Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-2

21 Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin'ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an'ny tompony ary voaomana amin'ny asa soa rehetra. 22 Andosiro ny filàn'ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin'izay miantso ny anaran'ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Ialao ny ady hevitra adaladala sy tsy misy antony, satria fantatrao ihany fa mahatonga fifandirana ireny. 24 Fa tsy mety amin'ny mpanompon'Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen'Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy, 26 ka hody ny sainy, ary ho afaka amin'ny fandriky ny demony izy, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitra-pony.

Toko faha-3

1 Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra;

2 fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, 3 tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, 4 mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan'ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, 5 ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro. 6 Fa anisan'izany ireo mitsofoka any an-tranon'ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran'ny ota sy tarihin'ny filana maro, 7 ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana. 8 Tahaka ny nanoheran'i Janesy sy Jambresy an'i Moizy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana, 9 kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin'ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany. 10 Fa hianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,

11 ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjo ahy, toy ny tany Antiokia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany ny Tompo. 12 Dia hita fa izay rehetra te-ho velona araka an'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa dia henjehina, 13 fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. 14 Ary hianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao,

15 sady hatry ny fony mbola zaza hianao no efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin'ny famonjena noho ny finoana ny Kristy Jesoa. 16 Satria ny Soratra rehetra avy amin'ny fanilovan'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin'ny fahamarinana, 17 mba hahalavorary ny olon'Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin'ny asa soa rehetra.

Toko faha-4

1 Izao no angatahina aminao, eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:

2 mitoria ny teny, ary mahareta amin'izany na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva. 3 Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; 4 dia hanentsin-tadiny amin'ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin'ny angano foana. 5 Fa hianao kosa, malìna amin'ny zavatra rehetra, miareta amin'ny fahoriana, ataovy ny asan'ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao. 6 Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. 7 Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; 8 hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo mpitsara marina ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny hahatongavany koa. 9 Tongàva faingana aty amiko hianao; fa nilaozan'i Demasy aho, noho ny fitiavany an'izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalonìka izy.

10 Kresensy lasa nankany Galatia, ary Tito any Dalmatia. 11 Lioka irery no eto amiko, ka alao Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin'ny raharaha izy. 12 Tisiko dia nirahiko ho any Efezy. 13 Ento kely ilay kapaoty navelako tany Troasy ao amin'i Karposa rahefa mankaty hianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra. 14 Be loatra ny ratsy nafitsok'i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany. 15 Ary hianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay. 16 Tsy nisy nanampy ahy tamin'ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan'izy rehetra aho; enga ka tsy hotanana ho helony izany!

17 Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan'ny jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan'ny liona aho. 18 Hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin'ny fanjakany any an-danitra. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amena. 19 Veloma any amin'i Priskà sy Akilasy ary ny fianakavian'i Onesiforo.

20 Nijanona any Korinto i Erasta; ary navelako any Mileto i Trofimo fa narary. 21 Aza ela, fa tongava aty alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo, sy Podensy, sy Lino, ary Klaodià, mbamin'ny rahalahy rehetra. 22 Ho amin'ny fanahinao anie Jesoa-Kristy Tompo. Ary ho aminareo anie ny fahasoavana. Amena.

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito

Toko voalohany

1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesoa-Kristy momba ny finoan'ny olom-pinidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,

2 noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan'ny taona rehetra; 3 fa tamin'ny fotoana voatendriny no nampiharihariany ny teniny tamin'ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika: 4 dia mamangy an'i Tito, zanako malala amin'ny finoana iombonantsika; ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika. 5 Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1767