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra ahy. 14 Koa satria mana-nofo aman-drà ny zaza, dia mba naka izany koa izy, handringanany amin'ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan'ny fahafatesana, dia ny demony,

15 sy hanafahany an'izay rehetra niharan'ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana. 16 Na aiza na aiza tsy mba anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny. 17 Ka izany no tsy maintsy nanaovana azy mitovy amin'ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po izy sy Mpisorona mahatoky ny amin'Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan'ny olona; 18 fa noho ny tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

Toko faha-3

1 Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona amin'ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apostoly sy ny Mpisorom-ben'ny finoana arahintsika, dia Jesoa,

2 izay nahatoky an'ilay nanendry azy, tahaka an'i Moizy "tao amin'ny tranony rehetra" koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1779