Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-4

2 mba tsy handaniany ny andro sisa hiainanay amin'ny nofo, araka ny danin'ny kibon'olombelona intsony, fa araka ny sitra-pon'Andriamanitra. 3 Ampy ny nanarahanareo ny fanaon'ny jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin'ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra. 4 Gaga izy ireo izao, fa tsy miara-manaram-po aminy amin'ny ratsy hianareo, ka manozona no ataony. 5 Nefa hampamoahan'ilay vonon-kitsara ny velona sy ny maty izy. 6 Fa izany no nitoriana ny Evanjely tamin'ny maty koa, dia mba ho velona araka an'Andriamanitra izy amin'ny fanahy, rahefa notsaraina araka ny fomban'ny olona amin'ny nofo. 7 Ary efa akaiky ny faran'ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.

8 Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro. 9 Mifampiantranoa, ka aza asiana monjomonjo. 10 Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen'Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara. 11 Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin'Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban'Andriamanitra fitahiana; mba hankalaza an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, izay Tompon'ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amena. 12 Ry malala, aza gaga amin'izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita;

13 fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba hanananareo anjara amin'ny fifaliana sy firavoravoana koa amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny 14 Sambatra hianareo raha tevatevaina noho ny anaran'ny Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin'ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin'Andriamanitra. 15 Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan'olona; 16 fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin'izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an'Andriamanitra aza, noho izany anarana izany. 17 Fa indro tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana amin'ny fianakavian'Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mino ny Evanjelin'Andriamanitra? 18 Ary raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hanjò ny tsy mivavaka sy ny mpanota? 19 Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitra-pon'Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin'ny fanaovan-tsoa, ho azy Mpahary tsy mivadika.

Toko faha-5

1 Mihanta amin'ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon'ny fijalian'ny Kristy, ary mpiombona amin'ny voninahitra izay haseho koa:

2 fahano ny ondrin'Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka hianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitra-po araka an'Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po; 3 tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; 4 ka rahefa miseho ilay Filohan'ny mpiandry, dia handray satro-boninahitra tsy mety simba hianareo. 5 Ary hianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.

6 Koa manetre tena eo ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin'ny andro voatendriny; 7 apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa izy no miahy anareo. 8 Mahalalà onony, ary miambena; fa ny demony fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.

9 Tohero izy, miorena mafy amin'ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. 10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rahefa miaritra kelikely hianareo.

11 Ho azy irery anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay. Amena. 12 Amin'ny alalan'i Silvano izay rahalahy mahatoky fantatro tsara fa ahy, no anoratako ho anareo ireo teny vitsivitsy ireo mba hilaza aminareo sy hampatoky anareo fa ny fahasoavan'Andriamanitra marina tokoa no iorenanareo.

13 Manao veloma anareo ny Eglizin'i Babilona, voafidy toy anareo, sy Marka zanako. 14 Mifampiarahabà amin'ny fifanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanana. Amena.

Epistola Faharoan'i Md. Piera

Toko voalohany

1 Simona Piera, mpanompo sy Apostolin'i Jesoa-Kristy, mamangy an'izay nahazo ny finoana saro-bidy toa anay, noho ny fahamarinan'i Jesoa-Kristy Andriamanitra Mpamonjy antsika:

2 Hitombo ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana amin'ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika. 3 Ny herin'izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa izy no nampahalala antsika tsara an'ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsarany;

4 dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan'izany ho mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra hianareo, rahefa afaka tamin'ny fahalòvan'ny filan-dratsin'izao tontolo izao. 5 Ka noho izany, aoka kosa hianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy, fahalalana; 6 ny fahalalana, fahalalana onony; ny fahalalana onony, fandeferana; ny fandeferana, fitiavam-bavaka; 7 ny fitiavam-bavaka, fitiava-namana; ny fitiava-namana, fiavana an'Andriamanitra. 8 Fa raha manana avokoa ireo zavatra ireo hianareo, sady manam-be, dia tsy havelan'ireo ho malaina na tsy hahavokatra ho amin'ny fahalalana tsara an'i Jesoa-Kristy Tompontsika.

9 Fa izay tsy manana an'ireo kosa dia jamba sy tsy mahajery lavitra ary manadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny. 10 Koa amin'izany, ry rahalahy, mikeleza aina kokoa mba handraikitra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo amin'ny fanaovan-tsoa; fa raha manao izany hianareo, dia tsy hivaona na oviana na oviana. 11 Ary amin'izany dia homena fidirana malalaka amin'ny fanjakan'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika hianareo. 12 Noho izany, hazoto mampahatsiaro anareo an'izany zavatra izany mandrakariva aho, na dia efa mahalala sy miorina mafy amin'ny fahamarinana efa ao aminareo aza hianareo.

13 Ataoko fa raha mbola amin'ity tranolay ity koa aho, dia adidiko ny mamoha anareo amin'ny fananarana, 14 satria fantatro fa akaiky ny hialako amin'ny tranolaiko araka izay nambaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika tamiko, 15 ka hanao izay zakako aho, mba hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva rahefa lasa aho. 16 Fa tsy nanaraka angano tsara lahatra foana izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery amam-pahatongavan'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany tokoa.

17 Endrey izany haja amam-boninahitra nomen'Andriamanitra Ray azy, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'ny voninahitra lehibe nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra. 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2036