Levitika

Toko faha-24

7 Hasianao emboka madio eo ambonin'ny isan'antontany avy, ho fahatsiarovana, eo ambin'ny mofo atolotra amin'ny afo ho an'ny Tompo. 8 Halahatra tsy tapaka isan'andro sabata ireo mofo ireo avy amin'ny zanak'Israely, eo anatrehan'ny Tompo: fanekem-pihavanana maharitra lalandava izany. 9 Ho anjaran'i Aarona sy ny zanany, ireo; ary eo amin'izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. Lalàna maharitra lalandava izany. 10 Nisy zanakalahin'ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejipsiana, nankeo afovoan'ny zanak'Israely: ary nifampila kisa teo an-toby ny zanakalahin'ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin'Israely.

11 Ny zanakalahin'ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salomita, zanak'i Dabrì, avy amin'ny fokon'i Dana; 12 ka nambenan'ny olona izy mandra-pilaza amin'izy ireo ny tenin'ny Tompo. 13 Dia niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 14 Asaovy mivoaka ny toby ilay mpanevateva, ka aoka hametra-tànana eo ambonin'ny lohany izay rehetra nandre azy, dia aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy. 15 Ary hiteny amin'ny zanak'Israely hianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony; 16 ary izay manevateva ny anaran'ny Tompo, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rahefa manevateva ny Anarana masina dia ho faty. 17 Izay mamono mahafaty olona, dia hovonoin-ko faty.

18 Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra hoatra azy: aina solon'ny aina. 19 Izay mandratra ny namany, dia hasiana toraky ny nataony: 20 tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify, izay ratra nafitsony ny namany dia mba afitsoka azy koa. 21 Izay mahafaty biby fiompy hanonitra hoatra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty koa. 22 Hofehezin'izany lalàna iray izany avokoa hianareo na vahiny na tompon-tany, fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 23 Nony voalazan'i Moizy tamin'ny zanak'Israely izany, dia navoakan'izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin'ny zanak'Israely ny didy nomen'ny Tompo an'i Moizy.

Toko faha-25

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafiditra any amin'ny tany omeko anareo hianareo, hisy fitsaharana ho an'ny tany; ho sabata fankalazana an'ny Tompo izany. 3 Mandritra ny taona enina no hamafazanao ny sahanao, mandritra ny taona enina no handrantsananao ny voalobokao sy hitoazanao ny vokany. 4 Fa ny taona fahafito kosa dia ho sabata fitsaharana lehibe ho an'ny tany, sabata fankalazana an'ny Tompo, ka tsy hamafy amin'ny taninao hianao na handrantsana ny voalobokao. 5 Aza mijinja izay maniry, avy amin'ny voa nihintsana tamin'ny fijinjana lasa, na hioty ny salohim-boaloboka avy amin'ny voaloboka tsy norantsanana: taona fitsaharana ho an'ny tany izany. 6 Izay ho vokatry ny tany mandritra ny sabatany dia hatao fivelomana ho anao, mbamin'ny ankizilahinao, ny ankizivavinao, ny mpikaramanao, ny vahiny miara-monina aminao; 7 ary ho an'ny biby fiompinao koa sy ny biby dia eo amin'ny taninao, dia hatao fivelomana ny vokany rehetra. 8 Hanisy taon-tsabata fito impito fito taona hianao: fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan'izany taona sabata fito izany.

9 Ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon'ny trompetra; amin'ny andron'ny Fanonerana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin'ny taninareo ny trompetra. 10 Ary ankamasino ny taona fahadimam-polo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an'ny mponina rehetra amin'ny tany. Fa Jobile ho anareo izany, ka samia hianareo mody amin'ny taniny avy, samia mody ao amin'ny fianakaviany avy. 11 Jobile ho anareo ny taona fahadimam-polo: tsy hamafy hianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin'ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana, 12 fa Jobile izany, ka masina ho anareo. Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo. 13 Amin'izany taona Jobile izany, samia hianareo mody amin'ny taninareo avy.

14 Raha misy varotra ifanaovanareo amin'ny namanareo, na misy zavatra vidinareo aminy, dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny. 15 Araka ny isan-taona isaina hatramin'ny Jobile lasa teo no hividiananao amin'ny namanao, ary araka ny isan'ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao. 16 Araka ny hamaroan'ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny, ary araka ny havitsian'ny taona no hampihenanao ny vidiny: satria ny isan'ny vokatra isan-taon-pijinjana no ivarotany aminao. 17 Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo hianareo, fa matahora an'Andriamanitra, satria izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 18 Araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ary tanteraho izany, ka handry fahizay amin'ny tany hianareo.

19 Ny tany hahavokatra, hianareo hihinana amim-panaranam-po, ka dia handry fahizay hianareo. 20 Ndrao manao hoe hianareo: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito, fa tsy hamafy izahay, na hampakatra ny vokatray? 21 Hampidina aminareo ny fanambinako amin'ny taona fahenina aho, dia hahavokatra ho ampy anareo telo taona izy; 22 amin'ny taona fahavalo no hamafazanareo, ka hihinana ny tranainy hianareo, ary hatramin'ny taona fahasivy, mandra-pahavokaran'ny taona dia hihinana ny tranainy hianareo. 23 Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa ahy ny tany; ary hianareo hipetraka aty amiko toy ny vahiny sy olona mpihavy fotsiny.

24 Avelao ho azo avotana avokoa ny tany ao amin'ny tany rehetra hanananareo.

25 Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin'ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny. 26 Raha tsy manana olona ho solony ralehilahy, fa ny tenany ihany no mba mahita izay ampy hanavotany azy; 27 hisainy ny taona hatramin'ny nivarotany azy, ka izay an-kevitry ny taona sisa no haloany amin'ilay nivarotany azy, dia hody amin'ny taniny indray izy. 28 Ary raha tsy mahazo izay ampy handoavany izany onitra izany izy dia hitoetra eo an-tànan'ilay nividy ihany aloha ny tany namidiny, mandra-pahatongan'ny taona Jobile, fa amin'ny Jobile dia afaka izy, ka hody amin'ny fananany indray. 29 Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tanàna mimanda dia azony avotana izany, mandritra ny herintaona hatramin'ny nivarotany azy, ka maharitra hetintaona maninjitra no ahazoany manavotra azy.

30 Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona maninjitra kosa ilay trano ao anaty tanàna mimanda, dia tapaka varo-maty ho an'ilay nividy azy sy ho an'ny taranany, ka tsy ho afaka aminy amin'ny Jobile. 31 Fa ny trano ao amin'ny tanàna tsy voaisy manda manodidina kosa, dia hatao momba ny tany ihany: azo avotana ireny, ary ho afaka amin'ny Jobile. 32 Ny amin'ny tanànan'ny Levita kosa, ny amin'ny trano hananany ao an-tanàna, dia azony avotana hatrany hatrany. 33 Raha misy mividy trano amin'ny Levita, dia ho afaka amin'ny Jobile ny trano namidy ao amin'ny tanàna efa nomena azy ireo; satria ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia fananany eo afovoan'ny zanak'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1768