Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

2 mamangy an'i Timote, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompontsika! 3 Mampahatsiahy anao aho, fa fony aho ndeha ho any Masedonia, dia nangataka anao hitoetra ao Efezy, mba handidy ny sasany tsy hanao fampianarana tsy izy,

4 na hikatsaka anganongano aman-tetiarana tsy hita lany, izay vao maika mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny asan'Andriamanitra miorina amin'ny finoana. 5 Ny antony kendrena amin'izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin'ny fo madio sy kosiansy tsara ary finoana tsy misy famahony; 6 fa efa nivilian'ny sasany izany, ka nilaozany nankany amin'ny bedibedy foana; 7 mihambo ho mpampiana-dalàna izy ireny, nefa tsy mahalala izay lazainy sy itompoany ho marina akory. 8 Fantatsika fa tsara ny Lalàna, raha ampiasain'ny olona araka ny antony marina, 9 sy heveriny tsara fa tsy natao ho an'ny olo-marina izy, fa ho an'ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10 ny mpijangajanga, ny mpiray samy lehilahy, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, mbamin'ny hafa rehetra manao zavatra mifanohitra amin'ny fampianarana marina, 11 atoron'ny Evanjelin'ny voninahitr'Andriamanitra sambatra, izay napetraka tamiko. 12 Misaotra ny Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,

13 dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana; 14 fa nony nomban'ny finoana amim-pitiavana izay ao amin'ny Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan'ny Tompontsika. 15 Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tety an-tany ny Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy; 16 fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan'ny Kristy Jesoa ny haben'ny famindram-pony amiko aloha, mba ho fianarana ho an'izay hino azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. 17 Ho an'ny Mpanjakan'ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. 18 Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany no hiadianao ny ady tsara,

19 sy amim-pitanana ny finoana sy ny konsiansy tsara izay efa narian'ny sasany, ka rendrika ny amin'ny finoana terý izy ireny; 20 anisan'ireny Himeneo sy Aleksandra, izay natolotro an'i Satana, mba hofaizina tsy hiteny ratsy.

Toko faha-2

1 Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an'ny olona rehetra,

2 ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an'Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka. 3 Izany no tsara sy ankasitrahana eo imason'Andriamanitra Mpamonjy antsika, 4 izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin'ny fahalalana ny marina. 5 Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jesoa tonga olombelona, 6 izay nanolotra ny tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voambara tamin'ny fotoany izany, 7 ary ny hitory izany nametrahana ahy ho mpitory sy Apostoly ary ho mpampianatra ny jentily amin'ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga. 8 Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tànana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina;

9 toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena, tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy no atao, 10 fa asa soa araka ny mety amin'ny vehivavy mpivavaka. 11 Aoka hangina ny vehivavy raha ampianarina, ka hanaiky tsara;

12 fa tsy avelako hampianatra ny vehivavy, na handidy ny lehilahy, fa hangina ihany. 13 Satria Adama no natao voalohany, vao Eva; 14 ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy voafitaka no tonga nanota; 15 nefa hovonjena ihany izy, noho ny fiterahan-jaza, raha tàhiny maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamarinana amam-pahalalana onony.

Toko faha-3

1 Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan'ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy.

2 Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, 3 tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, 4 mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary; 5 fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitondra ny Eglizin'Andriamanitra? 6 Tsy zazavao amin'ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin'ny fanamelohana nanjò ny demony. 7 Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin'ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baraka sy voan'ny fandriky ny demony. 8 Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana,

9 mitana ny misterin'ny finoana amim-pieritreretana madio; 10 ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny. 11 Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra. 12 Aoka ny Diakra ho olona tsy nanambady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin'ny ankohonany. 13 Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an'ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin'ny finoana izay ao amin'ny Kristy Jesoa. 14 Manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankaty aminao faingana aza,

15 satria amin'izay, raha tàhiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, dia ny Eglizin'Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan'ny marina. 16 Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy, niseho tamin'ny anjely, notorina tany amin'ny jentily, ninoana tamin'izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1995