Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

1 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Sarda: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona hianao, nefa maty.

2 Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan'Andriamanitra ny asanao. 3 Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina hianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako ao aminao. 4 Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa aty aminao aty Sarda, ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika. 5 Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin'ny bokin'ny fiainana aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ny anjeliny.

6 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. 7 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Filadelfia: Izao no lazain'ilay masina, ilay marina, ilay manana ny fanalahidin'i Davida, ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha:

8 Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany hianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny anarako; koa indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao.

9 Indro, atolotro anao ny sasany amin'ny sinagogan'i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao aho. 10 Ary noho hianao nitandrina ny teniko ny amin'ny fandeferana, izaho kosa hitandrina anao amin'ny andron'ny fakam-panahy, izay ho tonga amin'izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany. 11 Indro, avy faingana aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay handresy dia hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro, sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin'Andriamanitro, sy ny anarako vaovao.

13 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. 14 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Laodisea: Izao no lazain'ny Amena, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Fototry ny zava-boarin'Andriamanitra.

15 Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana hianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana hianao;

16 fa noho hianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan'ny vavako hianao. 17 Hianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, nahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; kanjo tsy fantatrao, fa hianao dia olona ory, fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza. 18 Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, dia hanan-karena hianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao, dia hahiratra hianao. 19 Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha. 20 Indro, mitsangana eo am-baravarana aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko. 21 Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin'ny seza fiandrianako; toa ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin'ny Raiko, eo amin'ny seza fiandrianany.

22 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.

Toko faha-4

1 Taorian'izany, dia hitako fa indro nisy varavarana mivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an'ny trompetra, dia niteny tamiko hoe: Miakara aty, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.

2 Niaraka tamin'izay, dia voatsindrin'ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 3 Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin'ilay nipetraka; ary voahodidina avana miendrik'emeraoda ny seza fiandrianana. 4 Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy efatra amby roapolo koa no nipetraka tambonin'ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satro-boninahitra volamena no teny an-dohany.

5 Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin'ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra izany. 6 Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan'ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.

7 Ilay Zava-manana aina voalohany moa toy ny liona, ny faharoa tahaka ny zanak'omby, ny fahatelo nanan-tava toy ny an'ny olona, ary ny fahefatra sahala amin'ny voromahery manidina. 8 Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman'alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy. 9 Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay, 10 ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan'ilay mipetraka amin'ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an'ilay velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianany, ka manao hoe: 11 Hianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitra-ponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.

Toko faha-5

1 Ary indro, hitako teny an-tànana an-kavanan'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombo-kase fito.

2 Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? 3 Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra na nahajery azy akory. 4 Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy. 5 Dia hoy ny anankiray tamin'ny Anti-dahy tamiko: Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin'ny fokon'i Jodà sy solofon'i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. 6 Ary hitako, fa indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan'ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak'ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina any amin'ny tany rehetra.

7 Dia tonga izy ka nandray ny boky teny an-tànan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana. 8 Nony nandray ny boky izy, dia niankohoka teo anoloan'ny Zanak'ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan'ny olon-masina izany.

9 Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: Hianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny. Fa voavono hianao, ka ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny, mbamin'ny fanjakana sy ny firenena rehetra. 10 Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra izy ireo, ka manjaka ety ambonin'ny tany. 11 Dia hitako, sady reko koa ny feon'anjely maro, manodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo,

12 nanao tamim-peo mahery hoe: Ny Zanak'ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra, ary ny saotra. 13 Ary reko ny voary rehetra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin'ny tany, mbamin'izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin'ireo indray nilaza hoe: Ho an'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny dera sy haja, ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay!

14 Dia novalian'ny Zava-manana aina efatra hoe: Amena. Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an'ilay velona mandrakizay mandrakizay.

Toko faha-6

1 Ary hitako fa nosokafan'ny Zanak'ondry ny iray tamin'ny tombo-kase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin'ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: Avia hijery.

2 Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka, sy nomena satro-boninahitra, ary lasa toy ny mpandresy ndeha handresy. 3 Nony nosokafany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny Zava-manana aina faharoa nanao hoe: Avia hijery.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1946