Epistola Faharoan'i Md. Joany

Toko voalohany

3 ho aminareo ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy Jesoa-Kristy, Zanaky ny Ray! 4 Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin'ny Ray.

5 Ary ankehitriny mihanta aminao aho, tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin'ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika. 6 Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin'ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin'ny fitiavana. 7 Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin'izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesoa-Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.

8 Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka hianareo. 9 Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin'ny fampianaran'ny Kristy dia tsy manana an'Andriamanitra; fa izay mitoetra amin'ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka. 10 Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mintondra izao fampianarana izao, dia aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory. 11 Fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony. 12 Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho fa tsy tiako atao an-taratasy na amin'ny ranomainty izany, fa ho any aminareo aho, ka dia hiteny mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafalianareo.

13 Manao veloma anao ny zanaky ny rahavavinao voafidy.

Epistola Fahatelon'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Izaho anti-dahy, mamangy an'Gaiosa malala, izay tiako araka ny marina.

2 Ry malala, iriko ho toraka ny an'ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao. 3 Faly loatra aho, fa nisy rahalahy tonga nanambara ny fahamarinanao, na ny andehananao araka ny fahamarinana. 4 Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny mandre fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. 5 Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin'ny rahalahy, fa indrindra amin'ireo vahiny;

6 ka nambaran'izy ireo teo anatrehan'ny Eglizy ny fitiavanao namana. Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an'Andriamanitra hianao, amin'ny fandehanan'izy ireo; 7 fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan'izy ireo, ka tsy nandray na inona na inona tamin'ny jentily izy. 8 Tsy maintsy manohana ny olona toy ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana. 9 Nanoratra kely tamin'ny Eglizy aho, nefa tsy te-handray anay Diotrefesa izay te-ho lohan'izy ireo.

10 Ka rahefa tonga aho dia hopotsiriko ny nataony, sy ny bedibedy foana anaratsiany anay. Sady tsy afa-po amin'izany ihany izy; fa ny tenany, tsy mandray ny rahalahy; izay te-handray ireo koa, sakanany sy roahiny amin'ny eglizy. 11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Milaza soa an'i Demetriosa ny olona rehetra mbamin'ny fahamarinana aza; izahay koa milaza izany, ary fantatrao fa marina ny filazanay.

13 Manan-javatra maro hosoratana aminao aho, fa tsy tiako atao amin'ny ranomainty sy ny penina izany.

14 Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka mifanatrika isika. 15 Ho aminao anie ny fiadanana. Manao veloma anao ny sakaizantsika. Veloma any amin'ny sakaizantsika tsirairay avy.

Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Joda

Toko voalohany

1 Joda, mpanompon'i Jesoa-Kristy, sy rahalahin'i Jakoba, mamangy ireo olom-boafidy izay malalan'Andriamanitra Ray, sy voatahiry ho an'i Jesoa-Kristy;

2 ho feno anie ny famindram-po sy fiadanana ary ny fitiavana nomena anareo. 3 Ry malala, noho ny faniriako mafy hanoratra aminareo ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia voatery hanoratra ity taratsy ity ho anareo aho, mba hamporisika anareo hikely aina hiaro ny finoana, izay natolotra ny olo-masina indray mandeha monja.

4 Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko aminareo, dia olona voasoratra hatry ny ela fa hanamelo-tena amin'izany, olona ratsy fanahy, mamadika ny fahasoavan'Andriamanitra ho fahalotoana, sady mandà an'i Jesoa-Kristy, Andrian-tokana sy Tompontsika. 5 Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino taty aoriana.

6 Ary ny anjely tsy nahatana ny fiamboniany fa nitsoa-ponenana, dia tànany am-patorana mandrakizay ao anatin'ny aizina, sy tahiriziny ho amin'ny andro fitsarana lehibe. 7 Toy izany Sodoma sy Gomora, mbamin'ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin'ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay. 8 Ireo olona ireo koa, milentika amin'ny redirediny, ka mandoto ny nofony toy izany, manamavo ny fahandrianana, ary manevateva ireo voninahitra.

9 Kanefa na i Misely Arkanjely aza, raha niady tamin'ny demony, nifanditra taminy ny amin'ny fatin'i Moizy, dia tsy sahy nanameloka azy tamin'ny teny fanozonana, fa izao fotsiny no nataony: Hofaizin'ny Tompo anie hianao. 10 Fa ry zareo ireo kosa, sady manevateva ny zavatra tsy fantany no mandoto ny tenany amin'ny zavatra fantany fotsiny izao toy ny biby tsy manan-tsaina. 11 Loza ho azy ireo, fa tafiditra amin'ny làlan'i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin'ny hadisoan'i Balaama, ary nanary tena amin'ny fikomian'i Kore. 12 Amin'ny sakafo iarahanareo mihinana, dia ireo no vato manafintohina, miletra tsy aman-kenatra tsy mihevitra afa-tsy ny hamoky tena. Rahona tsy misy rano ireo, ka avoivoin'ny rivotra befahatany; hazo fararano, ka sady tsy am-boa no indroa maty sy voaongotra;

13 onjan-dranomasina misamboaravoara, mandoa vorin'ny fahafaham-baràka ho azy; ary kintana mirenireny, fiandrin'ny aizim-pito mandrakizay. 14 Ireo koa no efa novinanin'i Enoka, ilay fahafito avy amin'i Adama, hoe: Indro avy ny Tompo, omban'ny olo-masiny tsy tambo isaina,

15 hitsara ny olona tsy an-kanavaka: hampiharihary ny halozan'ny asa ratsy rehetra nataon'ny ratsy fanahy, sy ny haratsian'ny teny rehetra nanevatevan'ny mpanota mankahala ny fivavahana an'Andriamanitra. 16 Olona mpimonjomonjo lava izy ireo, tsy mionona amin'ny anjarany na oviana na oviana, manaraka ny danin'ny kibony hatrany hatrany, miavonavom-piteny izaitsizy, ary mandoka ny sasany mba hahazoany vola.

17 Fa hianareo kosa, ry malala, dia tsarovy ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa-Kristy Tompontsika fahiny,

18 izay nanambara taminareo fa amin'ny andro farany dia hisy olona mpamitaka, handeha araka ny filan-dratsiny mahamenatra, 19 hitarika fitokotokoana, dia olona ara-batana, fa tsy mba manana ny Fanahy. 20 Aoka hianareo, ry malala, hiorina mafy amin'ny fototry ny finoanareo masina indrindra, hivavaka amin'ny alalan'ny Fanahy Masina,

21 hitahiry tena amin'ny fitiavana an'Andriamanitra, ary hiankina amin'ny famindram-pon'i Jesoa-Kristy Tompontsika, mba hahazo ny fiainana mandrakizay. 22 Amindrao fo ny sasany izay mihanahana; 23 afaho amin'ny afo no famonjy ny sasany; ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra, ka ankahalao na hatramin'ny akanjo voaloton'ny nofo aza. 24 Ary aoka anie ho an'ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan'ny fiandrianany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1787