Levitika

Toko faha-26

29 Hihinana ny nofon'ny zanakareo lahy hianareo, hihinana ny nofon'ny zanakareo vavy hianareo. 30 Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an'ny masoandro; hampifanongoaviko amin'ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian'ny fanahiko amim-paharikorikoana hianareo. 31 Ny tanànanareo hampanjariko efitra, ny fitoerana masinareo horavako, ary ny hanitra ankasitrahanareo avy amin'ny zava-manitrareo tsy hamboloiko intsony. 32 Hosimbako ny tany, ka ho talanjona ny fahavalonareo izay honina eo aminy. 33 Hianareo haparitako any amin'ny firenen-kafa, henjehiko amin'ny sabatra avy eo aoriana; ny taninareo ho lao ary ny tanànanareo ho zary efitra. 34 Amin'izany hanana ny sabatany ny tany, mandritra ny fotoana hahafoana azy, rahefa any amin'ny tanim-pahavalonareo hianareo, amin'izany, dia hitsahatra ny tany, ary hanana ny sabatany.

35 Hananany mandritra ny fotoana hahafoana azy ny fitsaharana tsy nananany tamin'ny sabatanareo fony hianareo nonina teo aminy. 36 Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin'ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan'ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika. 37 Hifampigona toy ny enjehin-tsabatra izy, nefa tsy iza tsy iza manenjika azy eo; ka dia tsy hahatoha ny fahavalonareo hianareo. 38 Ho lany ringana any amin'ny firenen-kafa hianareo, ary ho lanin'ny tanim-pahavalonareo. 39 Izay sisa velona aminareo dia hihalany ritra noho ny heloky ny tenany any amin'ny tanim-pahavalony; ary ho levona koa noho ny heloky ny razany izay ao aminy. 40 Fa hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, noho ny fahadisoana nataony tamiko; hiaiky izy fa noho ny nandrosoany nanohitra ahy,

41 no nandrosoako nanohitra azy sy nandefasako azy tany an-tanim-pahavalony. Ary amin'izay, rahefa mietry tena ny fony tsy voafora, ka manaiky ny sazin'ny hadisoany, 42 dia hotsarovako koa ny fanekeko tamin'i Jakoba, hotsarovako koa ny fanekeko tamin'Isaaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama, dia hotsarovako ny tany. 43 Ny tany nilaozany ka hanana ny sabatany mandritry ny fotoana hahafoana azy, nialan'izy ireo lavitra; izy ireo koa hanaiky ny sazin'ny hadisoany, noho izy efa nanamavo ny fitsipiko, sady boboky ny lalàko ny fanahiny. 44 Na dia amin'izany aza anefa, rahefa mby any amin'ny tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa izaho no Iaveh Andriamaniny. 45 Hotsarovako hanasoavako azy ny fanekena nataoko tamin'ny razany, izay navoakako tany amin'ny tany Ejipta, teo imason'ny firenen-kafa, mba ho Andriamaniny aho. Izaho no Iaveh. 46 Ireo no didy amam-pitsipika ary lalàna nataon'ny Tompo ho fifaneken'ny tenany sy ny zanak'Israely tao an-tendrombohitra Sinaia, tamin'ny alalan'i Moizy.

Toko faha-27

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao amin'izy ireo hoe: Raha misy olona mivady, dia an'ny Tompo ny olona, araka izay anombananao azy. 3 Raha lehilahy no hotombananao ny hatramin'ny roapolo taona ka hatramin'ny enimpolo taona, dia tombano volafotsy dimampolo sikla araka ny sikla masina; 4 ary raha vehivavy, dia telopolo sikla no hanombananao azy. 5 Ny hatramin'ny dimy taona ka hatramin'ny roapolo taona, raha zazalahy dia roapolo sikla no hanombananao azy, ary raha zazavavy dia folo sikla. 6 Ny hatramin'ny iray volana ka hatramin'ny dimy taona, raha zazalahy dia dimy sikla no hanombananao azy, ary raha zazavavy dia telo sikla. 7 Ny hatramin'ny enimpolo taona no ho miakatra dia dimy ambin'ny folo sikla raha lehilahy, ary folo sikla raha vehivavy. 8 Raha mahantra loatra izay olona mivoady ka tsy mahaloa ny tombana nataonao, dia hoentina mankeo amin'ny mpisorona izay hanombana azy izy, ka dia hoferan'ny mpisorona araka ny toe-pananan'ny olona nivoady ny tombany. 9 Raha biby fanao fanatitra ho an'ny Tompo no nivoadina, dia ho zava-masina izay rehetra homena an'ny Tompo toy izany.

10 Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloana biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roroa. 11 Ary raha biby maloto tsy fanao fanatitra amin'ny Tompo kosa, dia hoentina mankeo amin'ny mpisorona, 12 ka ny mpisorona no hanombana azy araka ny hatsarany na haratsiany, dia izay tombany ataon'ny mpisorona no hekena. 13 Raha tiana havotana izy dia hotongoavana ny ampahadimin'izay nanombananao azy. 14 Raha misy olona manamasina ny tranony manokana azy ho an'ny Tompo, dia hotombanan'ny mpisorona araka ny hatsarany na haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon'ny mpisorona no harahina.

15 Raha te-hanavotra ny tranony ilay nanamasina azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay nanombananao azy, dia ho azy ny trano. 16 Raha misy olona manokana ho an'ny Tompo ny sasany amin'ny zara taniny, dia ho araka ny voa famafy aminy no hanombananao azy, ka volafotsy dimampolo sikla no hanombananao ny tany mifafy orja iray gomera.

17 Raha miantomboka amin'ny taona Jobile no anokanany ny taniny dia io tombany nataonao io no arahina, 18 fa raha aty aorian'ny Jobile kosa no anokanany ny taniny, dia ho araka ny isan'ny taona sisa mandra-pihavin'ny Jobile no hanombanan'ny mpisorona ny vidiny, ka hahena ny tombany nataonao. 19 Raha te-hanavotra ny taniny ilay nanokana azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny nanombananao azy, dia hipetraka ho azy ny tany. 20 Raha tsy havotany ny tany na hamidiny amin'olona hafa dia tsy azo havotana intsony; 21 fa rahefa afaka amin'ny Jobile ny tany dia hatokana ho an'ny Tompo toy ny tany nivoadiana, ka ho tonga fananan'ny mpisorona. 22 Raha misy olona manokana ho an'ny Tompo ny tany novidiny tsy anisan'ny zara taniny; 23 dia ho eran'ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-pihavin'ny taona Jobile, dia haloan'izany olona izany androtr'io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an'ny Tompo. 24 Amin'ny taona Jobile dia hiverina amin'izay nividianana azy sy tompon-jara tany azy ilay tany. 25 Ny tombana rehetra hataonao araka ny sikla masina: roapolo gerà ny sikla iray. 26 Tsy misy anefa mahazo manokana voalohan-teraky ny biby fiompiny, fa efa an'ny Tompo rahateo izany noho ny mahavoalohan-teraka azy, ka na omby, na ondry dia efa an'ny Tompo izany. 27 Ary ny amin'ny biby maloto dia havotana araka izay tombany hataonao izy, hotongoavina ny ampahadiminy, fa raha tsy avotana izy dia hamidy araka izay hanombananao azy. 28 Izay rehetra natokan'ny olona nataony anatema ho an'ny Tompo amin'izay rehetra ananany, na olona na biby, na tany zara lovany, dia tsy ho azo hamidy na havotana, fa zava-masina dia masina an'ny Tompo avokoa izay rehetra natokana natao anatema. 29 Tsy misy azo avotana izay olona natao anatema, fa hatao maty. 30 Ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny tany, na ny avy amin'ny voa famafy amin'ny tany, na ny avy amin'ny voan'ny hazo, dia an'ny Tompo avokoa, zava-boatokana ho an'ny Tompo izany. 31 Raha misy olona te-hanavotra amin'ny ampahafolon'ny vokany, dia hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny. 32 Ny ampahafolon'ny biby fiompy, na vaventy na madinika, amin'izay biby fiandry rehetra, dia hatokana ho an'ny Tompo avokoa ny ampahafalony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3295