Ny Fanisana

Toko voalohany

49 Aza mba isaina ny fokon'i Levì, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny zanak'Israely izy. 50 Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan'ny vavolombelona mbamin'ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin'ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana. 51 Rahefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rahefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty. 52 Ny zanak'Israely, dia samy hiorin-dasy ao amin'ny anjara tobiny samy manakaiky ny fanevany araka ny isan-tokony avy. 53 Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan'ny vavolombelona, mba tsy hipoahan'ny hatezerako ny fiangonan'ny zanak'Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan'ny vavolombelona. 54 Dia notanterahin'ny zanak'Israely avokoa izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy; nataony izany.

Toko faha-2

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Ny zanak'Israely dia samy hitoby eo akaikin'ny fanevany, sy ho eo ampototry ny sainan'ny fokom-pianakaviany avy. Manandrify sy manodidina ny trano lay fihaonana no hitobian'izy ireo. 3 Ny fanevan'ny tobin'i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin'ny lafiny atsinanana mbamin'ny antokony avy. Ny filohan'ny taranak'i Jodà dia Nahasona zanak'i Aminadaba

4 ary enin-jato amby efatra arivo sy fito alina ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa. 5 Ny fokon'Isakara no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'Isakara dia Natanaela zanak'i Soara, 6 ary efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 7 Manaraka nizany dia ny fokon'i Zabolona. Ny filohan'ny taranak'i Zabolona dia Eliaba zanak'i Helona, 8 ary efa-jato amby fito arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa. 9 Araka ny lehilahy voaisa dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy no totalin'ny eo amin'ny tobin'i Jodà, araka ny antokony avy. Ireo no ho lohalàlana rahefa hiainga. 10 Ny fanevan'ny tobin-dRobena no ho eo amin'ny lafiny atsimo; mbamin'ny antokony avy. Ny filohan'ny tarana-dRobena dia Elizora zanak'i Sedeora.

11 Ary diman-jato amby enina arivo sy efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 12 Ny fokon'i Simeona no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'i Simeona, dia Salamiela zanak'i Sorisadaia; 13 ary telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 14 Manaraka izany dia ny fokon'i Gada. Ny filohan'ny taranak'i Gada dia Eliazafa zanak'i Doela, 15 ary dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 16 Ka dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy no totalin'ny eo amin'ny tobin-dRobena, araka ny lehilahy voaisa manaraka ny antokony avy. Ireo no ho laharana faharoa eny an-dàlana. 17 Izay vao handroso ny trano lay fihaonana, ny antokon'ny Levita eo afovoan'ny toby rehetra. Ary araka ny filaharany eo an-dasy ihany no ho fandehany eny an-dàlana koa, samy eo an-daharany manaraka ny fanevany avy.

18 Ny fanevan'i Efraima no ho eo andrefana, mbamin'ny antokony. Ny filohan'ny taranak'i Efraima, dia Elisamà zanak'i Amioda;

19 ary diman-jato amby efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 20 Ny fokon'i Manase no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela zanak'i Fadasora, 21 ary roan-jato amby roa arivo sy telo alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 22 Manaraka izany, dia ny fokon'i Benjamina. Ny filohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidàna zanak'i Jedeona, 23 ary efa-jato amby dimy arivo sy telo alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 24 Ka dia zato amby valo arivo sy iray hetsy no totalin'ny eo amin'ny tobin'i Efraima, araka ny lehilahy voaisa, manaraka ny antokony avy. Ireo no laharana fahatelo eny an-dàlana. 25 Ny fanevan'ny tobin'i Dana no ho eo avaratra, mbamin'ny antokony. Ny filohan'ny taranak'i Dana dia Ahiesera zanak'i Amisadaìa;

26 ary fiton-jato amby roa arivo sy enina alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 27 Ny fokon'i Asera no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'i Asera dia Fegiela zanak'i Okrana, 28 ary diman-jato amby arivo sy efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 29 Manaraka izany dia ny fokon'i Neftalì. Ny filohan'ny taranak'i Neftalì dia Ahira zanak'i Enàna, 30 ary efa-jato amby telo arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 31 Ka dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy no tontalin'ny eo amin'ny tobin'i Dana, araka ny lehilahy voaisa. Ireo kosa no ho vody làlana manaraka ny fanevany avy. 32 Ireo no isan'ny zanak'Israely voasoratra tamin'ny fanisana azy, araka ny fokom-pianakaviany avy. Dimam-polo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy no tontalin'ny lehilahy voaisa, voatokotoko isan-tobiny araka ny antoko-miaramilany avy.

33 Tsy anisan'ny voaisa niaraka tamin'ny zanak'Israely ny levita, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 34 Notanterahin'ny zanak'Israely avokoa izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny fokom-pianakaviany avy.

Toko faha-3

1 Izao no taranak'i Aarona sy Moizy, tamin'ny andro nitenenan'ny Tompo tamin'i Moizy, teny an-tendrombohitra Sinaia.

2 Ny anaran'ny zanakalahin'i Aarona dia izao: Nadaba, lahimatoa, Abiò, Eleazara, ary Itamara. 3 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Aarona, dia ireo mpisorona nandray ny fanosorana, voatokana hanao ny fisoronana. 4 Nadaba sy Abiò dia maty teo anatrehan'ny Tompo tamin'izy nanatitra afo hafa teo anatrehan'ny Tompo tany an'efitra Sinaia: tsy nanan-janaka izy ireo. 5 Ary Elezara sy Itamara nanao ny fisoronana teo anatrehan'i Aarona rainy. 6 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Ampanatony ny fokon'i Levì, ka apetraho eo anatrehan'i Aarona mpisorona mba hanao ny raharahany.

7 Izy ireo no hiadidy ny zavatra rehetra iandraiketan'i Aarona, sy iandraiketan'ny Fiangonana rehetra, eo anoloan'ny trano lay fihaonana; ka hanatanteraka ny fanompoana momba ny Fonenana. 8 Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin'ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan'ny zanak'Israely; izany no hanantanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana. 9 Hatolotrao ny Levita ho an'i Aarona sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin'ny zanak'Israely. 10 Ary Aarona sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1484