Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-6

10 Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin'izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin'ny fijaliana maro. 11 Koa aoka àry hianao, ry olon'Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izao no ananarako anao eo anatrehan'Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy ny Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pontsy-Pilaty: 14 tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin'ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 15 izay hasehon'Andriamanitra amin'ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny tompo. 16 Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin'ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita azy na mety hahita azy, ary azy ny voninahitra sy fanjakana mandrakizay. Amena. 17 Anaro ny mpanan-karena amin'izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an'Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;

18 ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin'ny asa soa, hazoto manome sy miantra, 19 dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana. 20 Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny laha-teny foana tsy mahasoa, mbamin'ny fanoheran-kevitra avy amin'ny fahaizana mpisandoka anarana,

21 izay narahin'ny sasany ka napihataka azy tamin'ny finoana. Ho aminareo anie ny fahasoavana! Amena.

Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitra-pon'Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin'ny Kristy Jesoa,

2 mamangy an'i Timote, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy ny Kristy Jesoa Tompontsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra izay tompoiko amin'ny saina madio aho, araka ny nataon'ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman'alina amin'ny fivavahako.

4 Tsaroako izany ranomasonao, ka maniry hahita anao aho mba ho feno hafaliana. 5 Tsaroako koa ny finoana tsy misy fahony ao anatinao, izay nitoetra tao amin'i Loisa renibenao taloha, dia tao amin'i Eonisa reninao indray, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izao. 6 Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin'ny fametrahako tànana taminao.

7 Fa tsy fanahy osa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. 8 Koa aoka hianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra, 9 izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin'ny Kristy Jesoa, talohan'ny taona rehetra, 10 sy naharihary ankehitriny, tamin'ny nisehoan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika, ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin'ny Evanjely. 11 Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny jentily; 12 ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin'izany anefa aho, fa fantatro izay ninoako, ary matoky aho fa izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-pihavin'izay andro izay. 13 Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'ny Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

14 Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao. 15 Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan'ireny Figelo sy Hermogena.

16 Fa homen'ny Tompo famindram-po kosa anie, ry Onesiforo mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako, 17 fa vao mainka koa nitady ahy fatratra aza izy tany Roma ka nahita ahy; 18 ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay, ary hianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.

Toko faha-2

1 Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin'ny fahasoavana ao amin'ny Kristy Jesoa hianao;

2 ary aoka ny fampianarana renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro, hafindranao amin'ny olona matoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray. 3 Miareta ny anjara fijalianao amin'ny maha-miaramila tsaran'ny Kristy Jesoa anao. 4 Ny miaramila te-hahazo sitraka amin'izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao; 5 izay mifaninana hahazo loka amin'ny kianja filalaovana koa tsy mahazo satro-boninahitra raha tsy niady ara-dalàna; 6 ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka rahefa izany vao mandray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko aminao, fa homen'ny Tompo fahalalana amin'ny zavatra rehetra hianao. 8 Tsarovy fa Jesoa-Kristy, ilay avy amin'ny taranak'i Davida, dia nitsangana tamin'ny maty araka ny Evanjely torìko,

9 izay iaretako fijaliana hatramin'ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin'Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra. 10 Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin'ny olom-pinidy, mba hahazoan'izy ireo koa ny famonjena izay ao amin'ny Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà azy isika, dia izy koa handà antsika; 13 raha mivadika isika, izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny tenany. 14 Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.

15 Mikeleza aina mba hiseho amin'Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin'ny teny fahamarinana. 16 Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian'ireny mpanao izany, 17 ary mihinana toy ny fery mihady ny tenany; amin'ireny Himeneo sy Fileto, 18 izay nania tamin'ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan'ny maty, ary mandrava ny finoan'ny sasany. 19 Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra, sady voaisy tombo-kase hoe: Fantatry ny Tompo ny azy, sy hoe: Aoka hiala amin'ny ratsy izay rehetra manonona ny anaran'ny Tompo. 20 Tsy fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao amin'ny trano be soa, fa fanaka hazo sy tany koa, ka ny sasany hajaina, fa ny sasany kosa atao tsinontsinona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1854