Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-5

27 Mihanta aminareo amin'ny anaran'ny Tompo aho, mba vakio amin'ny rahalahy rehetra ity taratasy ity. 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.

Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko voalohany

1 Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonì ka izay tafaray ao amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.

4 Tonga reharehanay any amin'ny Eglizin'Andriamanitra hianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin'ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza. 5 Famantarana ny hamarinan'ny fitsaran'Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izay antony iaretanareo hianareo. 6 Satria, moa tsy izao va no rariny amin'Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an'izay mampahory anareo,

7 sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahoriana, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan'ny afo miredareda, Jesoa Tompo mbamin'ny anjelin'ny heriny, 8 hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra, sy tsy mankatò ny Evanjelin'i Jesoa Tompontsika? 9 Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny tavan'ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an'ireny, 10 amin'ny andro hahatongavany, mba hanomezam-boninahitra azy eo amin'ny olo-masiny, sy higagana azy eo amin'izay rehetra nino; ary hianareo dia nino ny fanambaranay ny Evanjely teo aminareo. 11 Mandra-pihavin'izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon'ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo hianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan'ny finoanareo, 12 ka hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesoa Tompo, sy hianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan'ny Andriamanitsika sy Jesoa-Kristy Tompo.

Toko faha-2

1 Ny amin'ny hahatongavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry rahalahy,

2 mba tsy hety hozongozonin-tsaina mora foana hianareo, na ho azo ampitahotahorina foana, na amin'ny fanahy izany, na amin'ny teny, na amin'ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron'ny Tompo. 3 Aza mety hofitahin'olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana, 4 izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin'izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin'ny tempolin'Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza. 5 Tsy tsaroanareo va fa zavatra efa voalazako taminareo izany, fony aho mbola tany aminareo?

6 Ary ankehitriny, fantatrareo ny zava-misakana azy tsy hiseho amin'ny fotoan'androny. 7 Fa efa miasa sahady ny hevi-miafim-paharatsiana izao, saingy ilay misakana no mbola ao mandra-pihàtany, 8 ka dia hiseho amin'izany ilay ratsy, ka holevonin'i Jesoa amin'ny fofon'ain'ny vavany, sy hofoanany amin'ny fisehoan'ny fahatongavany. 9 Ary ny fisehoan'ilay ratsy, noho ny asan'i Satana dia homban'ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra, 10 sady harahiny ny fanangolen-dratsy rehetra an'izay ho very, noho ireo tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena. 11 Hany ka anirahan'Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo hinoany ny lainga, 12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. 13 Ary izahay, ry rahalahy malalan'ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho hianareo nofidin'Andriamanitra hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, sy amin'ny finoana ny marina;

14 ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin'izany, mba hahazoanareo ny voninahitr'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy; ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin'ny teny am-bava, na ny tamin'ny taratasinay. 16 Enga anie Jesoa-Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana, 17 no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin'ny asa tsara aman-teny soa rehetra!

Toko faha-3

1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin'Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny aty aminareo;

2 ary mba ho afaka amin'ny olon-dratsy sy mahasosotra izahay; fa tsy an'ny olona rehetra moa ny finoana. 3 Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin'ny ratsy. 4 Matoky anareo ao amin'ny Tompo izahay, fa sady manao no mbola hanao ny zavatra nandidianay hianareo. 5 Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dàlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny faharetan'ny Kristy. 6 Mandidy anareo amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin'ny rahalahy rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.

7 Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakan-tahaka anay, fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay. 8 Tsy mba nihina-mofon'olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman'alina, ka sasatra sy trotraka erý, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza; 9 tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa, fa noho izahay te-hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo. 10 Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana koa. 11 Renay anefa fa ny sasany aminareo dia tsy mahay miaina, sady tsy miasa fa manaonao foana. 12 Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin'i Jesoa-Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny azy ihany. 13 Ary aoka hianareo, ry rahalahy, tsy ho ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.

14 Raha misy tsy manaiky ny teninay amin'ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambankambana aminy intsony mba hahamenatra azy. 15 Aza atao fahavalo anefa izy, fa anaro toy ny rahalahy. 16 Ny Tompon'ny fiadanana anie hanome fiainana anareo mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. 17 Ity no veloma soratan'ny tànako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.

18 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy, araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy Jesoa-Kristy fanantenantsika,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1758