Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-4

11 Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny, na mitsara ny rahalahiny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy.

12 Iray monja no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia ilay mahay mamonjy na mamery. 13 Ary hianao kosa mba iza, no mitsara ny namana? Ary inty ny aminareo izay manao hoe: Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herin-taona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra: 14 kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory hianareo; 15 fa inona moa ny ainareo? - Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: Raha sitra-pon'Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay. 16 Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo hianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. 17 Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.

Toko faha-5

1 Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.

2 Ny harenareo efa lò; ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao; 3 ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin'ny andro farany hianareo. 4 Indro, mitaraina ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mbý ao an-tsofin'ny Tompon'ny tafika ny fitarainany. 5 Nivelona teto an-tany tamin'ny hanim-py hianareo sy nanaram-batana tamin'ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin'ny andro fandringanana hianareo. 6 Nanameloka sy namono ny olo-marina hianareo, fa tsy nanohitra anareo izy. 7 Koa mahareta àry, ry rahalahiko, mandra-pihavin'ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny voka-tsoan'ny tany: mandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.

8 Aoka àry hianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahiko, fandrao dia helohina hianareo. Indro efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara! 10 Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin'ny anaran'Andriamanitra, ry rahalahy, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana. 11 Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan'i Joba; ary efa hitanareo koa ny nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany. Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra. 12 Fa alohan'ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, dia aza mianiana akory, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan'ny fitsarana hianareo.

13 Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.

14 Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran'ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo. 15 Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary; hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany. 16 Koa mifampieke fahotana hianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana hianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon'ny olo-marina an-kafanam-po. 17 Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana; 18 ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. 19 Ry rahalahiko, raha misy ao aminareo miala amin'ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy,

20 dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.

Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko voalohany

1 Piera, Apostolin'i Jesoa-Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Ponto, Galatia, Kapadosia, Asia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy,

2 araka ny fahalalan'Andriamanitra Ray rahateo, tamin'ny fanamasinan'ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin'ny famafazana ny ran'i Jesoa-Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie hianareo! 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben'ny famindram-pony, noho ny fitsanganan'i Jesoa-Kristy tamin'ny maty, ho amin'ny fanantenana velona,

4 hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, 5 dia anareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin'ny andro farany. 6 Ny fiheverana an'izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy hampahorin'ny fitsapana samihafa vetivety ihany hianareo,

7 ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin'ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin'ny andro hisehoan'i Jesoa-Kristy. 8 Tia azy hianareo, na dia mbola tsy nahita azy na oviana na oviana aza; mino azy hianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina azy; izany no iontanan'ny fonareo amin'ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra, 9 sady matoky hianareo fa hahazo ny antenain'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. 10 Izany famonjena izany no zavatra nokatsahiny sy nokarohin'ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.

11 Nohadihadin'izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran'ny Fanahin'ny Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjo ny Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. 12 Ary nambara tamin'izy ireo fa izany no nomena horaharahainy dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin'ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin'ny Anjely hojerena. 13 Koa amin'izany, sikino ny valaham-panahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin'ny hisehoan'i Jesoa-Kristy no halehan'ny fanantenanareo rehetra.

14 Aoka ho zanaka manaiky hianareo, ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin'ny andron'ny tsy fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin'ny fitondran-tenanareo rehetra, 16 araky ny voasoratra hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina aho. 17 Ary raha ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy no antsoinareo hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana hianareo, mandritra ny andron'ny fivahinianareo ety 18 satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin'ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, 19 fa ny ra sarobidin'ny Kristy, ilay zanak'ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, 20 dia ilay talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin'izao andro farany izao no vao naseho, noho ny aminareo. 21 Tamin'ny alalany no nahazoanareo finoana an'Andriamanitra, izay nanangana azy tamin'ny maty, sy nanome voninahitra azy, ka zary fanantenana an'Andriamanitra koa ny finoanareo. 22 Noho hianareo efa nandio ny fonareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin'izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy, dia mifankatiava fatratra amin'ny fo tokoa;

23 fa efa nateraka indray hianareo, tsy tamin'ny voa mety lò, fa amin'ny voa tsy mety lò, dia ny tenin'Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1754