Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-4

1 Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin'ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demony,

2 izay haelin'ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany; 3 handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon'Andriamanitra horaisin'ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana. 4 Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon'Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rahefa raisina amim-pisaorana koa, 5 satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana. 6 Izany no ampianaro ny rahalahy, dia ho mpandraharaha tsaran'ny Kristy Jesoa hianao, mivelona amin'ny teny finoana mbamin'ny fampianarana tsara efa narahinao.

7 Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavo; ary mampiasà ny tenanao amin'ny fivavahana. 8 Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin'ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin'ny fiainana ankehitriny, na amin'ny fiainana ho avy. 9 Eny, teny marina tokoa izany, ka tokony hekena amim-pitokiana, 10 fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an'Andriamanitra velona, Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino. 11 Izany àry no zavatra handidianao sy hampianarinao.

12 Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an'ny mpino hianao amin'ny teny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, ary amin'ny fahadiovana. 13 Mandra-pihaviko, milozòha amin'ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. 14 Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana maro mbamin'ny fametrahan-tànan'ireo Pretra tafangona. 15 Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin'izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin'ny olona ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin'izany, fa raha manao izany hianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Toko faha-5

1 Aza anarina mafy loatra ny anti-dahy, fa anaro toy ny ray izy; ary ny tovolahy, toy ny rahalahy;

2 ny anti-bavy, toy ny reny; ny tovovavy, toy ny anabavy, amim-pahadiovana tanteraka. 3 Omeo voninahitra ny mpitondratena, izay tena mpitondratena tokoa.

4 Fa raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy kosa, dia aoka ho ireo aloha no hianatra hanaja ny fianakaviany, ka hamaly babena ny ray aman-dreniny, fa izany no sitrak'Andriamanitra. 5 Ny hoe mpitondratena tokoa, dia honjohonjon'izy irery no sisa, Andriamanitra no hany antenainy, ka maharitra amin'ny fangatahana amam-pivavahana andro aman'alina izy; 6 fa izay manaram-po amin'ny fahafinaretana foana, dia toa velona, nefa maty tenany. 7 Izany àry no andidio azy ireo, mba tsy hananany tsiny; 8 fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza. 9 Ny soratana ho isan'ny mpitondratena dia aoka tsy ho latsaka ny enim-polo taona, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha,

10 tsara laza amin'ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olo-masina, niantra ny ory, nazoto tamin'ny asa soa rehetra. 11 Fa aza mandray ny mpitondratena tanora, satria rahefa voan'ny filan'ny nofo ka tofoky ny Kristy ireny, dia ta-hanambady indray, 12 ka meloka, fa nivadika ny teny napetrany voalohany; 13 sady midonana-poana koa ireny, ka rafitra ny hitety trano, dia tsy midonana-poana fotsiny, fa be taria, misafo ny an'olona, miresaka ny tsy tokony horesahina. 14 Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokan-tranony; ary tsy hanome basy hamelezan'ny fahavalo vava ratsy, 15 satria efa nisy lasa nivily sahady hanaraka an'i Satana. 16 Raha misy mpino manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy no hamelona azy, mba tsy hahavaky tratra ny Eglizy, sy hahazoany mamelona izay tena mpitondratena. 17 Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,

18 fa hoy ny Soratra Masina hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary; ary koa: Ny mpiasa dia mendrika ny tambiny. 19 Aza mandray teny fiampangana Pretra, raha tsy misy vavolombelona roa na telo; 20 ka izay manota, dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hampatahotra ny sasany koa. 21 Mihanta aminao eo anatrehan'Andriamanitra sy Jesoa-Kristy ary ny anjely olom-pinidy aho, mba tsy hanananao olon-tiana, na hasianao fiangarana kely akory ny fitandremana izany zavatra izany.

22 Aza malaky mametra-tànana amin'iza na iza, ary aza miombona ota amin'olona, fa tahirizo madio ny tenanao. 23 Aza dia tsy misotro afa-tsy rano, fa mba misotroa divay kely koa, noho ny ambavafonao sy ny fahosaosanao matetika. 24 Ny fahotan'ny sasany dia miharihary ka mialoha ny fitsarana; fa ny an'ny sasany kosa, dia manaraka ato aoriana; 25 toy izany koa ny asa tsara: misy miharihary, misy tsy toy izany aloha, nefa tsy ho azo afenina lalandava.

Toko faha-6

1 Ny mpanompo rehetra ao ambany jiogan'ny sasany, dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tokoa, mba tsy ho voateny ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarany.

2 Ary raha mpino no tompon'izy ireo, dia rahalahiny ihany ka aoka tsy hoesoiny, fa vao mainka hotompoiny tsaratsara kokoa aza, satria tsy iza fa ny rahalahy malalany ihany no tompoiny. Tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona izany. 3 Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin'i Jesoa-Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana mampanaja an'Andriamanitra,

4 dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ady hevitra aman'ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, 5 fifanoherana tsy misy farany, fanaon'ny olona efa ratsy saina sy nialan'ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena. 6 Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban'ny fianinana; 7 satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin'izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto: 8 koa rahefa manan-kohanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin'izany. 9 Fa izay te-hanan-karena, dia tafalatsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin'ny fandringanana amam-pahaverezana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1953