Levitika

Toko faha-25

34 Ny saha manodidina ny tanànan'ny Levita, dia tsy hamidy fa fananany mandrakizay izany. 35 Raha misy rahalahinao mihamahantra sy mihaosa tànana eo akaikinao, na dia izay hafa firenena na vahiny aza, dia tohàny izy, mba hivelona eo akaikinao.

36 Aza maka zana-bola na tombony aminy, fa matahora ny Andriamanitrao, ka aoka hivelona eo akaikinao ny rahalahinao. 37 Aza mampanàna vola aminy, na mampisambotra hanina hilan-tombony aminy. 38 Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anareo tany amin'ny tany Ejipta, hanomezako anareo ny tany Kanaana, mba ho Andriamanitrareo. 39 Raha mihamahantra ny rahalahinao eo akaikinao, ka mivaro-tena aminao, aza dia ampanaovina asan'andevo izy,

40 fa ataovy toy ny mpikarama, na vahiny an-trano, ary mandra-pahatongan'ny taona Jobile no hanompoany anao. 41 Amin'io dia ho afaka izy mbamin'ny zanany miaraka aminy, ka hody any amin'ny fianakaviany sy hiverina amin'ny fananan-drazany indray. 42 Fa mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta izy ireo ka tsy hamidy toy ny fivarotra andevo. 43 Tsy hizaka azy amin-kalozana hianao, fa hatahotra ny Andriamanitrao. 44 Ireo firenena manodidina anao no azonao angalana andevo lahy na vavy, mba ho anao; amin'ireo no hividiananareo ankizilahy aman'ankizivavy. 45 Ireo zana-bahiny mitoetra eo aminareo koa no azonareo hividianana, na ireo fianakavian'izy ireo, izay miara-monina aminareo, sy naterany teo amin'ny taninareo; ka dia ho fanananareo ireny. 46 Havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hizakany azy ireo toy ny fananana; ho andevonareo mandrakizay izy. Fa raha ny amin'ny rahalahinareo, ny zanak'Israely kosa, dia aza misy aminareo mizàka ny rahalahiny amin-kalozana. 47 Raha misy olon-kafa firenena na vahiny tonga nanan-karena teo akaikinao ary misy rahalahinao nihanahantra teo akaikiny, ka nivaro-tena tamin'ilay hafa firenena vahiny eo akaikinao, na amin'ny taranaky ny fianakaviana hafa firenena,

48 dia azo avotana izy, rahefa nivaro-tena; ny iray amin'ny rahalahiny mahazo manavotra azy; 49 na ny rahalahin-drainy, na ny zanadrahalahin-drainy mahazo manavotra azy; na ny iray amin'ny havany akaiky mahazo manavotra azy; na ny tenany, rahefa mba mahazo harena izy, dia hiavo-tena. 50 Izy sy ilay nividy azy no hiara-manisa ny taona hatramin'ny nivarotany tena tamin'izy io, ka hatramin'ny taona Jobile; dia hatao araka izay isan'ny taona ny vola nivarotany ny tenany; hotombanana toy ny fanao amin'ny mpikarama izay andro niasany. 51 Raha mbola maro ny taona sisa, dia haloany araka izay isan'izany taona izany ny vola avony, atao ara-kevitry ny vola nividianana azy ihany. 52 Ary raha vitsy sisa ny taona hatramin'ny Jobile, dia hisaina izany: hatao arak'izany taona izany ny vola avony haloany. 53 Ho toy ny mpikarama an-taona no ho fitoetrany ao aminy; ary tsy ho an-kalozana no hitondrany azy, eo imasonao. 54 Raha tsy misy hanavotana azy akory, dia ho afaka amin'ny taona Jobile izy mbamin'ny zanany miaraka aminy. 55 Satria amiko ny zanak'Israely no mpanompo; mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta izy. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

Toko faha-26

1 Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasokitra, na tsangam-baton-tsampy, na manorina vato voaravaka sarin-javatra eo amin'ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

2 Tandremo ny sabatako, ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh. 3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo, ka mankatò izany,

4 dia halatsako amin'ny fotoany ny orana ho anareo; hahavokatra ny tany; hamoa ny hazo eny an-tsaha. 5 Ny fivelezam-bary haharitra hatramin'ny fitoazam-boaloboka; ny fitoazam-boaloboka hahatratra ny famafàna; dia hihinana hianareo ka ho voky tsara, ary handry fahizay eo amin'ny taninareo. 6 Hasiako fiadanana eo amin'ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra hianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin'ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo. 7 Hanenjika ny fahavalonareo hianareo; ary lavon-tsabatra eo anoloanareo izy. 8 Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo. 9 Hitodika anareo aho, ka hahamaro anaka anareo sy hampitombo anareo ary hanorina ny fanekeko aminareo. 10 Hihinana ny vokatra tranainy hianareo, dia ny tranainy hahitana toerana ho an'ny vao. 11 Hanorina ny fonenako eo afovoanareo aho, ary tsy ho tofoka aminareo ny fanahiko. 12 Handeha eo afovoanareo aho, ho Andriamanitrareo aho, ary hianareo ho vahoakako. 13 Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin'ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran'ny jioganareo aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana. 14 Fa raha tsy mihaino ahy kosa hianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo;

15 raha manamavo ny lalàko hianareo ka boboky ny fitsipiko ny fanahinareo ka tsy hankatoavinareo ny didiko rehetra sy hivadihanareo ny fanekena amiko, 16 dia izao no hataoko aminareo: Hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo hianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handrerak'aina anareo; hafafinareo foana ny voa famafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy. 17 Hanandrina anareo ny vatako, ka ho resin'ny fahavalonareo hianareo; izay manakahala anareo no hanapaka anareo, ary handositra tsy enjehina hianareo. 18 Raha tsy mbola mihaino ahy amin'izany ihany hianareo, dia hofaiziko impito mihoatra izany, noho ny fahotanareo.

19 Horavako ny reharehan'ny herinareo; hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo. 20 Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin'ny tany tsy hamoa ny voany. 21 Raha mandroso manohitra ahy ihany hianareo, fa tsy mety mihaino ahy, dia hokapohiko impito mihoatra, araka ny fahotanareo.

22 Halefako hamely anareo ny biby dia, hifaoka ny zanakareo, hamiravira ny biby fiompinareo, hahavitsy isa anareo, ka hanjary efitra ny làlanareo. 23 Rahefa voan'ireo sazy ireo hianareo, ka mbola tsy mety hanariko hianareo fa mandroso manohitra ahy ihany,

24 dia izaho kosa no handroso hamely anareo, ka hikapoka anareo koa aho impito mihoatra, noho ny fahotanareo. 25 Hampiditra sabatra hamely anareo aho, ho valin'ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo hianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tànan'ny fahavalo hianareo, 26 rahefa hotapahiko ny mofo tohan'ainareo, ka lafaoro fanendasa-mofo iray no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany ny mofonareo, dia hihinana hianareo fa tsy ho voky. 27 Rahefa izany ka mbola tsy mihaino ahy hianareo, fa mbola mandroso manohitra ahy,

28 dia handroso hanohitra anareo amin-katezerana mafy koa aho, ka hofaiziko impito mihoatra hianareo, noho ny fahotanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.171