Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-2

5 Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?

6 Ary hianareo kosa ka ny mahantra indray no alanareo baràka! Moa tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin'ny fitsarana? 7 Ary moa tsy izy ireny ihany koa va no miteny ratsy ny anarana tsara iantsoana anareo? 8 Raha hianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan'ny Soratra Masina hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, dia manao tsara hianareo; 9 fa raha mizaha tavan'olona kosa hianareo, dia manota, ka helohin'ny Lalàna ho mpanota. 10 Fa na zovy na zovy nitandrina ny Lalàna manontolo, nefa diso amin'ny anankiray monja, dia meloka amin'izy rehetra. 11 Satria ilay nanao hoe: Aza mijangajanga ihany no nanao hoe: Aza mamono olona koa. Ka na tsy mijangajanga aza hianao, nefa mamono olona, dia mpandika lalàna ihany. 12 Mitenena sy manaova toy ny olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana. 13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana. 14 Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?

15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, 16 ka ilazan'ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany? 17 Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban'asa izy, dia tena maty mihitsy. 18 Hamaly koa ny olona hanao hoe: Hianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. 19 Hianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra. 20 Fa moa te-hiaiky va hianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban'asa?

21 Moa tsy ny asa va no nanamarinana an'i Abrahama razantsika, tamin'izy nanolotra an' Isaaka zanany teo ambonin'ny otely? 22 Hitanao fa niara-nanao ny finoana sy ny asany; ary ny asa aza no nahatontosa ny finoany. 23 Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary Abrahama nino an'Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan'Andriamanitra izy. 24 Hitanao amin'izany fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana fotsiny ihany. 25 Toy izany koa Rahaba, vehivavy janga; moa tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy, dia tamin'ny nandraisany an'ireo irak'i Josoe, sy nampandehanany azy tamin'ny làlan-kafa? 26 Toy ny ahafatesan'ny vatana tsy misy fanahy no ahafatesan'ny finoana tsy omban'asa koa.

Toko faha-3

1 Ry rahalahiko, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.

2 Fa manota amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy tsy manota amin'ny teny, olona lavorary izy, ka mahafehy ny tenany rehetra koa. 3 Raha te-hitondra ny soavaly isika, ny vavany no asiantsika lamboridy, dia zakantsika mbamin'ny tenany rehetra koa. 4 Jereo koa ange ny sambo: fanamory kely foana no anodinan'ny mpitondra azy amin'izay tiany, na toy inona habeny, na ahoana hamafin'ny rivotra manoha azy. 5 Toy izany koa ny lela: rantsam-batana kely foana izy, nefa zava-dehibe no mety ho vitany. Jereo izay afo kely foana: dia ala lehibe manao ahoana no doroany! 6 Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin'ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen'afo izy, ka mandrehitra ny fandehan'ny andro iainantsika. 7 Azo folahina avokoa ny biby isan-karazany, ny vorona, ny biby mandady, mbamin'izay any an-dranomasina, ka efa voafolaky ny olombelona; 8 fa tsy misy olona nahafolaka ny lela na dia iray aza. Zava-mandoza tsy laitra tohanana izy, sady feno poizina mahafaty. 9 Izy no isaorantsika an'Andriamanitra Raintsika, nefa izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao mitovy endrika amin'Andriamanitra: 10 koa iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry rahalahiko. 11 Moa ny vavan'ny loharano iray va mamoaka rano mamy sy mangidy? 12 Moa ny aviavy, ry rahalahiko, mety mamoa oliva; na ny foto-boaloboka va, mamoa voan'aviavy? Toy izany koa, ny loharano masirasira tsy mahay mamoaka rano mamy. 13 Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin'ny fitondrany tena tsara ny asan'ny halemem-panahy amam-pahendreny.

14 Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina. 15 Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa avy amin'ny tany, sy ara-batana, ary avy amin'ny demony; 16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. 17 Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indra fo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18 Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana.

Toko faha-4

1 Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin'ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin'ny nofonareo va?

2 Mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona hianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady hianareo; ary hianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka hianareo; 3 mangataka hianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan'ny filan-dratsinareo, ka tsy mahazo hianareo. 4 Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon'Andriamanitra.

5 Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoeriny ao anatinareo? 6 Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena. 7 Koa maneke an'Andriamanitra hianareo, ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy. 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina. 9 Fantaro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo. 10 Manetre tena eo anatrehan'Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1758