Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-3

19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra. 20 Fa raha ny fontsika aza manameloka antsika, mainka fa Andriamanitra, izay lehibe noho ny fontsika, sady mahalala ny zavatra rehetra. 21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an'Andriamanitra amin-toky isika. 22 Ary na inona na inona angatahantsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. 23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an'i Jesoa-Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. 24 Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.

Toko faha-4

1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin'Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin'izao tontolo izao.

2 Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin'Andriamanitra: ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo Jesoa-Kristy dia avy amin'Andriamanitra. 3 Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesoa, dia tsy mba avy amin'Andriamanitra, fa fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa tonga eo amin'izao tontolo izao sahady aza ankehitriny. 4 Avy amin'Andriamanitra hianareo, anaka, sady efa nandresy an'ireny, satria lehibe izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.

5 Avy amin'izao tontolo izao izy ireny, ka izany no anaovany fitenin'izao tontolo izao, sy ihainoan'izao tontolo izao azy. 6 Fa izahay kosa dia avy amin'Andriamanitra, ka izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin'Adriamanitra tsy mba mihaino anay; izany no ahafantarantsika izay fanahin'ny fahamarinana, sy izay fanahin'ny hadisoan-kevitra. 7 Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin'Andriamanitra, sy mahalala an'Andriamanitra.

8 Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. 9 Ary nampiseho ny fitiavany antsika izy, tamin'ny nanirahany ny Zanany lahitokana ho amin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika. 12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana azy.

13 Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary izy ao amintsika. 14 Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray. 15 Na iza na iza hanaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin'Andriamanitra. 16 Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. 17 Ary izao no mahalavorary ny fitiavana ao amintsika: hanan-toky marimarina isika amin'ny andro fitsarana, satria nanahaka azy tamin'ity fiainana ity.

18 Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan'izay matahotra. 19 Aoka ho tia an'Andriamanitra àry isika, fa izy no efa tia antsika taloha. 20 Raha misy milaza azy ho tia an'Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy, satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra tsy hitany?

21 Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Toko faha-5

1 Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay niteraka azy, dia tia azy naterany koa.

2 Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. 3 Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an'Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny, 4 satria izay naterak'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an'izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza àry no maharesy an'izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra? 6 Dia izy no ilay avy tamin'ny rano sy ny rà; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.

7 Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. 8 Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny fanahy sy ny rano sy ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. 9 Raha ny fanambaran'ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaran'Andriamanitra izay lehibe lavitra; ary ny fanambaran'Andriamanitra, dia ny nanambarany ny Zanany indrindra. 10 Koa izay mino ny Zanak'Andriamanitra dia manana izany fanambarana izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an'Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambarany ny Zanany. 11 Ary izany fanambarana izany dia izao: nomen'Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. 12 Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana. 13 Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay hianareo izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra.

14 Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika, dia mihaino antsika izy.

15 Ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahantsika aminy dia azontsika. 16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin'ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an'izay manota tsy ho amin'ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin'ny fahafatesana; tsy mba ny amin'izany no ilazako hoe tokony hivavaka.

17 Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra fa misy fahotana tsy ho amin'ny fahafatesana. 18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay naterak'Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay ratsy.

19 Fantatsika fa avy amin' Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin'ilay ratsy avokoa. 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an'Andriamanitra marina; ary ao amin'izany Andriamanitra marina izany isika; satria ao amin'i Jesoa-Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 21 Anaka, tandremo fandrao manompo sampy hianareo.

Epistola Faharoan'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Izaho anti-dahy, mamangy an'Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako araka ny marina - ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa, -

2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ao amintsika sy ho ao amintsika mandrakizay:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1811