Epistola Faharoan'i Md. Piera

Toko voalohany

19 Ary mafy orina kokoa ho antsika amin'izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin'ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan'ny kintana fitarik'andro ao am-ponareo. 20 Fantaro tsara anefa fa tsy avy amin'ny fisainan'olona fotsiny ny faminaniana rehetra ao amin'ny Soratra Masina; 21 satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana nentin'ny sitra-pon ny olona, fa ny Fanahy Masina no nampiteny ny olo-masin'Andriamanitra izay notsindriany.

Toko faha-2

1 Ary toy ny nisian'ny mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka fahiny, no hisian'ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an'ny tenany.

2 Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin'izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina. 3 Hataony varotra amin'ny teny manodòka hianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato. 4 Fa matoa tsy namindra fo tamin'ny anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itànany azy ho amin'ny fitsarana;

5 matoa tsy namindra fo tamin'izao tontolo izao fahiny izy, afa-tsy tamin'i Noe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony izy nahatonga safo-drano tamin ízao tontolo ratsy fanahy izao; 6 matoa nohelohiny hofongorana sy hanjary lavenona ny tanànan'i Sodoma sy Gomora, ary nataony ho anatry ny mpanao ratsy aty aoriana; 7 ary matoa izy namonjy an'i Lota olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondran-tenan-dry zareo tsy misoro-doza, 8 (fa ory loatra ny fanahin'io olo-marina io mahita sy mandre isan'andro ny fandikan'izy ireo ny Lalàna, fony izy niara-nitoetra taminy): 9 dia satria hain'izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin'ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin'ny andron'ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazìna, 10 indrindra fa ireo manaram-po amin'ny filan-dratsin'ny nofo, sy manamavo ny fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo voninahitra akory, 11 nefa na ny anjely izay mahery kokoa sy ambony fahefana aza, tsy mitsara sy tsy miteny ratsy azy ireo eo anatrehan'ny Tompo. 12 Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin'ny fahalotoany izy ireo: 13 izany no ho valin'ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fý sendra isan'andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin'ny fiaraha-mihinam-py aminareo. 14 Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo. 15 Niala tamin'ny làla-mahitsy izy ireo, ary nivily nanaraka ny làlan'i Balaama zanak'i Bosora, izay nankasitraka ny tambin'ny tsy fahamarinana, 16 nefa nahazo anatra noho ny fivadihany ity mpaminany, fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, nisakana ny hadalany. 17 Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin'ny tadio, ka aizina mainty be no miandry azy. 18 Teny manodoka sy tsy misy heviny no itarihany an'izay vao nandao ny olon-dratsin'ny nofo sy ny fahalotoana. 19 Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon'ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon'izay naharesy azy. 20 Ary raha olona efa niala tamin'ny faholotoan'izao tontolo izao, noho ny fahalalana an'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr'izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany. 21 Satria aleo tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalàna masina nampianarina azy. 22 Tanteraka amin'ireny ilay ohabolana marina hoe: Ny alika miverina amin'ny loany, ary ny kisoa voasasa mihosim-potaka indray.

Toko faha-3

1 Ry malala, ity no fanindroan'ny epistolà nosoratako ho anareo; ary izy roa dia samy entiko mampifoha ny sainareo mahitsy hitadidy tsara,

2 mba hahatsiarovanareo ny zavatra nambaran'ny didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsika nampianarin'ny Apostolinareo. 3 Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin'ny kibony,

4 ka hilaza hoe: Aiza ity fampanantenany hoe ho avy? Fa hatrizay nahafatesan'ny razana izay, tsy misy miova ny zavatra rehetra, fa toy ny hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ihany. 5 Odian'izy ireo tsy fantatra fa hatramin'ny voalohany dia efa nisy tokoa ny lanitra, ary toy izany koa ny tany, izay niseho avy amin'ny rano sy natao tamin'ny rano, noho ny tenin'Andriamanitra, 6 ary rano ihany koa no efa nandravana an'izao tontolo izao fahizany, tamin'ny nanasaforany azy. 7 Ary raha ny amin'ny lanitra sy ny tany ankehitriny, dia mbola ny tenin'Andriamanitra ihany koa no mitana sy mitahiry azy hodorana amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 8 Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin'ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.

9 Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo. 10 Ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon'ny afo, ny tany mbamin'ny asa rehetra eo aminy hodorana. 11 Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao, ho toy inona no tokony ho fahamasinan'ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,

12 amin'ny fiandrasana sy fanafainganana ny hihavian'ny andron'ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra? 13 Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan'ny fahamarinana. 14 Amin'ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo.

15 Minoa fa ny haelan'ny fandeferan'ny Tompontsika dia ho an'ny famonjena anareo, toy ny nanoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminareo koa, araka ny fahendrena nomena azy. 16 Toy izany koa no ataony amin'ny epistolàny rehetra izay ilazàny ny amin'izany zavatra izany; misy teny saro-pantarina anefa amin'ireny, izay aolan'ny sasany kely fahalalana sy ratsy orina, toy ny ataony amin'ny Soratra hafa koa, ka tonga fahaverezana ho azy. 17 Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo hianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison'ny ratsy fanahy, ka hiala amin'izay niorenanareo.

18 Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amena.

Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Izay efa nisy hatramin'ny voalohany, sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana; -

2 fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay, - 3 eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany. 4 Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo. 5 Izao no teny renay taminy, sy ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy misy aizina akory ao aminy.

6 Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina. 7 Fa raha mandeha amin'ny mazava toa azy ao amin'ny mazava koa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny ran'i Jesoa-Kristy Zanany dia manadio antsika amin'ny ota rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.178