Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito

Toko voalohany

6 dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy, na maditra. 7 Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin'Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola; 8 fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena, 9 mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany. 10 Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,

11 ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola. 12 Hoy ny anankiray tamin'izy ireny, izay ataony ho mpaminaniny: Ny olona any Kreta dia fandainga lalandava, biby masiaka, kamo be tenda. 13 Filazana marina izany. Ka asio mafy izy ireo mba ho marim-pinoana, 14 sy tsy hihaino izay anganongano foanan'ny Jody, na ny didin'ny olona mihataka amin'ny fahamarinana. 15 Madio ny zavatra rehetra amin'ny olona madio; fa amin'ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany. 16 Manao azy ho mahalala an'Andriamanitra izy ireo, nefa mandà azy amin'ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.

Toko faha-2

1 Fa hianao kosa, milazà izay mety araka ny fampianarana marina;

2 amin'ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin'ny finoana sy amin'ny fitiavana ary amin'ny fandeferana; 3 amin'ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin'ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara, 4 mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany, 5 hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokan-tranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin'Andriamanitra. 6 Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry, 7 ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin'ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, 8 marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika. 9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony, hanao izay mahafaly azy amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly foana,

10 tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin'ny zavatra rehetra ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika. 11 Fa efa niseho ny fahasoavan'Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra,

12 mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona amin'ity fiainana ity manana ny toetr'olona mahalala onony, marina, tia vavaka, 13 miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia Jesoa-Kristy, 14 izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an'ny tenany ny vahoaka izay ho azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra. 15 Izany no tsy maintsy hotorinao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao.

Toko faha-3

1 Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin'izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,

2 tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin'ny olona rehetra. 3 Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon'ny faniriana amam-pilan-dratsin'ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa. 4 Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan'Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, 5 dia tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; izy no namonjy antsika tamin'ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina, 6 izay nampidininy be dia be tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika; 7 mba hohamarinin'ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay. 8 Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara no filaza azy, mba hikely aina amin'ny fanaovana asa soa izay mino an'Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.

9 Fa raha ny amin'ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin'ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana. 10 Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rahefa nanarinao tsy zaka indray maka na indroa, 11 satria fantatrao fa efa ratsy mihitsy ny toy izany sady manota, fa ny tenany aza no manameloka azy. 12 Rahefa maniraka an'i Aretmasy na Tisiko aty aminao aho, dia tongava faingana aty amiko aty Nikopolisy, fa mikasa handany ny ririnina any aho.

13 Vonony tsara izay ilain'i Zenasy mpahay ny Lalàna sy Apolo amin'ny diany, mba tsy hisy tsy ampy izay ilainy. 14 Aoka ny rahalahintsika koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rahefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy. 15 Manao veloma anao avokoa izay rehetra tia antsika amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Filemona

Toko voalohany

1 Paoly mpifatora noho ny amin'ny Kristy Jesoa, sy Timote rahalahy, mamangy an'i Filemona malala sady mpiara-miasa aminay,

2 sy Apia anabavy malala, sy Arkipo mpiara-miady aminay, ary ny Eglizy izay ao an-tranonao: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 4 Mahatsiaro anao mandrakariva amin'ny fivavahako aho ka misaotra an'Andriamanitra,

5 satria reko ny finoanao an'i Jesoa Tompo sy ny fitiavanao ny olona masina rehetra. 6 Enga anie ny hazavam-ponao avy amin'ny finoana ka hanan-kery tokoa hampiharihary fatratra ny soa rehetra ananantsika amin'ny alalan'ny Kristy! 7 Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho hianao efa namelombelona ny fon'ny olona masina, ry rahalahy. 8 Koa amin'izany, na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin'ny Kristy amin'izay tokony hataonao,

9 dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izao Paoly efa antitra sady mpifatotr'i Jesoa-Kristy koa ankehitriny;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1755