Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Joda

Toko voalohany

25 dia ho an'Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana, hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay doria. Amena.

Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Fanambaran'i Jesoa-Kristy, izay nomen'Andriamanitra azy, mba hanehoany amin'ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany anjely hampahalalaina an'i Joany mpanompony;

2 ka dia io no nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazan'i Jesoa-Kristy, araka ny zavatra rehetra hitany. 3 Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana. 4 Mamangy ny Eglizy fito any Asia aho, Joany: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin'ny Fanahy fito eo anoloan'ny seza fiandrianany;

5 ary avy amin'i Jesoa-Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin'ny maty, ary Filohan'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin'ny rany, 6 sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron'Andriamanitra Rainy, eny, ho azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay doria. Amena. 7 Indro izy avy eo amin'ny rahona, ka hahita azy ny maso rehetra, na dia ny an'ireo nandefona azy aza; ary handon-tratra ny firenena rehetra ambonin'ny tany amin'ny fahitana azy. Eny. Amena.

8 Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.

9 Izaho Joany, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin'i Jesoa-Kristy, dia tao amin'ny nosy anankiray atao hoe Patmosy, noho ny amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fanambaran'i Jesoa.

10 Notsindrian'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trompetra, 11 nanao hoe: Soraty amin'ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin'ny Eglizy fito any Asia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea. 12 Dia niherika nankany amin'ilay feo niteny tamiko aho, ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro fito, maro rantsana. 13 Ary teo afovoan'ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak'olona, niakanjo akanjo rebareba, nihetra fehikibo volamena teo amin'ny tratrany; 14 ny lohany sy ny volony dia fotsy toy ny volon'ondry fotsy, ary mangatsakatsaka toy ny oram-panala; ny masony tahaka ny lelafo; 15 ny tongony toy ny varahina manganohano voadio tamin'ny memy afo, ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. 16 Ny tànany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan'tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny indrindra. 17 Vao nahita azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin'ny tànany havanana izy, ka nanao hoe: Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;

18 efa maty aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny afobe. 19 Koa soraty ny zavatra efa ahitanao, sy izay ankehitriny, ary izay mbola ho avy koa any aoriana; 20 izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tànako an-kavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny anjelin'ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.

Toko faha-2

1 Manorata ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Efezy: Izao no lazain'ilay mitana ny kintana fito eo an-tànany an-kavanana, sy mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito:

2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin'ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apostoly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny;

3 ary manana fandeferana hianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka. 4 Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin'ny fitiavana voalohany hianao. 5 Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha, ka miverena amin'ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin'ny fitoerany raha tsy mibebaka hianao. 6 Misy anananao sitraka ihany anefa, dia izao: mankahala ny asan'ny Nikolaïta izay halako koa hianao. 7 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy: Izay mandresy, havelako hihinanany ny hazon ny fiainana izay ao amin'ny paradizin'Andriamanitra.

8 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Smirna: Izao no lazain'ilay Voalohany sy Farany, izay efa maty ka velona indray:

9 Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena hianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin'ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan'i Satana.

10 Aza matahotra na inona na inona amin'izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny demony, mba hovoazaha toetra hianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana. 11 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa.

12 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Pergama: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra marani-dany roa:

13 Fantatro ny itoeranao, dia eo amin'ny misy ny seza fiandrianan'i Satana; nefa mitana mafy ny anarako hianao, ka tsy nandà ny finoana ahy na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin'izay onenan'i Satana.

14 Manan-teny kely aminao anefa aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran'i Balaama, izay nanome fo an'i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan'ny zanak'Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin'ny sampy sy hijangajangana. 15 Toy izany koa, ao aminao dia misy olona manaraka fampianarana manahaka ny an'ny Nikolaïta. 16 Koa mibebaha, fa raha tsy izany dia ho avy aminao faingana aho, ka hamely an'ireo amin'ny sabatry ny vavako. 17 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. Izay mandresy dia homeko màna miafina, sady homeko vato fotsy misy anaram-baovao voasoratra tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany.

18 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Tiatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:

19 Fantatro avokoa ny asanao, ny finoanao, ny fitiavanao, ny fiantranao, ny fandeferanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.

20 Manan-teny kely aminao anefa aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin'ny sampy. 21 Efa nomeko andro hibebahana izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany. 22 Ka indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary hozoim-pahoriana lehibe izay mijangajanga aminy, raha tsy mibebaka amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23 Hasiako amin'ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra. 24 Ary indreo hianareo mpino sisa any Tiatira, izay tsy manana izany fampianarana izany, sy izay rehetra tsy nahalala ireny antsoin'ny sasany hoe sain-dalin'i Satana ireny, dia izao kosa no lazaiko aminareo: Tsy hovesarako entana hafa hianareo, 25 fa tano mafy aloha izay anananareo, mandra-pihaviko. 26 Ary izay handresy ka haharitra amin'ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana amin'ny firenena;

27 hifehy azy amin'ny tehim-by izy, ary hanorotoro azy, toy ny vilany tany, 28 araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko, ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2047